- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina

Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan [1] tamin'ny 1 Janoary 2013 izy roa lahy ireo. [1] Saingy tamin'ny 4 Janoary 2013, nosamborina izy ireo taorian'ny fiampangana azy ho mitsabaka amin'ny ezaka ofisialy [2] famonjena ireo tra-doza. [2] Mohamed Diaby nanoratra tao amin'ny bilaoingy [3] [fr] manokana mikasika ny zava-nitranga  nahatonga ny fisamborana azy. Nanasongadina ny fahavotsàn'ny [4] [fr] sampandraharaham-panjakana ao Côte d'Ivoire d[fr] ny fitantarana nataony:

Qui était censé mettre en oeuvre le dispositif sécuritaire pour cette soirée ? Qui a pris le temps de créer les couloirs de dégagement nécessaires ? Y a-t’il eu anticipation sur les flux naturels de circulation des populations après les feux d’artifice ? Si déploiement massif des forces de sécurité il y a eu, quels sont les éléments affectés à la tâche et quel a été leur rôle avant, pendant et après les évènements ? Pourquoi le dispositif mis en place la veille qui a garanti une sécurité maximale pour le concert pour la paix n’a-t’il pas été conservé pour cette soirée qui prévoyait attirer beaucoup plus de monde ?

Iza no tokony hametraka fepetram-piarovana tamin'iny alina iny? Iza no mba nandany fotoana nahalala nametraka làlana hivoahana raha sendra misy ny loza? Nisy fitsinjovana ny fahamaroan'ny olona mivezivezy taorian'ny afomanga ve? Raha nisy ny fametrahana ireo mpitandro ny filaminana maro dia maro, iza ireo vondrona notendrena ho amin'ny raharaha ary inona ny anjara asan'izy ireo mialoha, mandritra sy taorian'ny lanonana? Efa fantatra fa hahasarika olona maro kokoa noho ny rindrakira ho amin'ny fandriampahalemana notontosaina omalin'iny ny lanonana koa nahoana no tsy notazonina hiandraiketana io alina io hiantohana hatramin'ny faratampony ny filaminana ireo fepetra napetraka omalin'iny?

Ity manaraka ity ny lahatsary misy ny resadresaka tamin'i Mohamed Diaby niaraka tamin'i AJ Stream [5]mikasika izay nitranga tamin'ny vinavinany, amin'ny teny anglisy ny resadresaka:

Efa tsy notànana vonjimaika intsony i Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou. Mbola nitohy ny [6]ezak'izy ireo hanampy ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana na dia efa vita aza ny fitazonana azy ireo.

Ity ny afisy milaza ny fomba hitadiavana sy hahitana ireo namana sy fianakaviana tsy hita nandritra ny fifanosehana:

[7]

Afisy nataon'ireo mpikatroka ivoariana mba hanampiana  ireo trà-doza tamin'ny fifanosehana tao Abidjan. Hoy ny voalaza: ” Mba hahitana ireo fianakaviana nanjavona nanomboka tamin'ny 31 Desambra taorian'ny fifanosehana tao Abidjan, antsoy ny +225 05346713 , sary avy amin'i @cyriacgbogou -valambahoaka

Raha nitangorona ireo vahoaka mba hijery afomanga nandritra ny fankalazana ny Taombaovao tao Abidjan, [8]fifanosehana nahafatesana olona [8] no nitranga izay namoizana aina maherin'ny 60 ary olona 49 hafa naratra . Fanintelony izao no nisy loza tahaka izany hatramin'ny taona 2009 [9] [fr] tao Côte d'Ivoire.

 

Vaovao Farany: Mihamazava kokoa ankehitriny ny anton'ny voina, araka ny nomarihana lehiben'ny fampanoavana. Notanisainy [10] [fr] ho nahatonga ny voina ny fahateren'ny lalana noho ny nametrahana fefy vy vonjimaika, ny fisian'ny vatan-kazo tamin'ny sisin-dalana sy ny tsy fisian'ny hazavana ary ny fomba nifehezana ny filaminana.