- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatora: Mandà Tsy Hitokana Vala Famokarana Herinaratra Ahodin-drivotra Ny Filoha

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fampandrosoana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Siansa, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

[Mitondra mankamin'ny pejy miteny Espaniola ny rohy rehetra ato]

Ny tetikasan'i Ekoatora “Villonaco wind farm project” [1], na vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra, any amin'ny faritanin'i Loja, dia noraisina ho zava-mampiavaka ny governemantan'ny Filoha Rafael Correa Delgado, izy tenany rahateo mpahay toekarena. Etsy andaniny, ity no foto-drafitrasa famokarana herinaratra ahodin-drivotra avo toerana indrindra eran-tany, naorina any amin'ny 2.720 metatra miala amin'ny haavon'ny ranomasina.

Ny Alarobia 2 Janoary 2013, nandà tsy hanokatra amin'ny fomba ofisialy ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ny Filoha Correa, nanamarika hoe tsy tomombana ilay izy satria tsy misy arabe fidirana mankao amin'izy io. [2]

Para este presidente, acabar el proyecto, es tener una vía decente. Incluso es una falta de respeto llevar al presidente por una vía llena de baches, por eso el día de hoy no inauguré el proyecto Villonaco, lo cual me ha dado mucho dolor.

Ho an'ity filoha ity, ny tetikasa iray vita tanteraka dia izay misy fidirana araka ny tokony ho izy mankao. Ambonin'izany maneho tsy fanajàna ny filoha ilay izy amin'ny fitondràna azy aminà làlana be lavadavaka. Manahirana ho ahy ny milaza azy, nefa dia izay no antony tsy nitokanako ny tetikasa Villonaco androany.

ny vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra “Villonaco”. Sary avy amin'i franzpc [3], mpampiasa Flickr (CC BY-ND 2.0).

Ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra dia ahitàna hery mpihary 11 manana tanjaka mitontaly  16.5 MW rehefa atambatra, “sous-station” iray hampiakatra ny tanjaka hiala amin'ny 34.5 ho tonga 69 kilovolts, ary tambajotram-pitsinjarana iray izay mampifandray ilay “sous-station” ao Villonaco amin'ilay mitovy aminy ao Loja, izay ao anatin'ny tambajotran'herinaratry ny firenena ao Ekoatora.

Ny orinasa Shinoa “Xinjian Goldwind Science and Technology” no nanangana ny foto-drafitrasa ary hampihena ny fandefasana entona CO2 hatrany amin'ny 35.270 taonina isan-taona. Io dia hanena ihany koa ny fanafàrana solika mavesatra, solika ilaina hanodinana ireo toby mpihary herinaratra ahodin-tsolika. Araka izay tsipihan'i Correa ao amin'ny tranonkalan'ny Ministeran'ny Fizahantany [4] ao Ekoatora, “Tadiavintsika ny hanana tahiry eo amin'ny 13 tapitrisa dolara amerikana eo isan-taona amin'ny resaka vidin-tsolika fotsiny.”

Ny orinasa mpamokatra herinaratra ao Ekoatora, CELEC, no mitantana ny foto-drafitrasa, miaraka aminà fampiasam-bola mitentina 36 tapitrisa dolara amerikana. Marolafy ny tombony, indrindra raha resaka tontolo iainana satria ilay tetikasa dia hampihena ny fandefasana entona misy poizina eny amin'ny rivotra iainana; raha lafiny toekarena, dia hiantoka ny 25% amin'ny filàna angovo isan-taona izy ity ao amin'ny faritanin'i Loja. Handrakotra koa ny 68,7% amin'ny tinady sahanin'ny  “Empresea Eléctrica Regional Sur” amin'izao fotoana izy ity, ilay orinasa izay manome angovo ny faritanin'i Loja, Zamora, ary ampahany amin'i Morona Santiago.

Tombontsoa fanampiny ny hoe izy ity ho afaka hiteraka asa ho an'ny 90%-n'ireo ao an-toerana, fampiasàna mivantana sy ankolaka ho an'olona 257 ary toerana ho anà 760 isan'isany. Mahabe fanantenana ihany koa ny haha-toerana mahasarika mpizahantany azy io, miaraka aminà foibe fanovozam-baovao misokatra ho an'ny mponina sy ny mpitsidika tonga avy lavitra.

Nandritra ny fitsidihany an'i Loja tamin'ny 2 Janoary, na izany aza, nolavin'ny filoha ny fotoana nahafahany nitokana ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ao Villonaco, tanatin'ireo tetikasa hafa, tamin'ny fanasokajiany azy io ho tsy tomombana noho ny toetoetrany tsizarizary sy ny tsy fisian'ny araba fidirana any. [2]

Me negué a inaugurar el proyecto eólico, porque no somos mediocres. No se hizo lo principal, una vía decente de entrada.

Laviko ny hitokana ilay tetikasa famokarana herinaratra ahodin-drivotra satria tsy mitapy akory isika. Tsy natolotsika ny tena zava-dehibe: fitaovana tsotra iray mba hidirana any.

Ho valin'io, betsaka tamin'ireo mponina ao Loja no naneho hevitra tao amin'ny Twitter.

Santiago Carpio R (‏@SantiagoCarpioR [5]) niteny hoe :

@SantiagoCarpioR [6]: Amigos periodistas, no se iba a inaugurar el Proyecto Eólico. Sólo era “La puesta en funcionamiento de UNA turbina”. Pilas no!

@SantiagoCarpioR [6]: ry namana mpanao gazety: tsy nandeha nitokana ny tetikasa vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ry zareo. Nanodina fotsiny ny vondrom-pihary IRAY ry zareo. Ezaho ho tsara fàhana hatrany ireny vatoaratra ireny!

Naida_Valarezo (‏@Naida_Valarezo [7]) namerina nibitsika ny hoe :

@Naida_Valarezo [8]: @NiloV107: @marcetorrespaz @GoberLoja “politica d gobierno es obras INTEGRALES. Parque #Eolico #Loja se inaugurará cuando este completo”

@Naida_Valarezo [8]: @NiloV107: @marcetorrespaz @GoberLoja “politikan'ny governemanta ny mitaky ASA LAVORARY. Vala #Eolico #Loja hotokanana rehefa vita tsara “

JOHANNA ORDOÑEZ ‏(@joaordonezceli [9]), mpanao gazety avy ao Loja, nibitsika ny alin'ny Alarobia 2 Janoary hoe :

@joaordonezceli [10]: Presidente Rafael Correa suspendió la puesta en operación del Parque Eolico, por no estar concluido el 100% faltan las vías de acceso

@joaordonezceli [10]: Nofoanan'ny Filoha Rafael Correa ny fandefasana ny vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra, satria tsy vita 100% ilay izy, tsy misy arabe fidirana mankao

Farany dia nomena baiko hanatsara ny arabe mankao ny governemantam-paritany tao Loja (GPL) .