Tantara tamin'ny Desambra, 2012
Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!
Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena. Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa...
Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka
Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra]. Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany...
Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen
Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny polisin'ny filoha Abd Rabbuh misahana ny rotaka tamin-kery indray ny Diaben'ny Fiainana Faharoa tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ka vokatr'izany naratra...
Nakarin'ny Mpanohitra NPP Fitsarana ny Vali-Pifidianana Filoham-Pirenena ao Ghana
Tsy neken'ny NPP, antoko mpanohitra lehibe indrindra any Ghana, ny vali-Pifidianana Filoham-Pirenena. Nambaran'ny filohan'ny vaomieram-pifidianana ho mpandresy nahazo ampaham-bato 50,70% ny filoha Mahama. Nametraka fitoriana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Fitsarana Tampony ny mpisolovavan'ny NPP tamin'ny 28 Desambra 2012.
Goiana: Mitady Ny Rariny Ho An'ilay Vao 17 Taona Monja Tra-doza Noho ny TIfitra Nataon'ny Polisy
Androany [18 Septambra, 2012] no manamarika ny herinandro hatramin'ny nahafatesan'i Sahquille "Georgie" Grant, 17 taona, noho ny tifitra nataon'ny polisy teo amin'ny alokaloky ny Third Street, Agricola. Nanamafy ny polisy fa nisy nitifitra ka dia namaly tifitra tsotra fotsiny ry zareo - nefa ity fanambarana mikasika ny zava-nisy ity dia notoherin'ny vavolombelona iray tsy mitonona anarana.
Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter
Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana mampiseho an'i Makdissi nifandray taminy nandritra ny volana maromaro. Izany angamba, araka ny anarana nomen'ireo mpisera Twitter no atao hoe,...
Rivo-Doza Nandringana Ain'Olona Tany Filipina: “Nanidina Daholo ny Zavatra Rehetra. Tena Tsy Nampino.”
Mopera Joel Tabora namintina ny haben'ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ilay rivo-doza Pablo tany amin'ny faritra atsimon'i Filipina: "Toy ireny miditra aminà faritra misy ady ireny ny miditra ao amin'ny Monisipaly Compostela, akondro aminà hekitara sy hazo fihinam-boa maro no nidaboka. Tsy manan-kohanina ny olona any zao. Tsy misy rano madio. Tsy misy onjam-pifandraisana. Afaka roa volana raha kely indrindra vao andrandraina ho tafaverina ny herinaratra."
Nahatratra An'i Shina Tampoka Ny Hetsi-panoherana Tsy Mahazatra Any Pékin Entina Hanoherana Fiaran-dàlam-by Express
Nahatratra mpampiasa aterineto Sinoa maro ny hetsi-panoherana iray nentina hanoherana ny Làlam-by Express any afovoan-tànanan'i Pékin ny 9 Desambra. Mino ny sasany fa fambaranà fanovana politika lalina izany, raha mitana ny fofon'ainy kosa ny hafa ary mampifandray ny tànany.
Ny Fanavaozana ny Tafik'i Yemen nandrasana efa ela
Gaga sady faly ireo Yemenis omaly naheno ny momba ireo fanapahan-kevi-dehibe noraisin'ny Filoha Abd-Rabbu Mansour Hadi mba hanambatra ny tafika - ary hanala ireo havan'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, izay nitàna toerana ambony tamin'ny tafika sy ny fiarovana. Am-pitandremana ihany no hanehoan'ny mpampiasa aterineto hevitra, ary ny sasany manahy valifaty.
Miparitaka ny Lahatsary “Fetaka” nataon'ny Mpitandro Filaminana tany Bahrain
Roa taona lasa izay, nanomboka ilay antsoina hoe "Lohataona Arabo" rehefa nisy Toniziana mpitandro filaminana iray namelaka tovolahy tany Sidi Bouzid. Nihevitra ny olona fa ho foana vetivety ny tsindry hazolena ataon'ny mpitandro filaminana, nefa nisy lahatsary iray indray niparitaka tany Bahrain mba hanmpahatsiahy antsika fa mbola velona sy tomady tsara ireo mpitandro filaminam-panjakàna.