- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fisaonana Ety Anaty Aterineto Ho An'ireo 13 Mpila Ravinahitra Tao Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Fantatra amin'ny maha-tanànan'ireo mpila ravinahitra marobe azy i Manama, renivohitr'i Bahrain. Ireo tanàna faran'ny antitra indrindra ao Manana no toerana onenan'ireo mpiasa mpila ravinahitra kely fidiram-bola anatin'ireo tranon-drazana Barhainis, toerana izay mazàna itrangan-doza maro miteraka fahavoazana sy fahafatesana.

Nibitsika i @ManamaFebEN, kaonty Twitter iray nitatitra ireo tranga tamin'ny revolisiona Bahraini tao Manama hoe:

@ManamaFebEN [1]: Fahamaizana nahazo ny iray tamin'ireo trano tao akaikin'ny Matam Bin Saloom [trano fivavahana manan-tantara ho an'ireo Shiita] tao #Manama fotoana vitsy talohan'izao..

Fire in an expat workers house in Manama by @ManamaFebEN [1]

Afo tao amin'ny tranon'ireo mpiasa mpila ravinahitra tao Manama, nozarain'ì @ManamaFebEN tao amin'ny Twitter

Haingana be ny nihetsehan'ny polisy araka ny voalazan'ilay kaonty Twitter, nilazany fa minitra vitsy taorian'ny loza dia tonga teny an-toerana ireo polisy. Na izany aza, hafahafa be ihany ny fitondrantenan'izy ireo:

@ManamaFebEN [2]#Manama| novelesin'ireo mpikarama an'ady tamin'ny kibay ireo mpiasa mpila ravinahitra, noho izy ireo nitazatazana teo ..

 

Ora vitsy toarian'izay dia nibitsika ny Minisitry ny Raharaha Anatiny ao Bahrain:

@Moi_Bahrain [3]:Nirodana ny ampahany tamin'ilay trano may tao Mukharqa ary razana roa, Aziatika, no hita tao, raha iray tamin'ireo mpitandro filaminana kosa no naratra

 

Ora iray taoran'izay dia nampian-dry zareo hoe :

MOI_Bahrain [4]: razana 13 no hita tao amin'ilay tranobe misy rihana telo taorian'ny nahafehezana ny afo

 

Nisy fiantraikany teo amin'ny tontolon'ny tranonkala Barhaini ny vaovao tahaka izany. Nibitsika i Reem Khalifa, mpanao gazety hoe :

#Bahrain [5] نعزي اسر ضحايا حريق المنامة من العمالة الاسيوية

@Reem_Khalifa [6]: Manolotra ny fiaraha-miorinay amin'ny fianakavian'ireo mpiasa mpila ravinahitra niharan'ny haintrano tao Manama izahay

Abdulnabi Salman, mambran'ny parlemanta fahiny, dia nanakiana ireo ezaka natao hiarovana ireo mpiasa mpila ravinahitra kely fidiram-bola tamin'ny filazana hoe:

لا احدفي الجانب الرسمي والقطاع الخاص يعبأ بالاهتمام بالعمالة الفقيرة وتقع المسؤلية على دولها الاصلية لحمايتها عبر اشتراطات ملزمة #Bahrain [5]

@BuSalman1960 [7]: Tsy nisy olona na iray aza avy amin'ny manampahefana sivily, na fanjakana, mba miraharaha ireo mpiasa mahantra mpila ravinahitra ireo, an'ny firenen'izy ireo ny andraikitra fiarovana azy ireny amin'ireo fepetra tsizarizary.

Vavolombelona nahita maso ilay haintrano i Ahmed Habib, bilaogera. Nanoritsoritra ny toerana iray tao amin'ilay faritra izy:

العثور على ١٣ جثة بعد حريق في مبنى في المنامة مررت على المبنى وشاهدت حالة الحزن والبكاء لدى الآسيويين. تغمد الله ارواحهم #Bahrain [5]

@ahmdhabib [8]: Razana 13 no hita taorian'ilay haintrano tao Manama. Nandalo teo amin'ilay trano aho ary nahita ny endriky ny taraina sy ny tomany eny amin'ireo Aziatika mpiasa. Handry ampiadanana anie ny fanahin'izy ireo.

 

Jaffer Al-alawi, mpanoratra, dia nampitaha ity zava-doza ity tamin'ireo tranga tany aloha izay niteraka vokatra nitovy tahaka izao ihany :

١٣ آسيوي يقضون نحبهم في حريق بسكن عمال يعيد للذاكرة سيناريو ٢٠٠٦ وحريق مبنى القضيبية ولجان التحقيق وأشياء أخرى. الله يرحمهم. #BAHRAIIN [9]

@JustJa3far [10]: Aziatika 13 no tavela tamin'ilay haintrano iray nahazo ny tranon'ny mpiasa izay namerina indray ireo fahatsiarovana ny zava-nisy tamin'ny haintrano tao Qudhaibya [mpifanolo-bodirindrina amin'i Manama] ary ny fanadihadian'ny kaomitin-dry zareo sy zavatra hafa marobe. Andrimanitra o, mamindrà fo amin'ny fanahin'izy ireo.

 

Namoaka fanambaràna [11] iray ny minisitry ny atitany nilaza fa misy fanadihadiana iray hamaritana ny antony sy ny andraikitra. Nibitsika tranganà zava-doza iray nitranga iny andro iny ihany koa ilay bilaogera Chanad Bahraini, izay nanaitra ny saina mikasika ny toeran'ireo mpiasa mpila ravinahitra ao Bahrain, hoy izy :

@Chanadbh [12]#Bahrain [5]: Iny andro nahafaty mpiasa 13 mpila ravinahitra tanaty haintrano iny ihany dia Indiana iray hafa mpiasa mpila ravinahitra no namono tena  http://www.gulf-daily-news.com/NewsDetails.aspx?storyid=345412 … [13]