- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Banda, Filoha Zambiana Teo Aloha Miresaka Ny Fahareseny Tamin'ny Fifidianana 2011

Sokajy: Zambia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Nanambara ny Filoha Zambiana teo aloha Rupiah Banda, avy amin'ny antoko MMD, izay resin'ny filoha ankehitriny, Michael Sata avy ao amin'ny Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front (PF) tamin'ny fifidianana 2011 [1]fa tsy nanohitra ny valim-pifidianana izy satria tsy tiany hiatrika ady ny firenena, raha toa kosa ka nivonona tamin'izany ady izany ny mpifaandrina aminy.

[2]

Filoham-pirenena Zambiana Rupiah Banda. Sary avy amin'i Antonio Cruz/ABr, Creative Commons (CC BY-SA 2.5)

Nivoaka vao haingana ny lahatsary YouTube [3] ahitana resadresaka tao amin'ny Fahitalavitra Afrik Production nandritra ny fandalovan'ny filoha teo aloha tao amin'ny Oniversite Boston ao Etazonia tamin'ny taon-dasa. Tamin'ny resadresaka, hoy Andriamatoa Banda:

[…] Teny am-piandohana, nazava tsara fa nilaza ny fanekeko ny valim-pifidianana aho. Eny, lazaiko fa angamba efa natoky tena ihany aho fa tokony handresy […] Raha tena nifanakaiky be (ny valim-pifidianana) angamba afaka notoheriko ihany saingy, fantatrao, fa efa tena niharatsy ny toe-draharaha tao amin'ny firenena. Ny mpifanandrina amiko, izay nandresy tamin'ny fifidianana, efa nilaza am-pahibemaso fa raha tsy mandresy izy ireo, dia hanambana ady ary handranitra antsy eny an-dalambe, ary toy izany ny fanombohan'ny toe-javatra. Tsy te ho isan'ny hahazo tsiny amin'ny fandatsahana ny ràn'ireo vahoaka zambiana aho.

Hoy ny vakin'ny fihetseham-po iray tamin'ny lahatsary navoakan'i katebebe1 [4]:

Rupiah, nifantoka izany ve ianao ary nihevitra izany tamin'ny fisehoanao imasom-bahoaka, mety ho voafidy indray ianao tamin'izany. Saingy ny fieboebon'ireo lefitrao no namaritra ny endrikao imasom-bahoaka. Omeko tsiny ireo tanan'ankavananao thaka ny anomezako tsiny anao.

Tao anatin'ny filaminana no nanoloran'Andriamatoa Banda ny fahefana [5] ho an'ny filoha vao voafidy Sata roa andro taorian'ny fifidianana 20 Septambra 2011 ary nanomboka hatreo no nanatontosany iraka iraisampirenena maro ka anisan'izany ny fandalovana fohy [6] tao amin'ny Oniversiten'i Boston, ao Etazonia izay nanatontosana ity resadresaka niarahana taminy hitantsika eto ambony ity.