Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg].
Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny vondrona milisy voaràra Laskher-e-Jhangvi no nahavita ity heloka bevava mampivarahontsana ity.
Taorian'ny fanafihana, nanao famoriam-bahoaka tao amin'ny lalàna Alamdar ireo fiarahamonina Hazara ao Quetta ary nanomboka nanao sit-in milamina. Satria niparitaka manerana ny media sosialy ny sarin'izy ireo nipetraka ao anatin'ny orana miaraka amin'ny nofo mangatsikan'ireo havany, niely toy ny afo manerana ny firenena rehetra ny fihetsiketseham-piraisankina manana endrika sit-in milamina [mg]. Niray hina ireo Pakistaney avy amin'ny antokom-pivavahana sy ny foko rehetra mba hanameloka ny fampihorohoroana atao amin'ny anaran'i Islamo.
Nanana tanjona tokana ireo mpanao fihetsiketsehana tao Quetta:
“Ataovy eo ambanin'ny fifehezan'ny tafika Pakistaney ny tanàna'i Quetta ary ampiharo ny fitsipiky ny Governora.”
Niandry efatra andro ny governemanta vao namaha ny olana; nitsahatra ihany noho ny farany ity sit-in milamina naharitra efatra andro ity. Ankoatra izany, nandà tsy handevina ny nofo mangatsiakan'ireo hava-malalany ny fianakaviana raha tsy voavaly ny fitakian'izy ireo. Satria efa tapitra ny fihetsiketsehana, efa nalevina avokoa ireo faty.
Nikarakara sit-in manerana ny faritra malaza rehetra ao Pakistan ny olom-pirenena. Teny amin'ny lalamby sy ny arabe no nanaovana ny fihetsiketsehana. Araka ny tati-baovao, tanàn-dehibe sy tanàna salantsalany maherin'ny 100 no nahitana sit-in. Nanaovana sit-in ihany koa tao an-tanànan'i Skardu, izay 14 ny maripàna tamin'ny alina. Tsotra ny tanjona:
Ekeo ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Quetta.
Tazan-tsary nandritra ireo fihetsiketsehana manerana ny tanàn-dehibe tao Pakistan ireto manaraka ireto:
Karachi

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Trano Bilawal ho fanoherana ny famonoana ireo Shiita. Sary: @ArsalanMKhan

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Trano Bilawal ho fanoherana ny famonoana ireo Shiita. Sary: FacebookSyed Sabih Abbass Rizvi. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sary
![BAgKv7MCYAAVbl3[1] Protest at Karachi Press Club.](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/01/BAgKv7MCYAAVbl31-375x281.jpg)
Fihetsiketsehana tao amin'ny Tranon-gazety ao Karachi. Sary: @faisalkapadia
![BAjyvtlCMAIIalg[1] A child during a protest near Numaish Chowrangi.](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/01/BAjyvtlCMAIIalg1-375x281.jpg)
Ankizy nandritra ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita tao akaikin'i Numaish Chowrangi. Sary: @arifaBatool
Hyderabad

Fihetsiketsehana teo akaikin'i Hyderabad Bypass. Sary: @ImZeesh
Lahore

#Hazaraizahayrehetra, fihetsiketsehana tao Lahore. Ora: 2:00 maraina. Sary: @XumarShirazi

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Tranon'ny Governora ao Lahore. Ora: 11:30 hariva. Sary: Qurrat-ul -in Haider (@mojesma)

Ankizy Shiita mitaky “ireo rahalahiny Sonita” hamonjy ny fihetsiketsehana. Sary: @annyzaidi

Mitohy foana ny Sit in mandritra ny alina. Sary: FaceBookTaimour Mubashar
Islamabad

Ankizy amam-behivavy nandritra ny sit-in milamina. Sary: @Zulfi25

Nanao izay mety manoloana ny toetr'andro mangatsiaka. Sary: @Mehr_Shah
Peshawar

Zazakely nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana. Sary: @Khushal

Sit-in tao Peshawar. Sary: Hassan Turi (@spin_ghar)
Quetta

Vahoaka mipetraka ao Quetta miaraka amin'ireo nofo mangatsiakan'ny havany. Sary: Humayoun Behzad (@behzadjee)

Fitokonana tsy hisakafo nokarakarain'ny Antokon'ny Fandrosoana Hazara (HDP) tao Quetta. Sary: Humayoun Behzad (@behzadjee)

Vahoaka mipetraka mivihivihy. maripana ambanin'ny zero amin'ny alina tao Quetta. Sary: Humayoun Behzad (@behzadjee)