Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 18 Janoary 2013

Maherin'ny 80 Ireo Namoy Ny Ainy Tao Amin'ny Anjerimanontolon'i Aleppo Ao Syria

@SyriaCampaigns nisioka hoe: Eritrereto ity: Eo am-panaovana fanadinana ianao & mijery ora ka 15 minitra sisa. Tampoka teo nahare fipoahana ianao. Vita. #AleppoUniversity Nitiranga izany tamin'ny 15 Janoary 2013. Andro voalohany tamin'ny fanadinana raha namely ny faritry ny anjerimanontolon'i Aleppo ny ady ao Syria, olona 80 mahery no namoy ny ainy...

SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny...

Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?

Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà Grenada i Muhammad XII (Mpanjaka Boabdil). Nahazo ny  saikanosy iberiana ny kalifà (fiandrianan'ny mpanjaka Islamo) Omayyady tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-valo, ary nampitsahatra ny...

2012: Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay – Fizarana Faharoa

Hotohizantsika asiana fizarana faharoa ny Tamberin'ny 2012 ho an'ny firenena mpiteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Raha nifototra tamin'ny fikomiana mitam-piadiana sy ny tetikasam-piaraha-monina mifandraika amin'ny krizy ara-toekarena ny fizarana voalohany tamin'ny tamberin'ny taona 2012 (izay hitanao ihany koa  ato) [mg] , ny fizarana faharoa kosa miompana amin'ny fikomiana sivily...