Oganda: Manoloana Ireo Sakana, Tontosa Ihany Ilay Gay Pride Voalohany Natao Tany Entebbe

Voakorontana  nandritra ny taona maro ny  vondrona LGBT any Oganda. Izay no nahatonga ny fankasitrahan'izao tontolo izao ny Gay Pride voalohany (Diabem-pireharehana) natao tamin'ny 4 Aogositra tany Entebbe.

Ny LGBT Pride dia andianà lanonana natao tany Entebbe, isan'izany ny fiaraha-mikorana, ny filatroana amoron-dranomasina ary ny fetiben'ny sarimihetsika. Maurice Tomlinson, Jamaikana LGBT mpikatroka mafàna fo no voatendry ho mpandrindra (ho toy ny ben'ny tanàna) ny lanonana. Na dia eo aza ny fanilikilihana ireo olona mitovy nefa mifanambady avy amin'ny mpanao politika Ogande sy ny ampahany amin'ny vahoaka, dia nahasarika olona betsaka ilay lanonana. Nianaovan'ny mpitandro filaminana Ogande bemidina ny tao amin'ny lanonana ary nosamborina ireo mpikambana LGBT izay efa navotsotra taty aoriana.

Tamin'ny 14 Oktobra 2009, David Bahati , Mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta, dia nanolotra volavolan-dalàna manohitra ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana (fantatra amin'ny hoe volavolan-dalàna ” Kill the Gays” na “Vonoy ny Gay”) manameloka ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana (homosexuel), ka amin'izany izay olona heverina fa homosexuel dia mety ho  voaheloka ho faty na migadra mandra-pahafatiny. Vokatry ny hatezeran'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena , miaraka amin'ny  firenena Tandrefana sasany toa an'i Soeda izay mihevitra ny hanapaka ny fanampiana ara-bola , dia nahitàna fahataràna ny fandaniana ilay volavolan-dalàna. Na izany aza, ny volana Febroary 2012, dia nametraka ilay volavolan-dalàna nasiam-panovàna indray i Bahati.

Nanolotra fiaraha-miasa iray teo amin'ireo vondrona Ogande mpiaro ny zo niaraka tamin'ilay nahazo ny Lokan'ny Fiarovana ny Zon'Olombelona tao Oganda 2011 ny Sekreteram-panjakana Amerikana, Hillary Clinton, tamin'ny fiandohan'ity volana ity (Desambra 2012). Nantsoiny hoe aingam-panahy ho an'ireo miady ho an'ny fitovian-jo maneran-tany ireo mpikatroka mafàna fo ireo.

Sary avy amin'i David Robinson© 2012 c/o Melanie Nathan, Tsy Azo Adika. Alàlana tokana no ahazoana mampiasa ity sary ity dia avy amin'ny Global Voices irery ihany.

Ho fanehoana hevitra amin'ny tatitra nataon'i Dan Littauer momba ny hetsika Pride tany Entebbe ao amin'ny Gay star New, dia nanoratra i Andyy hoe :

Isaky ny dingana iray ataontsika dia manova tanteraka ny hoavin'ireo maro mbola be lavitra noho ireo efa miaina ankehitriny. Ny fahendren'ny resaka LGBTQ-ntsika dia efa fandresena sahady amin'ireo mifatotra sy mifikitra amin'ny tsy fahalalàna lalina nentin-drazana, izay toa mbola manaraka foana. Ny fahavelomana sy ny fahafatesana no antom-pisian'ny dingana tsirairay ataontsika. Www.100stones.wordpress.com

Naneho hevitra tamin'ny lahatsoratry ny GayStarNews, dia izao no lazain'i Darren Simpson :

Tena mirehareha amin'ireo olona izay tsy miala amin'izay inoany aho, ny ho tonga gay dia tsy safidy fa fomba fiaina ary arakaraky ny fijoroan'ny fikambanan'ny gay any Oganda amin'ny fitakiana dia ho avy ny andro izay hijoroan'ny olona hihaino azy ireo. Amin'ny maha-gay ahy, dia mirehareha ny aminareo rehetra aho izay niray sy nifanohana ary tsy nampaninona anareo na dia hahatonga anareo any am-ponja aza izany. Efa natombokareo io dia ho azonareo tohizana indray.

Valin'ny  lahatsoratra iray nosoratan'i tao amin'ny  newyorker.com, dia nanoratra i melnathan :

Tsy azo tsinontsinoavina ny havesa-danjan'iny Pride iny. Ny fahasahian'ireo mafàna fo sahisahy ireo mivoaka amin'ny antoandro amin'ity tontolon'ny fanenjehana ity dia fandresena goavana ho an'ilay vondrom-piarahamonina. Ny fahitana ny tahaka izao no manamarika ny lova navelan'i David Kato, mankahatra ny fankahalàna nentin'ny fivavahana Ara-Pilazantsara Amerikana io sady manampy amin'ny tsy hahatanterahan'ny volavolan-dalànan'i Bahati. Mampiseho ny maha-mpitarika manerana an'i Afrika izany, ary ambonin'izany rehetra izany dia mampiseho fa ny olona ao anatin'ny LGBT any Oganda dia tsy manaiky ny hamela ny zony hisy sy hiaina ny fiainana ara-pananahana voa-janaharin'izy ireo hatrany am-pahaterahany. Jereo any amin'ny The Advocate  http://www.advocate.com/arts-entertainment/commentary/2012/08/08/see-photos-ugandans-both-proud-and-brave ny sary fanampiny sy ny lahatsoratra.

Rolling Stone "100 Pictures of Uganda's Top Homos Leak: Hang Them"

Ohatra iray amin'ny fankahalàn'ny haino aman-jery ny fiarahan'ny mitovy fitaovam-pananahana any Oganda :  famoahana ny sarin'ireo Homos 100 voalohany any Oganda tao amin'ny Rolling Stone. Sary avy amin'ny Gay Uganda.

Izao no lazain'i kasia_r, ao amin'ny fanehoan-kevitra amin’io tantara iray io :

Ry ALexis malala, teratany tsotra avy any Eoropa Atsinanana aho, nefa te-hahazo vaovao ny amin'ny fomba ahazahoako manampy ara-bola na dia kely fotsiny ihany aza (saingy indrisy, tsy afaka manao betsaka aho). Miangavy, mba ampahafantaro ahy, inona no azoko atao. Ho sambatra kokoa noho ny aminareo aho raha toa ka omenareo ahy izay azoko ifandraisana amin'ireo Ogande mafàna fo namanareo. Tsy mpanao gazety aho, fa mba tena liana fotsiny ary te-hametraka fanontaniana vitsivitsy sy hiresaka amin'izy ireo,  raha azo atao. Tsy fantatro, raha afaka mandefa Hafatra manokana ho ahy ianareo, nefa na dia izany aza, inty ny mailaka-ko : rogalewicz@gmail.com, mbà mifandraisa amiko, raha azonareo atao.

Naneho ny fiderany sy ny fanohanany ny fahavitrihana ary ny fahasahiana  nasehon'ireo Ogande Gay mafàna fo ireo mpampiasa Twitter eran-tany:

@GoodMenProject: Derao ireo olona izay nanao ny diaben'ny fireharehana tany Oganda. Tena heloka goavana ny fiarahan'ireo olona mitovy taovam-pananahana.Tena mahafinaritra ny fahasahian-dry zareo . http://ht.ly/cTAHG

@Bardissimo: Tsy mbola nisy diabe  #Pride sahisahy sy feno fireherehana tahaka ity iray ity. Gay Pride tany #Uganda! http://www.facebook.com/photo.php?fbid=516051181754277&set=a.510412848984777.131622.122256581133741&type=3&theater

@AskMrMickey: Nampitolagaga ny nahita ireto olona marobe nanao diabem-pireharehan'ny Gay tany Oganda! ahoana no hanohanantsika azy ireo ? Fanangonam-bola ? Misy manan-kevitra ve ?

@JoeSetchell: Lehibe ny fanajàko ireo bandy izay nankahatra ny famonjàna eny fa hatramin'ny fahafatesana aza. #HatsOff #GayPride #Uganda. http://pic.twitter.com/W6TlkPkK

@NewYorker: “Azonareo an-tsaina ve fa nahazo ny anjara Gay Pride ho azy ny toerana ratsy indrindra eto amin'izao tontolo izao ho an'ny gay?” @alexis_ok anaty diabe iray ao Oganda: http://nyr.kr/Nxp0Fs

@PatrickStrud: Manaja sy mankasitraka tanteraka ireo vehivavy sy lehilahy nandray anjara tamin'iny gay pride voalohany tany Oganda iny aho : http://www.newyorker.com/online/blogs/newsdesk/2012/08/gay-and-proud-in-uganda.html#slide_ss_0=1

@JoeMyGod: Gay Ary Mirehareha any Oganda: Sarotra hinoana, saingy nisy hetsika kely gay pride natao tany Oganda tamin'ny faran'ity herinandro ity. Alex… http://bit.ly/OIGFfh

@ZackieAchmat: Kanto loatra! ” Tsy hita ho faritana, feno fahasahiana sady mampihetsi-po ilay diabe Gay Pride tany Oganda. http://pic.twitter.com/ZALQWEkq” Misaotra an'i @JRhodesPianist @dalli_weyers @gavinsilber

Tamin'ny 26 Janoary 2012, nisy namono David Kato mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'ny Gay Ogande, herinandro vitsy taorian'ny fandreseny tamin'ny fitoriany ny gazety iray ao an-toerana izay miantso ny Ogande ” hanantona” ireo mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady. Kato no manampahefana mpisolovava amin'ny vondrona mpiaro ny zon'ny gay Sexual Minorities Uganda .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.