05 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 05 Janoary 2013

F&V Miaraka Amin'i Michel Kilo: Fanantenana Kely Hisian'ny Vahaolana Ao Syria

Iray amin'ireo Siriana mpanohitra manana ny lazany i Michel Kilo, mpanohitra ara-politika ny Filoha Bashar Al Assad. Niakatra ho amin'ny toeram-boninahiny izy tao anatin'ilay Lohataonan'i Damaskaosy, famirapiratan'ny fahalalahana maneho hevitra sy ara-politika nandritra ny fotoana fohy tamin'ny 2000. Nandao an'i Syria valo volana i Kilo tao anatin'ilay revolisiona ary monina miaraka amin'ny fianakaviany any Parisy ankehitriny. Namaly ireo fanontanian'ny Syria Deeply tamin'ny alàlan'ny Skype izy.