Tantara tamin'ny 10 Janoary 2013
Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra
Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena...
Tsy Fahita Firy : Mpanao Gazety ao Shina Mitokona Manohitra Ny Sivana
Hotsaroana ho andron'ny fanalana baraka [sitraka] an'i Faran'ny Herinandro Tatsimo [Southern Weekend], gazety nitondra ny onjam-panitsiana eo amin'ny tantaran'ny fanaovan-gazety ao Shina ny andron'ny 6 Janoary 2013. Tokotokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany...
Manjavona Ireo Toerana Mahaleotena Fijerena Horonantsary Tany Japana
Miala tsirairay eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ireo toerana mahaleotena fijerena horonantsary ao Japana. Nanova ny endrik'ireo araben'i Tokyo ny onjan'ny fanakatonana ireo toerana fijerena horonantsary. Very toerana ireo olona izay zatra miaraka sy mandany fotoana tany amin'ireo teatra ntaolo ireo.
Koetiana Mpisera Twitter Voampanga Higadra Roa Taona Fa Hoe Nanompa ny Emira
Fito volana taorian'ny namoahana didim-pitsarana dimy taona an-tranomaizina noho ny fanompana ny Emiran'i Koety, dia mpisera Twitter iray hafa antsoina hoe Ayyad Al-Harbi no namoahana didim-pitsarana tamin'ny alatsinainy higadra roa...
Voasakana, Nalàna Sakana Ary Voasakana Indray ny YouTube Tany Pakistana
Taorian'ny telo volana nanakanan'ny governemanta ny YouTube, afaka niditra tao amin'ilay vohikala fizarana lahatsary ihany ireo Pakistaney ny 29 Desambra 2012. Nefa fohy ihany anefa ny faharetan'izany fitoniana izany.
Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria
Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.
Espaina: Mpisioka Twitter Nampanantsoina Tany Amin'ny Komisarià Fa Nanonona an'i Antonio Gramsci
[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy ny fiovana.] Voantso teny amin'ny borigadin'ny polisy misahana ny heloka ara-teknolojika ilay mpiserasera, sady mpikatroka ny hetsika...