Tantara tamin'ny 15 Janoary 2013
Vory Lanona Mamonjy ‘Fitroaran'ny Olom-pirenena’ Ireo Maleziana
Folo an'arivony ireo tonga namonjy ny ‘Himpunan Kebangkitan Rakyat’ (adika ara-bakiteny hoe Fitroaran'ny Fivoria'ny Olom-pirenena) ao Kuala Lumpur, Malezia ny andron'ny 12 Janoary 2013, izay nokarakarain'ny Firaisamben'ny Mpanohitra Pakatan Rakyat...
Nizeria: Notànana Noho ny Fangalàna Sary Nataony Ilay Mpisera Twitter

Nisahotaka tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana noho ny fisamborana an'i Egghead Odewole (@eggheader) noho izy naka sarinà milina mandeha amin'ny rivotra mbola eo am-panamboarana ao Kastina, Avaratr'i Nizeria. Niteraka korontana...
Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India
Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany izay niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy.
Oganda: Manoloana Ireo Sakana, Tontosa Ihany Ilay Gay Pride Voalohany Natao Tany Entebbe
Nisarika ny sain'izao tontolo izao i Oganda tamin'ny 2009 rehefa nanolotra ilay vvolavolan-dalàna " Kill the Gays" na "Vonoy ny Gay") manameloka ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana (homosexuel) ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, ary vao haingana ihany koa ,tamin'ny fiandohan'ity taona ity, rehefa nisy namono i David Kato, LGBT mpikatroka mafàna fo. Nefa tsy nahasakana ny LGBT tany Oganda tsy hanatontosa ilay Gay Pride voalohany tao amin'ny fireneny natao tany Entebbe izany tamin'ny fiandohan'ity volana ity.
Mihatakataka Amin'ilay Mpiantsehatra Mafana Fo Ara-politika Ny Tele Koreana Tatsimo
Nilaza ny mpiantsehatra iray anisan'ny be tabataba indrindra ao Korea Atsimo fa nanafoana ny fisehoany amin'ny fahitalavitra ny orinasam-pifandraisana roa taorian'ny nanohanany miharihary kandidà iray resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana
Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena