Tantara tamin'ny 12 Janoary 2013
Mpikatroka Kiorda Roa Miatrika Sazy Fanamelohana Ho Faty Ao Iran
Tanora mpikatroka Kiorda Iraniana roa, Zaniar (na Zanyar) sy i Loghman Moradi no fantatra fa ho alefa hahatona araka ny filazan'ireo tranokalam-baovao Iraniana marobe sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Voampanga ho...
Hisongona An'i Etazonia i Shina Amin'ny 2049?
ny tatitra iray navoakan'ny Akademia Shinoa Momba ny Siansa tamin'ny 8 Janoary 2013 dia miteny fa tahaka ny hisongona an'i Etazonia amin'ny sehatra rehetra i Shina amin'ny 2049, ary ho avy ny fiverenan'ny firenena Shinoa amin'ny fahatanorany. Niteraka eso mahatsikaiky tao amin'ny Sina Weibo ilay fanambaràna, nahitàna ireo mpisera ety anaty aterineto nikiaka ny hiatrehana ny tena olana ao Shina.
Ny Hasambarana Isan'Andro Isan'Andron'ireo Zokiolona
Fikambanana mpanatalenta portogey no niara-miasa mandravaka ireo famaritana ny mety atao hoe fahasambarana ho an'ireo zokiolona, natao endrika fanisanandro. Azo jerena ao amin'ny tranokala Felicidário ny fanisanandro an-tserasera.
Però: Voatsiratsira Indray I Wendy Sulca, Olo-malaza Amin'ny YouTube
“Miarahaba an'i Armando Esteban Quito [midika vinaninany hoe “manambatra dabilio”]… sy Jorge Nitales [jor-fitaovam-pananahana]… oroka be ho an'i Elsa Capunta [fandranitana pesilihazo]… mpankafy voalohany anareo avy aty Narnia izahay…”. Toy...
Miaro Tena Amin'ireo Fiampangàn'i Esperanza Aguirre Ny Kiobàna
Nilaza ny filohan'ny antokom-bahoaka (Partido Popular-PP) ao Madrid, Esperanza Aguirre, fa tsy nankato "fitsaràna tao Kioba izy, na endrika ahoana na ahoana." Nantsoiny hoe "fampijaliana" ny fotoana lanin'i Ángel Carromero, Sekretera lefitry ny Sampana Tanora ao amin'ny Antokom-bahoaka tany am-ponja, taorian'ny nanamelohana higadra tao La Havane noho ny "famonoana olona tsy niniana," tanaty lozam-pifamoivoizana izay nahafaty an'ireo Kiobana mpanohitra, Oswaldo Payá sy Harold Cepero. Mihetsika ny tontlon'ny bilaogy Kiobàna.
Niteraka Adihevitra Momba Ny Fanamelohana Ho Faty Tao Singapore Ilay Fanolanana Tao Delhi
Nentina tany Singapore hotsaboina ilay tanora niharan'ny fanolanana faobe tao Delhi, India saingy indrisy fa namoy ny ainy izy tamin'ny 28 Desambra. Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo Singaporeana marobe manoloana ny...