- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tondradrano Ao Indonezia : Fepetra Hamehana Ao Jakarta

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Nataon'ny tondradrano goavana fahirano i Jakarta, renivohitr'i Indonezia. Napetraky ny Governora Joko Widodo ho amin'ny  toeran'ny hamehana [1] ny renivohitra hatramin'ny 27 Janoary. Voatatitra fa amin'ireo sobadistrika 44 ao Jakarta dia 27 no tondraky ny rano. Mampiasa ny tenifototra #banjirJKT [2] (tondradranon'i Jakarta) ireo mpisera ety anaty aterineto mba hizaràna vaovao mikasika ny fivoaran'ilay tondradrano any amin'ny distrika samihafa.

@Posma_ [3] Jokowi-Ahok menghadapi salah tantangan terbesar Jakarta. Ini baru banjir 5 tahunan. Semoga terobosan solusinya berjalan baik #banjirJKT

@Posma_ [3] Samy miatrika ny fanamby henjana ao Jakarta na i Jokowi (Ben'ny Tanàna) sy Ahok (Lefitry ny Ben'ny Tanàna). Ity no ilay antsoinay hoe tondradrano isaky ny dimy taona. Enga anie, mba ho vahaolana milamina no ho hita. #banjirJKT

[4]

Tondradrano ao afovoan-tanànan'i Jakarta. Sary avy amin'ny pejy Twitter an'i @KartuPos

@cewequat [5] Silakan berpartisipasi di #BerbagiSELIMUT Menolong warga terdekat sekitar & siapa saja yg bisa kita bantu meringankan musibah #BanjirJKT

@cewequat [5] Mandraisa anjara amin'ny #berbagiselimut (mizarà bodofotsy). Ampio ny mpifanolobodirindrina aminao na iza na iza. Azontsika atao ny manampy ireo mizaka ny mafy amin'ity tondradrano ao Jakarta ity.

Kenda ny asa fihariana ara-toekarena tao an-toerana taorian'ny roa andro nifanesy nisian'ny orana nikija tao Jakarta.

Johannes Silentio [6] Hari-hari ini wajah paradoks Jakarta terkuak lebar. Kota metropolis-modern yang berkali-kali salah urus dan bisa lumpuh hanya karena hujan semalaman.

Johannes Silentio [6] Tato anatin'ny andro vitsy, nipoitra ny endrika miafin'i Jakarta. Tanàn-dehibe maoderina ratsy tantana nandritra ny fotoana naharitra sy azon'ny orana tsy nitsahatra indray alina monja nokendaina.

[7]

Tondradrano goavana ao afovoan-tanànan'i Jakarta. Sary avy amin'ny @MustafidzZ

@BLUTransJakarta [8]: Info | 09:16 Mhn maaf saat ini semua koridor stop operasi imbas banjir dan jlr tdk dapat dilalui

@BLUTransJakarta [8]: Ialànay tsiny ny filazàna fa amin'izao fotoana dia tsy afa-mandeha daholo noho ny tondradrano sy ny làlana tsy azo aleha ny fiara fitateram-bahoakantska rehetra.

Jennie S. Bev [9] Be ny zavatra mila foanana androany, hatramin'ireo fihaonana mikasika fandraharahàna. Tafakatra hatramin'ny 3 metatra ny rano amin'ny faritra sasany. Ratsy ihany koa ny fifandraisana aterineto. Miray fo amin'ireo rehetra tra-boina aho.

‏@kalamkata [10] Tol bandara arah tengah kota, jalur kanan terendam setinggi setengah bodi mobil sedan. #BanjirJKT #JKTBanjir

‏@kalamkata [10] Tondraka ny lalambe mahitsy mamakivaky ny tanàna. Hatreny amin'ny valahan'ireo fiara kely.

[11]

Mponin'i Jakarta miampita arabe iray tondraky ny rano. Sary avy amin'i asep sambas . Fizakà-manana @Demotix (1/16/2013)

Nangonina ao amin'ny Pinterest [12] ihany koa ireo sarin'ilay tondradrano. Mandritra izany, Dest [13], mpampiasa Google dia nanangana sarintany Google [14] iray hanarahana ilay tondradrano goavana ao Jakarta. Ireto ambany ireto ny fanehoankevitra sasany tao amin'ny twitter sy ireo fanavaozam-baovao mikasika ilay tondradrano :

@DianOnno [15] Jakarta Animal Aid Network (JAAN) sepertinya juga sedang membantu hewan yang terkena dampak #banjirJkt. Kalau butuh bisa kontak mereka.

@DianOnno [15] Sahala amin'ny hoe manampy amin'ny famonjena ireo biby tra-boina amin'ny tondradrano ao Jakarta ny Jakarta Animal Aid Network (JAAN). Mifandraisa amin'izy ireo raha misy ilànao fanampiana.

@Oepaij [16] Wilayah yang harusnya jadi zona luahan air (discharge) malah dibikin pemukiman. Sama aja nyuruh orang ngebangun rumah di empang. #BanjirJKT

@Oepaij [16] Ireo faritra nomanina hivarinan'ny rano amin'izao fotoana no efa lasa tanàna misy mponina. Izany dia toy ny filazàna amin'ny olona hanangana trano eo amboninà honahona.

@Ngelantour [17] Refesina aminà  ‘cm’ na ‘metatra’ ny haavon'ny tondradrano eran'izao tontolo izao. Ao Indonezia ihany izy io no refesina amin'ny ‘mata kaki, betis, dengkul, dada, pinggang, leher’ (hakitrokely, ranjo, lohalika, valahana, tratra ary tenda).

‏@KartuPos [18] Ular gede banget ditemukan depan sekolah Santa Ursula sekitar Lapangan Banteng. Dari path @BeckTum: pic.twitter.com/JJZ6SYfo

‏@KartuPos [18] Bibilava be tsikaritra teo anoloan'ny sekoly Saint Ursula akaikin'ny Lapangan Banteng (fanamarihana: kianja fanaovana fanatanjahantena). Avy eny amin'ny Làlana Dari. @BeckTum: pic.twitter.com/JJZ6SYfo [19]