Olona 82 no namoy ny ainy nandritra ny daroka baomba namely faritra iray be mponina indrindra ahitana foko Miozolomana Shiita Hazara, tao an-tanàna Atsimo-Andrefan'i Quetta, tamin'ny 10 Janoary 2013.
Namoy ny ainy nandritra ny fanafihana faharoa i Irfan Khudi Ali, mpikatroka mazala momba ny zon'olombelona izay tsy sasatry ny nanasongadina ny fanenjehana ny Shiita Hazara ao Pakistan
Tao amin'ny Twitter, voalaza fa tafatsoaka tamin'ny daroka baomba voalohany tao Quetta i Ali:
@khudiali : #Quetta, andeha hody tany aminy i Ali rehefa tafala tamin'ny daroka baomba nahafatesana olona 11.
Maria Memon nisioka hoe:
Namoy ny ainy i Ali tamin'ny fipoahan'ny baomba faharoa androany alina. Mandria am-piadanana @khudiali RT @khudiali #Quetta, andeha hody izy rehefa tafala tamin'ny daroka baomba voalohany nahafatesana olona 11
Niteraka fanomezam-boninahitra ny tolona nataony ny famonoana azy ary nanavao [indray] ny fihetsiketsehana manohitra ny famonoana ireo Shiita ao Pakistana. Tatitra momba ny zava-nitranga tao an-toerana izay mikasika ny fandosiran'ireo Hazara ny fanenjehana azy ireo ny sioka farany nalefan'i Ali :
@khudiali Fianakaviana #Hazara #Machh,Khuzdir tsy naharitra noho ny vono olona miseho & nifindra toerana. Andro mampalahelo ho an'ny fahasamihafana ao #Balochistan.

Irfan Ali, nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny herisetra manavakavaka tao Islamabad, Septambra 2012. Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fikamban'ny Tanora Pakistaney.
Nanomboka tamin'ny taona 2001, ireo Miozolomana Shiita Hazara ao Quetta foana no kinendrin'ireo vondrona milisy. Vitsy an'isa eo anivon'ny vitsy an'isa, ny famonoana ireo Shiita Hazara no anisan'ireo tranga tsy misy mitantara mihitsy amin'ireo tranganà herisetra ao Pakistan
Nandrakitra ny famonoana ireo Shiita Hazara ao Pakistana ny Hazara.net, anisan'izany ny isan'ireo fanafihana sy ny isan'ireo olona namoy ny ainy hatramin'izao. Araka ny tarehimarika voalazan'ny habaka, Shiita Hazara 1100 no efa namoy ny ainy tao Pakistan nanomboka ny taona 1999.
Matetika miatrika ny fahatezeran'ireo Pakistaney ny fampahalalam-baovao rehefa tsy mampahafantatra na mitantara ny zava-nitranga tamin'ny fanafihana na raha mitantara aza izy ireo, dia voatsikera noho ny fampiasana teny “sekta” rehefa antokom-pinoana vitsy an'isa manokana no kinendry. Tamin'ny ezaka hidradradradrana ny zava-misy sy ny fanerena natao tamin'ireo tompon'andraikitry ny fampiharana ny lalàna sy ny governemanta, adihevitra mafana no niseho tao amin'ny media sosialy izay mikasika ny fikendrena hamono ireo Shiita, nampiasaina tamin'izany ny tenifahatra #shiakillings sy ny #shiagenocide tao amin'ny Twitter. Nampiasa ny media sosialy ireo mpikatroka Hazara taloha mba hisarika ny sain'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena hitantara sy hitatitra ny zava-misy.
Hoy koa ilay mpanao gazety hajaina Mohammad Hanif nanoratra:
@mohammedhanif: toa tahaka ny efa akaiky ny fankasitrahana eto, fa ny fiantsona ny fanafihana antokom-pivavahana, ho fanafihana antokom-pivavahana no tena anton'ny fanafihana antokom-pivavahana
@zainabimam: Tsara, Faisal Qureshi (mpilalao) tamin'ny seho maraina amin'ny antsipirihany mikasika ny fahitan'ny Shiita ny finoana. Sahisahy tokoa izy. Fisaorana avy aty amin'ny #Shia. #Pakistan
@adyadeel: Tokony hifarana ny #ShiaGenocide (fandripahana ny Shiita), tokony handray fepetra azo tsapain-tanana ny governemanta mba hanehoany fa te-hanavotra marina ny fiainan'ireo Shiita tsy manan-tsiny izy
Bilaogera Omar Biden nanoratra lahatsoratra fohy na fanomezam-boninahitra mampihetsi-po ho an'i Irfan Khudi Ali tao amin'ny bilaoginy:
Andro iray tamin'ireo andro marobe nihoson-drà ny omaly tao an-drenivohitr'i Balochistan, Quetta. Vao maraina dia efa nahare baomba nipoaka ny mponina tao an-tanàna, napetraka tao anatin'ny fiaran'ny Mpiandry Sisintany ao Bacha Khan Chowk ireo baomba. Olona 12 no namoy ny ainy vokatr'izany fipoahana izany. Niteraka korontana tanteraka teo amin'ireo mponina ny fandevenana ireo vatana mangatsiaka.
Tsy mandeha ao Pakistana ny fitsipika “leo”, eny fa na ao Quetta aza. Taorian'ny elanelan'ora fohy fotsiny, niatrika vono olona hafa indray ny tao amin'ny Làlana Alamdar, sisintany be mponina Shiita Hazara indrindra, mbola tetikady tahaka ilay fipoahana tamin'ny maraina ihany no nampiasaina tamin'izany. Saingy nanomana “Mardanawar” amim-pahasahiana kosa tamin'ity fotoana ity, fipoahana roa mitaky loza tsy hay adinoina (…)
Niteraka aina nafoy marobe izany loza feno habibiana izany. Ary anisany namoy ny ainy tamin'izany, ny namana mahafinaritra, mpikatroka ny zon'Olombelona –Irfan Ali Khudi.
Voalaza fa tonga tao Quetta i Irfan Ali Khudi, 33 taona mba “hampiofana ireo tanora mpikatroka momba ny filaminana ”.
Na dia mbola te hanoratra ny fihetseham-poko aza aho, tsy vitako intsony ny mamarana ity lahatsoratra ity…
Tsy vao voalohany amin'ny tranga tahaka izao ny andron'ny rà mandriaka ao Quetta, araka ny filazan'i Omar, ary mety tsy ho farany ihany koa. Nahatezitra ny maro ny tsy firaharahiana, indrindra hatramin'ny nanakanana ny fikambanana Sonita mahery fihetsika Lashkar-e-Jhangvi izay nanao ny fanafihana ka mbola tsy tratra hatramin'izao.
@sehartariq : Nahoana isika no mahatsiaro fiombonam-pò miaraka amin'ny Miozolomana ao Gaza fa tsy miaraka amin'ny Miozolomana ao #Pakistan izay iray tantara & iray tanindrazana aminay #shiagenocide
@zzzAsad : Ireo mpivahiny Shiita ao anaty fitatera-bahoaka matetika no tena kendren'ireo mpivavaka mahery fihetsika #LeJ #ShiaGenocide
@FahidJaved : Ianareo mpivaro-kena mpandatsa-drà #LeJ, vonoy aho #WeAreAllHazara. Hazara avokoa ny Pakistaney rehetra, izahay tsirairay avy. Firy no hovonoinareo? Firy ny bala anananareo?
@Naseer_Kakar : Vaovao farany tao #Quetta: nafindra any amin'ny hopitaly miaramila avokoa ireo niharam-boina rehetra satria niharan'ny fandrahonan'ny #LeJ tao amin'ny Hopitalim-bahoaka ireo mpitsabo.#Balochistan #blasts
@AhmadShuja : Mandria am-piadanana @khudiali. Nalatsak'izy ireo ny ainao, saingy mitoetra ny herim-ponao sy ny aingam-panahinao. #LeJ #Quetta
@ZakirChangezi : Nilaza momba an'i #KhudiAli “Maty ny vahoakako Shiita. Raha maty aho, te ho faty noho ny ezaka hanampy azy ireo”. #RIPKhudiAli
Nandà tsy handevina ireo havany maty ny fianakaviana ary nanambara fa hanohy hanao sit-in izy ireo raha tsy mandray andraikitra haingana manoloana ny vono-olona ny tafika. Mampiseho ireo Hazara an'arivony mipetraka anaty orana miaraka amin'ireo vatana mangatsiaka lavo nandritra ny daroka baomba tao Quetta ity sary narakitra tao amin'ny Twitter ity.
@ammar_faheem : Nikarakara sit-in tao amin'ny lalàna Almadar ireo mpanao fihetsiketsehana Shiita miaraka amin'ireo nofo mangatsiakan'ny martiora tamin'ny daroka baomba omaly #ShiaGenocide
@AdnanSarparrah : Mitohy ny Sit-in ataon'ireo fiarahamonina Shiita saingy tsy hamaha olana ny fanankinana an'i #Quetta amin'ny tafika, efa voafehin'ny tafika (FC) sahady tsinona i Quetta
Nandray anjara fitenenana tamin'ny hetsika Tedx tao an-tanànan'i Rawalpindi i Ali, herinandro vitsy lasa izay, jereo ato kabariny manana angovo.
Natokan'i Ali tamin'ny fanasongadinana ny mafy mahazo ireo Hazara ny ankamaroan'ny fiainany, ho an'ireo izay mahafantatra azy na ireo tsy mahafantatra azy, nanjary modelin'ny tolona ho amin'ny rariny ho an'ny Fiarahamonina Hazara ao Pakistan izy. Satria mbola mitohy ao anatin'ny hatsiaka sy ny orana ny sit-in , ary mandà handevina ny havany ireo fianakaviana, handray andraikitra ve ireo manampahefana mba hampitsahatra ny fandatsahan-drà? Hatreto, tokony ho ren-tany sy ren-danitra ny tantaran'i Ali.
1 hevitra