Aza Manasaritaka Ny Vehivavy Ejipsiana!

Maryanne Gabbani, Kanadiana nivoaka an-tanindrazana sady bilaogera, namoaka lahatsoratra bilaogy vaovao nitondra ny lohateny hoe “Aza Manasaritaka ny Vehivavy Ejipsiana” hanaovany fanamarihana tantara roa henony vao haingana, izay nitranga tao amin'ny tanàna kely onenany.

Nanomboka ny tantarany tamin'ny fijeriny ny vehivavy tao an-tanàna izy:

Feno fanajàna ny vehivavy eto amin'ny faritra onenako aho. Mikarakara ny fiompiana, ny fianakaviana, ny trano ao anaty fahasahiranana ry zareo nefa tsy hitanao tsy mitsiky, ary miarahaba sy mifandray tanana amin'ny hafa. Ry zareo no vitsìn'ny fianakaviany. Raha aty no faritra tena mpanaja ny nentin-drazana sy manana fandresen-dahatra matanjaka amin'ny fivavahany, misokatra ihany koa ireo vehivavy ireo ary loharanon'ny hehy sy hafaliana ho ahy, Kanadiana nahazo taona tsy mpandala nentin-drazana.

Noraisiny naoty ny tantara voalohany izay efa henony avy amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy maromaro, izay tsy manaiky ny fanjakazakan'ny Mpirahalahy Miozolomana, araka izao manaraka izao:

Nisy mpifanolo-bodirindrina amiko iray niteny tamiko hoe tamin'ny fahatongavan'ny fiara fitaterana hitatitra mpanao fihetsiketsehana ho any Heliopolis any amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena izay niteraka ra mandriaka roa herinandro lasa izay, nisy reny vitsy manodidina ahy nampafantatra ny zananilahy fa raha misy ny te-handray fiara fitaterana ho any an-tanàndehibe dia mahazo mandeha any fa tsy ilaina manelingelina miverina intsony.

Ny tantara manaraka dia momba ireo vondrona relijiozy kely, olona valo, izay nanapa-kevitry ny hanampy ireo olona tao an-toerana hitondra tena ho amin'ny “mety” kokoa. Niteny i Maryanne:

Tahaka ny hoe nisy vondrona Takfir wal Higra (Fandroahana amin'ny Fiarahamonina sy Fandosirana) nandeha tao amin'ny faritra misy anay hanampy ny mponina ao an-toerana hitondra tena ho amin'ny “mety” kokoa. Nandehandeha teny an-dalana amin'ny galabeyas (fitafy nentin-drazana) fohy ry zareo ary naka moskea iray ho fitorian-teny teny sy birao iray tao Abu Sir ho amin'ny fandrindrana. Tokotokony ho herinandro eo ho eo izay, nisy valo lahy niditra tao amin'ny souq [tsena an-kalamanjàna] lehibe indrindra tao Abu Sir ary rehefa niditra tao dia nahamarika vehivavy iray nipetraka teo anilan'ny entambarony sady somary mampiseho tongotra avy ao amin'ny galabeya anaovany. Nodakadakàn-dry zalahy mafy ny tongony, noteneniny mafy ravehivavy hitafy tsara sy ho maotona. Fahadisoana lehibe anefa iny. Raha nitranga izany, io vehivavy io no lehiben'ny vehivavy ao amin'ny souq sady mpikambana ao amin'ny foko lehibe ao amin'ny faritra izay mahatratra an'arivony ny isany. Notafihan'ity vehivavy ity sy ny vehivavy hafa ao an-tsena izy valolahy ary nidaroka an-dry zalahy mafy tokoa hany ka voatery nandeha tany amin'ny hopitaly. Raha niezaka ny hanome ho an'ny polisy ny antonta-kevitry ny fanafihana ireo lehilahy ireo dia nandà tsy nety nandray ny antonta-kevitra ny polisy, nilaza fa tsy hanenjika ireo vehivavy ireo…hoe adala ve ireo lehilahy ireo? Hany ka amin'izao fotoana izao dia ataon'ny tanoran'i Abu Sir ho toera-pisotroana dite ny birao ary tsy nampiasain-dry zareo hanaovana toriteny fondamentalista intsony ny moskea ary efa elaela no tsy nahitana intsony ny vondrona Takfir.

Nofeheziny toy izao tamin'ny fanamafisana:

Raha misy manontany hoe iza no tohanana hanesorana ireo Islamista any Ejipta, indro ny valiny ho anao. Ny vehivavin'i Ejipta no misy sasantsasany amin'ny vehivavy mahery indrindra mbola tsy hitako hatramin'izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.