- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miteraka Fitakian-dRariny any Nepal ny Trangam-Panolanana tany Delhi

Sokajy: Azia Atsimo, India, Nepal, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Tsy nanerana an'i India [1] ihany no niteraka fahatezerana ny tranga-na fanolanana iarahan'ny maro natao fa niteraka fanafintohinana ihany koa tamin'ny firenena manodidina azy tahaka an'i Nepal. Tsy dia misy fahasamihafany amin'ny fiaraha-monina ao Nepal loatra ny fanjakazakan'ny lehilahy any India sy any amin'ny firenena atsimon'i Azia maro raha eo amin'ny resaka fiatrehan'ny vehivavy ny fandrokidrokiana na fanorisorenana ara-pananahana na ny tsy fahitana fomba mahomby hamahan'ny fitondrana ny olana tahaka itony. Niteraka tranga mitovy tany Nepal ny trangam-panolanana nisy tany Delhi ary niroso niray hina nivadika ho hetsika hitakiana ny rariny sy ny fampanoavana ny lalàna ao amin'ny firenena ny vondrona isan-karazany.

Ny hetsi-panoherana tany Nepal dia niandoha tamin'ny trangam-panolanana nahazo an'i Sita Rai [2](novaina ny anarana) izay sady voaendaka no naolan'ny mpitandro ny filaminana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Tribhuvan tao Kathmandu raha nody avy tany Arabia Saodita izy tamin'ny volana lasa. Nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny tranon'ny Praiminisitra [sy birao fiasany] tao Baluwatar nandritra ny andro vitsivitsy hitakiana ny rariny ho an'i Sita Rai ny vondrona mpikatroka maromaro. Nanomana fanangona-tsonia ny mpikatroka ary nametraka izany an-tserasera [3] mba hosoniavina ary ampandalovina ao amin'ny Praiminisitra Dr. Baburam Bhattarai hitadiavana ny rariny sy fifantohana eo noho eo amin'ireo karazana herisetra manjo ny vehivavy.

[4]

Mpianatra ao Birgunj (Nepal) nandray anjara tamin'ny fandrehetana labozia ho fanoherana ny fanolanana itambarambe tany New Delhi. Saripikan'i Manish Paudel. Copyright Demotix (24/12/2012)

Niely tany amin'ny tambajotra sosialy ny fitantarana fanaovana an-keriny vao tsy ela taorian'ny fitaterana miverimberina momba izany tao amin'ny firenena tao ho ao. Nandraraka ny fomba fijeriny avy eo ny mpisera mazoton'ny Facebook sy ny Twitter ka nanomboka nahatakatra fa misy zavatra tokony vitaina hiova ao. Nitarika hanao fihetsiketsehana hibodo ny firao fiasan'ny Praiminisitra ao Baluwatar ny sasany amin'izy ireo ary miely tahaka ny fielezan'ny #OccupyBaluwatar [5] ao amin'ny twitter izany.

Indreto ny fihetseham-po sasany ao amin'ny twitter.

@UjjwalAcharya Expressing solidarity with #OccupyBaluwatar seeking justice for Sita Rai, victim of #TIARape. Please join at PM Quarters at 10am Saturday!

maneho ny fiaraha-mientana amin'ny #OccupyBaluwatar hikarohana ny rariny ho an'i Sita Rai, lasibatry ny fanolanana. Ao amin'ny Biraon'ny Pm amin'ny Asabotsy ny fotoana amin'ny folo maraina azafady!

@manjushreethapa Here's hoping #OccupyBaluwatar can focus the state to end impunity on rape and other cases – thousands are still outstanding from the war.

Indry ny fanantenana fa azon'ny #OccupyBaluwatar faranana ny tsy fanasaziana noho ny fanolanana sy ny tranga hafa – mbola misy an'arivony mijoro ivelan'ny ady.

@anitapthapa We ve been assured the PM will go thru petition letters by today and the office will get back to us within 2 days #TIArape #occupybaluwatar

Nahazo antoka izahay fa hijery ny taratasin'ny fanangona-tsonia ny PM androany ary hiverina hiresaka aminay ny birao ao anatin'ny roa andro

Niditra tao anatin'ny hetsika ary nanohana ny nanao sonia ihany koa ilay mahery fon'ny CNN tamin'ity taona ity dia i Pushpa Basnet [6]. Indry ny sariny ahitana azy mirotsaka an-tsehatra tao amin'ny hetsi-panoherana sy fanehoany fiaraha-mientana tamin'ny fanentanana androany.

Puspa Basnet CNN Hero in Rape Case Campaign

Mahery fon'i CNN 2012 Puspa Basnet nampiseho fiaraha-mientana tamin'ny fanentanana – Sary hatsaram-pon'i Ujwal Thapa (Iray tamin'ny mpikatroky ny fanentanana)

Nanapa-kevitra ny hanome onitra Rs 150.000 Nepali ilay niharan'ny fanolanana roa andro lasa izay ny governemanta. Nitaky fanasaziana henjana ireo mpanolana anefa ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy vitan'ny fanonerana fotsiny izany. Mitohy ny hetsika #OccupyBaluwatar raha jerena ny sioka sy ny sata Facebookn'ireo nirotsaka an-tsehatra. Ho famehezana izany, indro ny sata Facebook iray avy amin'ny mpikatroka Stuti Basnyet [7] -

The protest #OccupyBaluwatar will carry on – tomorrow, Dec 29, 10 am onwards. Major progress today with the PM promising to raise the issues of both Sita Rai & Saraswati Subedi case for Cabinet decision on Tuesday. Until then, public pressure demanding Government accountability – delivery of justice – needs to keep building. Join the fight!

Hitohy rahampitso 29 desambra amin'ny 10 maraina ny hetsi-panoherana #OccupyBaluwatar . Dingana lehibe androany tamin'ny fampanantenan'ny PM hisahana ny raharaha Sita Rai sy Saraswati Subedi handraisan'ny fitondrana fanapaha-kevitra amin'ny talata. Hatramin'izay, mila aorina hatrany ny fanerena ny governemanta hanao ny mangarahara [handray andraikitra] – fanatanterahana ny rariny. Andao hiaraka hitolona!