- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Espaina, Jordania, Paortiogaly, Tonizia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada [1]” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà Grenada [2] i Muhammad XII [3](Mpanjaka Boabdil). Nahazo ny  saikanosy iberiana [4] ny kalifà (fiandrianan'ny mpanjaka Islamo) Omayyady tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-valo, ary nampitsahatra ny fanjakazakan'ny Islamika  ny firodanan'i Grenada tamin'izany andro izany, faritra  fantatra amin'ny anarana hoe  Al-Andalus [5] ao amin'ny tontolo Arabo .

Tamin'ity taona ity, nanapa-kevitra handefa sioka ireo Arabo sasany tao atsimon'ny Ranomasina Mediteranea [6] ho fahatsiarovana ny firodanan'ny Al-Andalus.

‏@taherofficial [7]: Mahatsiaro ny faha- 521 taona nitsingerenan'ny firodanan'i Al #Andalus izahay.

 

 

[8]

Sary nozarain'i @Al_Andalus_ mampiseho ny Mpanjaka Boabdil manolotra ireo fanalahidin'ny tanàna ho an'ny mpanjaka Ferdinand II ao Aragon sy ny Mpanjaka vavy Isabella I ao Castile

Nanararaotra nisioka momba ny sivilizasiona Islamika sy Arabo ireo mpiserasera marobe:

@adnan_hws [9]: Toy ny mitomany noho ny fahaverezam-panjakana ny fahatsiarovana an'i #Andalus, mba hangalana lesona tamin'ny hadisoantsika ka hananganana indray sivilizasiona manan-daza

@morabeteen [10]: الأندلس ليست بمكان ولا زمان, بل هي تجربة حضارية إنسانية لا مثيل لها استمرت تنير ظلمات العالم زهاء الثمانية قرون من الزمان..

@morabeteen [10]: Tsy toerana fotsiny i Al Andalus na toko amin'ny tantara, fa sivilizasiôna tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'ny olombelona izay nanohy nanazava izao tontolo izao nandritra ny taon-jato valo eo ho eo.

Nanome ohatra maro izay nentin'izany sivilizasiôna izany ny sasany:

‏@Nouh1919 [11]: Ao amin'ny teny Portiogey, maherin'ny 3000 ireo voambolana Arabo ary maherin'ny 1000 ny voambolana Arabo misahana ny fitsaboana sy ny shimia  amin'ny teny anglisy! #andalus

@mdamra [12]: Raha mbola revo anaty fotaka i London, nahitaa fanariam-pako voalohany teo amin'ny tantara i Córdoba, nisy ny fanangonana nataon'ny fiara sy ny fanadiovana ny lalana

Na izany aza, nanomboka ny adihevitra lehibe tao amin'ny Twitter. Nihevitra ny mpisera Twitter sasany fa manamarika ny fahaverezan'ny ampahany amin'ny tontolo Islamika izany andro izany

@HmdSaud [13]: Mihevitra ve ianao ry namana Espaniola fa adinonay izany

@AliElKhateeb [14]: Tamin'ny 2 Janoary 1492, nandao ny Emiràn'i Grenada (#Andalus ♥) ny Emir Muhammad, tsy ho adinonay avokoa ny tany rehetra nalaina tamin-kery tamin'ny Miozolomana.

@NadaMadridista [15]: Tamin'izany andro izany, ankoatran'ny andro rehetra, mampahatsiahy ireo izay novonoina sy nampjialian'ny fitsarana Espaniola izahay, taon-jato dimy lasa izay. #Moorish #Andalus

Namaly kosa ny hafa ary nilaza fa fibodoan-tany tsotra izao izany.

@samaralii [16]: اسمها عودة الاندلس لأهلها الإسبان بعد احتلال عربي، زي كده سينا رجعت كاملة لينا، بلاش تكيلوا بميكيالين

@samaralii [16]: Antsoina hoe fiverenan'i Al-Andalus eo amin'ny Espaniola izany taorian'ny fibodoan'ny Arabo azy. Mitovy tamin'ny nahazoanay [Ejiptiana] an'i Sinai [17] taorian'ny fibodoana azy izany. Ajanony ny fomba roa (double standard).

@MoudBarthez [18]: زعلان ان الأندلس راحت منك ؟ كان نفسك تفضل محتلها طول العمر ؟ علي كدا شباب بريطانيا لازم يتظاهر عشان يرجعوا يحتلوا مصر تأني

@MoudBarthez [18]: Malahelo ve ianao satria very i Al-Andalus? Tianao mba bodoina mandrakizay izy? Raha izany, tokony hanao fihetsiketsehana ny Britanika mba haka indray an'i Ejypta.

Mbola nisy ireo hafa nanipika fa tsy fibodoana izany:

@alaa [19]: حكم المسلمون الأندلس سبعة قرون لا يمكن ان يوصف بالاحتلال و لا معنى لتقييم حكمهم بمعايير اليوم اصلا.

@alaa [19]: Tsy tokony hosokajiana ho fibodoana mihitsy ny fitondrana Arabo tao Al-Andalus nandritra ny taon-jato fito. Ary tsy misy fomba hanombanana izany amin'ny masontsivana ankehitriny.

@SherifKhairy [20]: الناس اللي بتتكلم عن إن حضارة المسلمين في #الأندلس كانت احتلال زي احتلال الإنجليز مثلا، بالتأكيد مقرأوش كلمة عن ما حدث وقت دخولها وبعده

SherifKhairy [20]: Ireo izay miantso hoe fibodoana ny sivilizasiôna Miozolomana ao Al-Andalus, ary mampitaha izany amin'ny fibodoan'ny anglisy an'i Ejypta, dia tsy mba namaky teny momba izany vanim-potoanan'ny  tantara izany mihitsy

Mpiserasera iray namorona fampiharana amin'ny finday [21] mba hanamarihana ny fotoana, raha toa kosa ka ny roa hafa nanapa-kevitra hanala azy amin'ny adihevitra rehetra.  Niahiahy [Ar] [22] ity voalohany fa mety ho ratsy ny ekipa FC Barcelona noho ny ekipa mpanao baolina kitra Ejiptiana raha toa ka nanapa-kevitra hibodo indray an'i Al-Andalus ny Arabo. Raha toa kosa ny hafa, rehefa avy nijery ny toe-draharaha ao amin'ny tontolo Arabo androany, dia nanapa-kevitra fa “efa nanome fankasitrahana lehibe ho azy [23]ireo izahay [23]” tamin'ny tsy fanelingelenana azy.

Farany, tsy nanakana ireo Ejyptiana tamin'ny fikarakarana fihetsiketsehana [24] milanja sora-baventy misy soratra  Espaniola hoe, “No hemos olvidado” [Tsy adinonay] sy hoe “Volvera por supuesto” [Tsy maintsy hiverina izahay”].