Tantara tamin'ny 19 Janoary 2013
Tondradrano Ao Indonezia : Fepetra Hamehana Ao Jakarta
Nataon'ny tondradrano goavana fahirano i Jakarta, renivohitr'i Indonezia. Napetraky ny Governora Joko Widodo ho amin'ny toeran'ny hamehana ny renivohitra hatramin'ny 27 Janoary. Voatatitra fa amin'ireo sobadistrika 44 ao Jakarta, 27 no tondraky ny rano.
Mpampianatra Oniversite Miantso Ny Hamaranana ny Politikan'ny Zaza Tokana Ao Shina
Tsy azo hozongozonina ny politikan'ny zaza tokana ao Shina, hoy ny nambaran'ny tompon'andraikitra faratampon'ny fandrindram-pianakaviana iray tamin'ny 14 Janoary 2013. Niteraka adi-hevitra mafana hafa ao amin'ny media sosialy Shinoa ny fanambarana fitsipahana ny siosion-dresaka fa hajanona ny politikan'ny zaza tokana.