- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manjavona Ireo Toerana Mahaleotena Fijerena Horonantsary Tany Japana

Sokajy: Japana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Miala tsirairay eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ireo toerana mahaleotena fijerena horonantsary ao Japana. Anatin'ity lahatsoratra ity, hijery akaiky ny zava-misy any Tokyo isika, izay manana toerana fijerena horonantsary maro indrindra any Japana [1] [ja].

Tamin'ny 2011, toerana roa fijerena horonantsary no nakatona tany amin'ny faribohitr'i Shibuya any Tokyo. Tamin'ity taona ity, ny 29 Janoary, ny toerana fijerena horonantsary Ebisu Garden [2] [ja] ary ny 27 Janoary, ny ‘Cinesaison’ Shibuya [3] [ja] no nikatona. Hanaraka azy ireo ny Toerana fijerena horonantsarin'i Ginza [4] [ja] ny Mey 2013.

Any amin'ny faritr'i Asakusa, izay fonenan'ny Denkikan [5], toerana voatokana voalohany indrindra fijerena horonantsary tao Japana, natsangana teo amin'ny manodidina ny 1900 teo ary toerana manan-tantara eo amin'ny sarimiainan'i Japana, ireo toerana telo farany nentim-paharazana fijerena horonantsary, ny Asakusa-Meigaza [6] [ja], ny Asakusa-Chuei Gekijo [7] [ja] ary ny Asakusa-Shin Gekijo [8] [ja] dia voatery nakatona ny 21 Oktobra 2012.

Nanazava ny Vondron'orinasa Chuei [9] [ja] izay nampiodina ireo toerana telo fijerena horonantsary  ireo fa “ny fahasimban'ireo tranobe ireo” no nahatonga azy ireo nakatona.

Olona vitsy ihany no gaga tamin'izany vaovao izany:

@e_dynamic [10]
マジか・・・俺の青春が・・・ >>浅草から映画館が消える…中映劇場など5館が閉館へ 建物の老朽化のため http://headlines.yahoo.co.jp/hl?a=20120801-00000016-flix-movi …

@e_dynamic [10]
letie…ny andron'ny fahatanorako…>>Hanjavona ao Asakura ireo toerana fijerena horonantsary ireo…toerana 5 fijerena horonantsary no hakatona, isan'izany ireo Toerana fijerena horonantsary ao amin'ny Cyuei…noho ny fahasimban'ireo tranobe ireo http://…

@o_nagayoshi [11]
昭和2年築といえば重要文化財荷指定されている日本橋髙島屋よりも古い建物。
二重の意味で残念です。 >> 浅草から映画館が消える…5館が閉館へ
建物の老朽化のため http://headlines.yahoo.co.jp/hl?a=20120801-00000016-flix-movi …

@o_nagayoshi [11]
Mbola antitra noho ny Nihonbashi-Takashimaya [12] izay voasokajy ho iray amin'ireo trano koltoraly manan-danja indrindra, io Tranobe io, izay natsangana ny 1927. Mahonena koa izany amin'io lafin-javatra iray io.
>>Hanjavona ao Asakura ireo toerana 5 fijerena horonantsary … isan'izany ireo Toerana fijerena horonantsary ao amin'ny Cyuei…noho ny fahasimban'ireo tranobe ireo http://…

The downtown of Asakusa six street in Tokyo in 1937.Many theaters stood side by side and attracted crowds of people [13]

Ny Afovoan-tanànan'ny arabe fahaenin'i Asakusa any Tokyo tamin'ny 1937.
Toerana maro fijerena horonantsary no mifanila ary misarika olona marobe.
Nivoaka tamin'ny “Sekai Gaho” ny Desambra 1937 ny sary tena izy (Sehatry ny vahoaka)

Ny 24 Aprily 2012, nisy Japoney talen'ny famokarana horonantsary , Koji Wakamatsu [14], izay nindaosin'ny fahafatesana ny 17 Oktobra 2012, dia nandefa sosokevitra tao amin'ny Twitter momba ny rafitra famatsian'ny firenena ny haikanto sy ny kolontsaina, izay naverina nobitsihana im-5.927 ny 27 Novambra 2012:

@wakamatsu_koji [15]
若松孝二監督よりの提言:文化庁 [16]は映画製作に助成金を出す必要はない、製作に金を出してもろくな映画はできやしない。それより苦労しているミニシアターに助成金を出すべきだ。映画をいくら作ったってかける劇場がなければ始まらない! 拡散希望!!

@wakamatsu_koji [15]
Sosokevitra avy amin'ny Tale Wakamatsu : Tsy mila mamatsy ny famokarana horonantsary ny Masoivoho Misahana ny Raharahan-kolontsaina [17], izay hiafara amin'ny famokarana zara fa vita fotsiny ihany. Ankilan'izay dia tokony hanohana ireo toerana fijerena horonantsary madinika sahirana izy ireo. Tsy misy dikany ny famokarana horonantsary raha tsy misy toerana handefasana azy ireny! Miangavy anao hanamafy ny hafatro.

Mandritra izay fotoana izay, nitoraka bitsika i @Dol_Paula ho valin'ity fanontaniana manaraka ity tao amin'ny 2channel [18], sehatra fiadian-kevitra Japoney, “Inona no manakana anao tsy handeha any amin'ireo toerana fijerena horonantsary?”

@Dol_Paula [19]
入場料がまったく変わらないのに完全入れ替え制になったこと。半年後どころか公開三ヶ月でDVD化するから。カーズ2 [20]もうDVD化かとCM見てぶったまげたw??α:どうしてみんなは映画館に行かなくなったの?映画館に閉館の波 http://alfalfalfa.com/archives/4904904.html …

@Dol_Paula [19]
Satria tsy manan-kery afa-tsy ho anà seho iray ihany ny tapakila. Nisy fotoana tsy nampaninona ny nijanona sy nijery izany seho iray izany tamin'ny vidi-pidirana mitovy. Ary koa, ankehitriny efa misy ireo DVD azo raisina telo volana aorian'ny nandefasana azy tany amin'ireo teatra, fohy lavitra noho ny enim-bolana. Gaga aho raha nahita ny dokambarotra tao amin'ny TV nilaza ny fivoahan'ny dika DVD an'ny Cars 2 [21]

Mihevitra i @guitarkids2010 fa noho ny fahaverezan'ny hatsaran'ireo horonantsary izany:

@guitarkids2010 [22]
惜しい気もするが、名画座にかける名画なし、というのも事実。
無味乾燥なシネコンでテレビの拡大映像を見るだけのような大味な映画を見るのも時代の流れか。
→発祥の地からも… 浅草の3映画館が老朽化で閉館 http://www.asahi.com/culture/update/1021/TKY201210210248.html …

@guitarkids2010 [22]
Mahatsapa aho fa misedra fahaverezana goavana isika [noho ny fanjavonan'ireo teatra ireo], nefa mahatsapa ihany koa aho fa tsy misy horonantsary mendrika ny haseho any amin'ireo trano nentim-paharazana fijerena horonantsary ireo. Azo lazaina fa anatinà fironana araky ny vanim-potoana isika izay lasa mitaninandro fotsiny ny olona,  toerana fijerena horonantsary miaraka amin'ireo fàfana TV mivelatra be
→ teatra 3 no nakatona… na tany amin'ny toerana nahaterahan'ny sarimihetsika Japoney aza, noho ny fahanteran'ireo tranobe  http://www.asahi.com/culture/update/1021/TKY201210210248.html …

Cinepathos Ginza, which will be closed in May, on the right side in the photo, has the entrance in the underground restaurant area [23]

Ny fidirana mankao amin'ny Cinepathos Ginza [24] (hakatona amin'ny Mey) dia anatinà faritry ny trano fisakafoanana any ambany tany
Sary an'ny mpampiasa Flickr jun560 eo ambanin'ny CC BY-NC-ND 2.0

Nanova ny endrik'ireo araben'i Tokyo ny onjan'ny fanakatonana ireo toerana fijerena horonantsary. Very toerana ireo olona izay zatra miaraka sy mandany fotoana any amin'izy ireo.

Manahy ny momba ireo antitra mpankafy ireo trano nentim-paharazana fijerena horonantsary  i @IMAO_S.

@IMAO_S [25]
寂しいっすね・・・あそこにたむろしていたオジさん達とかどうするんだろう?
http://headlines.yahoo.co.jp/hl?a=20120801-00000016-flix-movi …

@IMAO_S [25]
Zavatra mampalahelo izany….Aiza no halehan'ireo lehilahy izay nifampitaona tany hatrizay?

Fanitsiana:Sahar Habib Ghazi [26]Keiko Tanaka [27]