Tantara tamin'ny 08 Janoary 2013
varotra Vehivavy Iraisampirenena : Foanana Sa Arindra Ny Fampanofàna Tena? – Ampahany voalohany-
ONG roanjato avy amin'ny faritr'i Eoropa manontolo no nihaona tao amin'ny Parlemanta Eoropeana tao Bruxelles ny 4 Desambra teo. Nandefa antso iray izy ireo hanafoanana ny fampanofàna tena sady nanolotra ireo faritra iasan'ny politika eoropeana iray ho fanafoanana. Ho an'ireo mpangataka fanafoanana, ny fanaovana ny fampanofàna tena ho toy ny heloka bevava no fanalahidy hanoherana ny famarotan'olona ho amin'ny fitrandrahana azy ireny amin'ny resaka filàna ara-nofo. Kanefa manerana an'i Eoropa sy izao tontolo izao, ireo matianina amin'ny resaka filan'ny nofo, frantsay na vahiny, dia maneho ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny fametrahana ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ity fampanofàna tena ity ho toy ny olona mpanao heloka bevava,takian-dry zareo ny zo ho afaka mandray fanapahan-kevitra samirery sy ny fanajàna ny zo fototr'izy ireo ary angatahany ny hametrahana sata iray matotra ho an'ny asany.
Banda, Filoha Zambiana Teo Aloha Miresaka Ny Fahareseny Tamin'ny Fifidianana 2011
Nanambara ny Filoha Zambiana teo aloha Rupiah Banda, avy amin'ny antoko MMD, izay resin'ny filoha ankehitriny, Michael Sata avy ao amin'ny Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front (PF) tamin'ny fifidianana 2011 fa...
Nitsoaka Tao Amin'ny Tafik'i Assad Aho Omaly
Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Resadresaka nifanaovan'i...
Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan
Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary...
Bangladesh: Jibon Tari – Hopitaly Mitsingevana Ho An'ny Sahirana
Hopitaly mitsingevana mitety ireo faritra lavitra manerana ny firenena ny Jibon Tari - mitondra ireo tolotra ara-pitsaboana ho an'ireo olona any amin'ny faritra mahantra izay raha tsy misy ny toy izany dia sarotra ho azy ny hahazo tohana ara-pitsaboana mora foana.
Ekoatora: Mandà Tsy Hitokana Vala Famokarana Herinaratra Ahodin-drivotra Ny Filoha
Nisafidy ny tsy hanaisotra ny voalin'ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ao Villonaco ny Filoha Ekoatoriana, izay heverina fa mbola tsy vita hatramin'ny farany. Manana ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Loja i Alison Martínez.