Tantara tamin'ny 14 Janoary 2013
Namoy ny Ainy Noho Ny Daroka Baomba Mikendry Ny Hazara Ilay Mpikatroka Pakistaney Khudi Ali
Olona 82 no namoy ny ainy nandritra ny daroka baomba namely faritra iray be mponina indrindra ahitana foko Miozolomana Shiita Hazara, tao an-tanàna Atsimo-Andrefan'i Quetta, tamin'ny 10 Janoary 2013. Namoy ny ainy nandritra...
Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy
Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo: les...
Sazy Henjana An-tranomaizina No Azon'ireo Bilaogera Vietnamiana “Mpanohitra”
Olona 14 no nosamborin'ireo manampahefana Vietnamiana rehefa avy nanatrika fampiofanana tao Bangkok izay nokarakarain'ny Antoko Reformista Vietnamiana na Viet Tan, satria voalaza fa nandray anjara tamin'ny “hetsika mikendry hanongam-panjakana.” Mpianatra...
Mampiakatra Ny Feo Ny Fanaovan-Tsonia Boky Tanaty Fahanginana Tao Shina
Tsy ela akory izay i Li Chengpeng, bilaogera iray sady tsy mataho-maso mena manao kiana ara-tsosialy, dia namoaka boky iray vaovao: Mahafantatra izao tontolo izao [zh]. Fantatra ihany koa amin'ny maha-mpikabary imasom-bahoaka mahay mandresy lahatra azy, nanao kabary iray sahisahy mikasika ny fahalalahana miteny i Li tamin'ny Novambra lasa teo tao amin'ny anjerimanontolon'i Beijing, sangany ao Shina. Raha kabary hafa no nandrasan'ireo mpanatrika tamin'ilay hetsika fanaovan-tsonia (dédicace) ny bokin'i Li tao an-tanànany ao Chengdu, faritanin'i Sichuan, Shina ny 12 Jan 2013, dia Li tsy niloa-bava sy misaron-tava no hitan'izy ireo. Nosivanina noraràna ny kabariny.