- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Andrefana, Frantsa, Kanadà, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra  #SiMonFilsEstGay [1]. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy. Tena faran'izay mahery setra ny fanehoan-kevitra sasany :

@Jow_Breezy_Pgn: [2]#SiMonFilsEstGay [1] asaiko pehan'ny soavaly lery dia sesehana sira be!!

 

@Trapsneymo [3]#SiMonFilsEstGay [1] na tapahako ny tendany, na lery atsipiko ao amin'ny reniranon'ny Seine, na ariako any aminà fiantsonan'ny fiarandalamby faran'izay lavitra tena lavitra be any lery

Ary nibitsika i ‏@Kenny_koms [4]hoe:

@Kenny_koms: [5] #SiMonFilsEstGay [1] entiko any amin'ny firaisana dia tonga dia ovaiko  avy hatrany ny anarany

Mazava loatra, voaresaka matetika ny adihevitra mikasika ny fanambadian'ireo  olona mitovy, izay mampizarazara hevitra an'i Frantsa.

‏@Cardinaurelien [6]mpikatroka iray ao amin'ny UMP nilaza hoe :

@Cardinalaurelien: [7] #simonfilsestgay [8] antenaiko ny tsy hahafahan'i lery manam-bady! #manifpourtous [9]

Tamin'ny faran'ny tolakandro, napetrak'ilay onjam-pankahalàna ho eny amin'ny laharana voalohan'ireo lohahevitra resahana betsaka ilay tenifototra. Tsy ela ihany koa dia nipoitra ireo fanehoan-kevitra manohitra, miaraka aminà bitsika marobe manameloka ireo fomba fiteny mankahala ny olona mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady :

[1]

dikasary avy amin'ny fàfana iray tao amin'ny twitter #Simonfilsestgay

‏”@matfouf [10]: Ireo mpankahala mampiasa ny tenifototra #SiMonFilsEstGay [1], mampalahelo. Aza adino fa natao ho an'ny daholo be ny Twitter ary azo enjehana saziana ny bitsika alefanareo.

 

‏”@ErwanSands:  [11]#SiMonFilsEstGay [1] Tena faran'izay tretrika aho sahala amin'ny hoe manambady vehivavy ihany lery ! Tsy manova ny maha-izy ny olona iray ny resaka fironana ara-pananahany ! #NB [12]

Ary maro ireo nanandrana nanaitra ny Twitter mba hibahana ilay tenifototra:

” @MOMIETTKM: [13] @twitter [14] azo atao ve ny mibahana io tenifototra manavakavaka sy feno fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena io azfd #SiMonFilsEstGay [1] . Mba misy fetrany ihany ny fahalalahana maneho hevitra !”

@thomas_gardize [15], mpianatra filaozofia aza, dia nanandrana mihitsy namoaka sata maromaro mifanohitra, mba hitsapàna ny fahatsapan'ny olona.
Nambarany aloha ny hoe :

@thomas_gardize [16]#SiMonFilsEstGay [1] TT loharanom-pifandirana. Handefa bitsika amin'ny zotra roa aho raha izany mba hahitako ireo fanehoan-kevitra mifanohitra.

narahany hoe :

@thomas_gardize #SiMonFilsEstGay [17] hodorako eo ambony kitay.

Ary avy eo :

@thomas_gardize [18]:  #SiMonFilsEstGay [1] Ho reharehako izy.

Mampahatsiahy ilay onjam-pankahalana jiosy teo amin'io tambajotra sosialy io ilay zava-nitranga, ny tenifototra #UnBonJuif tamin'ny Oktobra 2012 no resaka tamin'izany, izay niteraka ihany koa teny mahery .

Betsaka ireo mpampiasa no nijery izay ifandraisan'ireo, toa an'i @epelboin izay manamarika hoe :

@epelboin:  #SiMonFilsEstGay [19] no #UnBonJuif [20] amin'ny endrika vaovao? Frantsa mahonena :(“

Farany, aoka hampahatsiahivintsika fa ao Frantsa, voasazy lamandy sy famonjàna ny fanaovana teny miaro fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena. Ary misy resaka fanentanana ny olona ho amin'ny herisetra ihany koa ilay izy. Izany angamba  no nahatonga ny hoe tamin'ny fiafaran'iny andro iny, marobe ireo bitsika mifandraika tamin'izy ity no toa nofafan'ny tompony.