- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao [1]mpila-ravinahitra [1] mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [1] [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena.

Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa tsy manana fahalalahana ara-pivavahana i Shina no anton'izany lahatsoratra izany. Araka ny tatitry ny China Aid [2], olona 1289 farafahakeliny no nosamborin'ny manampahefana Shinoa tamin'ny taona 2011 izay voarohirohy tamin'ny resa-pivavahana.

Na dia eo aza ny lahatsoratra sahisahy navoakan'ny Global Times, nitatitra ireo mpiserasera fa nosakanana ny vavahady  fidiran'ireo fiangonana sasantsany nandritra ny Krismasy tamin'ity taona ity. Fanampin'izany, sanganehana tamin'ny lahatsoratra ny miozolomana vitsy an'isa ao Shina, ny fikambanana Ouïghour [3]r [4], ary nihantsy ny Global Times mba hanasa ireo mpanara-baovao ao amin'ny faritry Xinjiang [5] hoavy mandritra ny fetiben'ny Miozolomana.

[6]

In China, Christmas is another holiday for consumption. Photo by Flickr user Marc van der Chijs CC: BY-SA.

Tsy Fahalalaham-pivavahana ny fahafahana manjifa

Nanipika avy hatrany ny fahadisoana tamin'ny lahatsoratry ny Global Times ny ankamaroan'ireo mpiserasera izay nilaza fa mamintina ny fahalalahana ara-pivavahana ho fankalazana tsy ara-pivavahan'ny Noely ny lahatsoratra. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo fihetseham-po mikasika ny  fizotry ny vaovao [7] [zh] tao amin'ny habaka bilaogy fohy Sina Weibo ao Shina:

铭格格-洛桑卓玛:在胡编无知狭隘的眼里,商业炒作等同于宗教信仰自由,容许进教堂寺庙道观等地方参观等同于宗教信仰自由。。。

铭格格-洛桑卓玛:Amin'ny fijery ivelan'i Hu Shijun, mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny Global Time, midika ho fahalalaham-pivavahana ny fetibe ara-barotra, mitovy amin'ny fahalalaham-pivavahana  ny fitsidihana ara-pizahan-tany eny amin'ny fiangonana sy ny tempoly…

彭勇-AARON:这是消费自由!别扯信仰自由。。。

彭勇-AARON:Fahalalahana manjifa izany, aza afangaro amin'ny fahalalaham-pivavahana.

Fiangonana nakatona

Tamin'ny fomba manesoeso, nahatsikaritra ny mpiserasera fa voaràra ireo fiangonana sasany ary nakaton'ny vadin-tany nandritra ny  krismasy. Tamin'ny 24 Desambra 2012, tao an-tanànan'i Tianjin, Deci celestial nitatitra hoe [8] [zh]:

无事去滨江道和西开教堂转了一圈儿,节日气氛相当浓厚。去参观教堂的所有入口都被封了,最后定向越野似的循着警察贴在电线杆商场柱子和柜台上的A4纸指示才找到一个隐秘的特别入口,中间警察至少有5重把关

Mientanentana ny fankalazana ny fetiben'ny noely ary nandeha tao amin'ny fiangonana Xikai akaikin'ny làlana Bingjiang aho. Nakatona avokoa ny varavarana rehetra any am-piangonana. Farany, nahita fidirana miafina aho amin'ny fanarahana toromarika hita amin'ny taratasy A4 mipetaka amin'ny andrin-jiro. Eny an-dalana, sakana 5 farafahakeliny no napetraky ny polisy.

[9]

Sary narakitr'ilay ny mpisera Weibo, Liagyage izay mampiseho fiangonana iray nakatona tao Xian nandritra ny andron'ny Krismasy.

Tamin'ny 25 Desambra, Kristianina marobe no nanao hetsi-panoherana tao an-tanànan'i Xian, faritanin'i Shaanxi, satria nakatona ny fiangonan'izy ireo. Nandrakitra sary namariparitra [9] ny zava-misy i Liagyage:

圣诞节被封了门的基督教堂,被堵了的道路,全球狂欢日,这些人却在寒夜上演着席地痛哭的悲剧?是何缘由?

[Ny sary dia mampiseho] Ny fidirana ao am-piangonana izay nakatona; sy ny lalana nobahanana. Raha nankalaza ny noely izao tontolo izao, nipetraka tamin'ny tany kosa ny vahoaka teto, mitomany ao anatin'ny alin'ny ririnina mangatsiaka? Nahoana no toy izany?

Darkmumu nandefa indray ny sarin'i Liyiforever [10] ary nahasarika [11] fanehoan-kevitra vitsivitsy mikasika ny zava-misy amin'ny fahalalaham-pivavahana ao Shina:

天行者68th:凡是有人聚集的地方,凡是不是他们的恶毒谎言能够辖制到的地方,都是禁地。

天行者68th:Tamin'ireo toerana nitangoronan'ny olona, izay tsy tratran'ny laingan'[ireo manam-pahefana], dia lasa faritany tsy azo idirana amin'izao fotoana.

染香姐姐:这些二逼,把阳光下的教堂封了,是让人去信邪教吗??黑暗滋生一切罪恶,如果中国能够公开传教,根本就不会把好好的宗教越信越邪。

染香姐姐:Adala tokoa izy ireo. Manery ny olona hino sy handeha any amin'ny fivavahana satanika ny fanakatonana fiangonana amin'ny andro atoandro be nanahary. Raha amin'ny alina no atao ny fankalazana, hiteraka fahotana sy heloka izany. Raha mamela ny fivavahana (fitorian-teny) malalaka sy an-kalamanjana i Shina, tsy hivadika sekta ny hetsika ara-pivavahana.

西葫芦馅儿:在这个国度信仰是一种奢侈。

西葫芦馅儿:Haitraitra ny fananana finoana eto amin'ity firenena ity.

实习奋青:在这个地方,改信钱吧。

实习奋青:Tsara kokoa raha ny vola no hinoana ato amin'ity firenena ity.

“Fivavahana Satanika” avokoa ny Trano-Fiangonana

Ao Shina, ny hetsika ara-pivavahana Protestanta rehetra dia eo ambanin'ny fandrindran'ny Hetsika Tia Tanindrazana An'ireo Fiangonana Protestanta Telo Mahaleotena ao Shina [12], izay fehezin'ny Antoko Komonista Shinoa (CCP). Sokajiana ho tsy ara-dalàna sy azo faizina mora foana ny Fiangonana na hetsika Kristianina hafa, mivondrona ao amin'ny anarana hoe Trano fiangonana [13]. Mitady miha-mino ny olona ivelan'ny tontolo Kristianina fa fivavahana satanika ny Fiangonana ivelan'ny Telo-Mahaleotena. Tsy vitsy ohatra ny fanehoan-kevitra tahaka ity manaraka ity izay avy amin'ny 詹姆-兰尼斯特 [14] [zh]:

这条新闻我真心不是很相信,教堂都是教产,而且国内都是三自爱的教产,政府自己封自己?被封的是家庭教会的可能性极大——如果真的是家庭教会,我预先说一句去你麻痹的臭邪教!

Tsy mino izany vaovao izany aho [fanakatonana fiangonana ao Xian]. Fananan'ny fiangonana ny Fiangonana rehetra ary ao Shina, ny Fiangonana Telo-Mahaleotena Tia Tanidrazana no tompony. Tsy hakaton'ny governemanta ny rantsany ? Angamba mety ho Trano-fiangonana tokoa ilay nakatona. Amin'izany, hoy aho hoe “tsy misy hiraharahiako anareo, fivavahana satanika lò!”

Hasao Amin'ny Fetibe Miozolomana ireo mpanara-baovao

Nahita ihany koa ny fikambanana Ouïghours ao Shina fa miteraka olana ny lahatsoratra navoakan'ny Global Times. Nanoratra fanehoan-kevitra mihantsy [15] ny Global Times ny Ulghurbiz.net ary nanasa ireo mpanara-baovao hamonjy ny fetibe fankalazan'ny Miozolomana ao Xinjian :

《环球时报》的这篇评论漏洞百出,它把中国年轻人“过洋节”的消费文化移花接木地理解成了基督教文化在中国的自由发展。如果不是节日效应刺激效应,官方还会这么网开一面吗?另外,基督徒人数增加的首要原因是人们对国家核心价值观的失望之后转投宗教的怀抱以此寻求安慰呢,还是确如文章所说的是中国政府的开明政策呢?这需要系统的论证。
如果在开斋节或宰牲节等穆斯林传统节日来临之际,西方媒体指责中国政府压制穆斯林的宗教自由时,《环球时报》是否还敢发布一篇题为《怀疑宗教自由请来疆过节》的文章呢?

Rakotra fahadisoan-kevitra ny lahatsoratry Global Times. Manodina ny fanjifan'ny tanora Shinoa ny “fety tandrefana” ho fahalalahan'ny kolontsaina kristiana ao Shina izany. Hovahan'ny governemanta ve ny fanaraha-maso raha tsy fety fanjifana na fitadiavam-bola ny Krismasy? Vokatry ny fahaverezan'ny soatoavina fototra ao amin'ity firenena ity amin'ny ankapobeny no nampiakatra ny isan'ireo Kristianina ao Shina. Te-hahazo fampaherezana avy amin'ny fivavahana ny olona. Misy idiran'ny politika misokatry ny governemanta ve izany? Mila adihevitra maharitra mikasika izany isika. Raha mitsikera ny famoretana ny fombam-pivavahana Miozolomana ao Shina ny fampahalalam-baovao tandrefana tamin'ny fankalazana ny Eid al-Fitr [16] sy ny Eid al-Adha [17], ho sahy hamoaka lahatsoratra toy izao ve ny Global Times “Ianareo tsy matoky ny Fahalalaham-pivavahana ao Shina, tongava ao Xinjiang hamonjy ny Fetibe ao?