- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?

Sokajy: Afrika Mainty, Frantsa, Madagasikara, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana
Andry Rajoelina annonce candidature [1]

Andry Rajoelina ao amin'ny  wikipédia. License Creative Commons 3.0

Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà [2] izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012 [3], hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe hotontosaina araka ny fotoana efa niomanana ny datim-pifidianana. Maro ny mpanara-baovao no tsy dia matoky loatra amin'ny fanatanterahana ny fifidianana raha jerena avy amin'ny fanambaran-dRajoelina amin'ny fomba tiany hanatontosana ny fifidianana.

Efa-taona nisian'ny krizy sy ny fivadibadihan-delan'ny mpitarika politika, dia manontany tena ny mpanara-baovao raha tsy atahorana izao fivadihan-kevitra izao.

Anisan'ny be ahiahy [4] [en] i Andry :

Are we really sure that he will sit and admire the landscape? Even if he made an official declaration to the nation, to all Malagasy people, what guarantee do we have that he will keep his words? It is not the first time that he denied his own signature

Mahazo matoky ve isika fa hipetraka tsara sy hijery fotsiny izy ? Na dia efa nanao fanambarana ofisialy tamin'ny firenena teo imason'ny Malagasy iray manontolo aza izy, inona no antoka fa hitana ny teniny izy ? Tsy vao indray mandeha no efa nitsipaka izay nosoniaviny izy.

Maurice Beranto, iray amin'ny kandidà ho filoham-pirenena, manontany toy izany ihany koa ao amin'ny bilaoginy [5] :

Beaucoup d’entre nous, et moi en premier, se sont toujours demandé pourquoi autant de tergiversations face à une évidence. Comment pouvait-on effectivement imaginer que le président de la transition  pouvait se présenter à une élection qui va sceller la fin de la transition qu’il préside ? [..] En second lieu, en estimant que les législatives devraient être organisées avant la présidentielle, Rajoelina montre qu’il n’a pas pris cette déclaration de non participation à la présidentielle de gaité de cœur. Au lieu de calmer le jeu définitivement,  il va continuer à mettre de l’huile sur le feu..

Maro amintsika, izaho no voalohany, no mbola manontany hoe nahoana no mbola feno fisalasalana ihany na dia efa miatrika zavatra miharihary aza. Ahoana tokoa moa no ahafaha-mieritreritra fa afa-mirotsaka hofidiana amina fifidianana izay hamaranana ny tetezamita izay tantaniny ny filohan'ny tetezamita? [..] Faharoa manaraka izany, amin'ny fiheverana fa ny fifidianana depiote no tokony hotontosaina alohan'ny fifidianana filoham-pirenena, dia asehon-dRajoelina fa tsy tamim-tsitrapo no nanaovana ny fanambarana tsy hirotsaka ho filoham-pirenena. Raha tokony hampitony tanteraka ny lalao izy dia mbola hanampy trotraka ihany..

Manontany ihany koa Rabelazao [6] raha toia ka tsy misy tanjona hafa ao ambadiky ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena nefa efa notapahin'ny Vaomieram-Pirenena Mahaleo Tena Misahana Ny Fifidianana Mandritra ny Tetezamita CENI-T [7] ny datim-pifidianana. Toy izao no nosoratany tao amin'ny twitter [mg]:

@Rabelazao [8]@harinjaka [9] kajy ankandrina daholo izany e! tsy hilatsaka ho fidiana ho prezida aho, de ahemotra aloha ny fifidianana prezida. fetsepr

Lasa lavitra kokoa i Jack amin'ny famakafakana ny antony nahatonga an-dRajoelina mikiry ny hanatontosana ny solombavambahoaka mialoha ny filoham-pirenena [10]:

Si il réussi à faire passer les législatives en premier, et toujours président de la transition, celles-ci se dérouleront de la même façon que le référendum. Le TGV sera majoritaire et une session parlementaire exceptionnelle transformera dans les 8 jours la constitution en semi-présidentielle. Il sera désigné premier ministre.

Raha mahavita mandefa mialoha ny fifidianana solombavambahoaka izy, nefa mbola filohan'ny tetezamita, dia hitovy amin'ny referandaoma ny ho fizotrany. Ho maro an'isa ny TGV ka ao anatin'ny fotoam-pivoriana maningana manokana no hanovany ao anatin'ny valo andro ny lalampanorenana ho manamafy amin'ny ampahany ny fahefan'ny filoham-pirenena. Hotendrena ho Praiminisitra izy.

Namaly izan petra-kevitra izany Rajoelina nandritra ny tafatafa nifanaovana tamin'ny RFI, izay nampahatsiahy ny tranga toy izany tamin'ny V. Putin tany Rosia. Indro ny sombin'izany tafatafa nifanaovana tamin'i Christophe Boisbouvier [11] izany:

CB: Vous vous posez en homme d’Etat. Y a-t-il un homme dont vous vous êtes peut-être inspiré, avant de faire votre choix ?

AR: Il y a deux personnes, effectivement. Un homme qui a beaucoup souffert, mais qui a gagné son combat : Nelson Mandela. Et puis, du côté européen, pourquoi pas, je ne serais pas le de Gaulle malgache?

Que retenez-vous, justement, de de Gaulle ?

Prendre une décision de se retirer au moment voulu. Mais le peuple s’en souviendra. Et c’est le peuple même qui réclamera celui qui doit diriger son pays, au moment voulu.

[..] Est-ce que vous envisagez un scénario à la Poutine ? Votre candidat est élu, vous devenez son Premier ministre et vous revenez en 2018 ? 

Aujourd’hui, on n’a pas encore mis sur table de stratégie.

Donc, vous n’excluez pas ce scénario à la Poutine ?

Nous allons voir. Mais vous en serez beaucoup plus dans quelques semaines.

CB: Mametraka ny tenanao ho Olom-Panjakana ianao. Misy olona izay nakanao tahaka ve nialoha ny nanaovanao ny safidinao ?

AR: Misy olona roa tokoa. Olona iray niaritra ny mafy tokoa saingy nandresy tamin'ny adiny : Nelson Mandela. Ary raha eo amin'ny lafiny Eoropeana indray, inona ny antony tsy ametrahana ahy ho de Gaulle malagasy?

Fa inona tokoa no noraisinao avy amin'i de Gaulle ?

Naka fanapahan-kevitra tamin'ny fotoana nilàna izany. Fa hahatsiaro ny vahoaka. Ka ny vahoaka ihany no hiantso izay tokony hitondra ny firenena, amin'ny fotoana ilàna izany.

[..] Mieritreritra toy ny tranga tamin'i Putin ve ianao ? Lany ny kandidànao, dia lasa Praiminisitra ianao ka hiverina amin'ny 2018 ? 

Tsy mbola misy tetipanorona napetraka amin'izao fotoana izao.

Izany hoe tsy eriteretinao ny tahaka ny an'i Putin ?

Mbola ho hitantsika. hahalala bebe kokoa ianao ao anatin'ny herinandro vitsivitsy.

Patrick ao amin'ny Madagascar Tribune mamoaka amin'ny antsipirihany ny fisalasalana mialoha io fanambarana io ary manazava fa ny raharaham-pitsarana mety hiandry an-dRajoelina no nanosika ity farany hihemotra tsy ho kandidà [12]:

Le plus difficile avait bel et bien été obtenu avec le désistement de Marc Ravalomanana, car celui-ci avait toujours semblé plus rétif que son rival sur ce point. Toute résistance semblait désormais futile : au cas où la perspective de sanctions financières contre Madagascar n’avait pas été suffisamment dissuasive, il aurait par exemple suffi à la Justice française de se déclarer compétente vis-à-vis d’une plainte déposée en France par un binational franco-malgache pour mettre Andry Rajoelina et ses proches dans un sérieux embarras

Ny dingana sarotra indrindra efa azo dia ny fijanonan'i Marc Ravalomanana, satria izy no nihenahena kokoa noho ny mpifanandrina aminy eo amin'ity teboka ity. Efa lasa tsy misy dikany intsony izay fikirizana rehetra atao : raha toa ka mbola tsy naharesy lahatra loatra ny sazy ara-bola natao tamin'i Madagasikara, dia ny faneken'ny Fitsarana Frantsay fitoriana napetraka any Frantsa avy amin'olona iray mizaka ny zom-pirenena Malagasy sy Frantsay ho azo raisina ohatra no hametraka an'i Andry Rajoelina sy ny namany ho sahiran-kevitra.

Na ho inona na ho inona fivadihan-draharaha amin'ity taona 2013 izay ho feno tsy ampoizina ity, mbola ho be ny asa miandry kandidà maro sisa ambiny. Eo ankilan'ny fepetra nirìn-dRajoelina amin'ny fanatontosana ny fifidianana, dia mbola maro ny sakana mihatra amin'ny fanantanterahana ny fifidianana, tahaka ny vola ikarakaràna ny fanomanana. Nomarihan'ny tatitra iray fa “13 tapitrisa dollars [13] ny vola mbola tadiavina hikarakarana ny fifidianana”. Nefa nanampy ny CENI-T fa [14] :

Le Ministère des Finances et du Budget a octroyé 3 milliards d’ariary de plus à la CENI-T la semaine dernière. Ces fonds feront partie du budget de fonctionnement interne de l’institution indépendante. L’Etat reste la principale source de financement pour le bon déroulement des activités dans le processus électoral

Nanome vola 3 miliara ariary fanampiny ho an'ny CENI-T ny minisiteran'ny Vola sy ny Tetibola. Ho tafiditra ao anatin'ny fampandehanan-draharahan'ny birao mahaleo tena io vola io. Ny Fanjakana no mitoetra ho loharanombola voalohany amin'ny raharaha fanatontosana ny fifidianana.

Mbola henjana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Mahataitra [15] ny tatitra farany nataon'ny Banky Mondialy momba ny fahantrana eto Madagasikara :

Selon ses prévisions, la pauvreté frapperait 84% de la population de Madagascar en 2013. En 2010, 77% des 20 millions d'habitants survivaient dans des conditions de vie difficile, avec 0,78 euro par jour [..] Chômage, inflation, baisse du pouvoir d'achat des ménages, tous les voyants sont au rouge.

Araka ny tatitra, hahatratra ny 84%n'ny mponina eto Madagasikara ny fahantrana amin'ny 2013. Tamin'ny 2010 dia ny 77%n'ny 20 tapitrisa no miavo-tena sahirana amin'ny vola raisina 0,78 euro isan'andro [..] [Mirehitra ny jiro menan'ny] tsy fisian'asa, ny sondro-bidim-piainana, fihenan'ny fahafaha-mividin'ny isan-tokantrano.