- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena vaovao [1] ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ny antoko elatra havanana Saenuri party [2] sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee [3].

Na dia teo aza ny zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park, ny anton'izany dia noho ny antoko politika izay misy azy malaza ho mpanao kolikoly ary koa ilay fihetsika toa manjavozavo no sady tsy manaja an'ilay rainy mpanao didy jadona [4]. Ny rain'i Park, [3]Park Chung-hee dia iray amin'ireo olona nampisara-kevitra indrindra tao anatin'ny Tantara maoderina tao Korea Atsimo – noho ilay fitondrana jadona nataony sy ilay fampandrosona ara-toe-karena lehibe vitany nandritra ny natantanany ny fahefana.

Ny hazakazaka an-tery sy ny fizarazaran'ny fanjakana mazava tsara amina fanontaniana maro sy karazana antoko politika dia mampiseho ny toetry ny politika misy eo amin'ny Firenena. Indrindra moa fa ilay hazakazaka dia tena nifanety tokoa sady sarotra vinaniana [5], eny na dia ora maro aty aorian'ny fivoahan'ny valim-pifidianana aza.

Park Geun-hye during campaign [6]

Park Geun-hye nandritra ny fampielezan-kevitra, nofahanan'i Flickr  박근혜 공식앨범 (CC 2.0 BY-NC-SA)

Maro ireo mpiserasera ao amin'ny aterineto no miampanga ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Korea Atsimo mitongilana any amin'i Park nandritra ny volana maromaro; indrindra ny fitaterana ny fampielezan-keviny izay zara raha mampahatsiahy ny lafiny ara-tantara. Notsindrian’ [7][ko]  izy ireo fa ny tatitra iraisam-pirenena dia manonona hatrany ny Rainy isaky ny manao fampidirana momba an'i Park izy ireo. Nanoratra i ‏@comeback_mj23 [8][ko]:

잠들기 전에 우리나라 대선에 관한 외신(BBC, CNN, NYT 등..) 기사를 훑어보고 있는데… 공통적으로 쓰이는 한 문장이 너무 선명하게 보인다. 굳이 언급할 필요가 없는 바로 그 문장… 과연 그 분이 스스로 굴레를 벗어던질 수 있을까?

Rehefa alohan'ny hatory aho dia mitety ny fampahalalam-baovao any ivelany sady mamaky ny lohatenim-baovao mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena (toa ny BBC, CNN, NYT sns). Tsy azoko notsinontsinoavina fa fehezanteny iray no niraisan'izy rehetra ireo. Fehezanteny iray izay tena tokony ho resahina. Mety hahafoana izany lohateny izany ve io ramatoa io? [naoty: fampatsiahivana fa i Park dia zanakavavin'ilay mpanao didy jadona]

@aannyeong [9] nanoratra [10] [ko] mikasika an'i Lee Jung-hee [11], vehivavy mpanohitra iray izay nandrava an'i Park tamin'ny fanontaniana rehetra nandritra ny ady hevitry ny samy mpifanandrina ho Filoham-pirenena, saingy niala an-daharana tamin'ny hazakazaka ihany koa.

[…] 이정희는 여태 한국 사회와 언론이 썩혀두면서 아무도 건드릴 생각도 못했던 걸 들춰냈다. 심지어 당사자 앞에서. 더군다나 공중파 대선토론에서. 그걸 보고 듣고도 사람들이 깨달음이 없었다는 게 슬프다.

Lee Jung-hee dia nahavita namoaka zavatra maro izay na dia ny fiaraha-monina Koreana sy ny fampahalalam-baovao koreana aza tsy mahasahy miresaka izany — amin'izao rivotra ady hevitra prezidansialy ao amin'ny fahitalavitra izao. Mampalahelo fa tsy tena nahatakatra tsara ny marina ny olona na dia taorian'ilay ady hevitra aza.

@kbsmuckraker [12] dia nanampy [13] [ko]:

사실 이번 대선결과는 예정된 것이었다. 지상파와 조중동 등 여론시장을 지배하는 주류매체가 일방적으로 박근혜를 지원하는 상황에서 다른 결과를 이끌어내긴 힘들었다. 이런 수구 권언복합구도를 깨지 않으면 앞으로도 어렵다.

Nandrasana fatratra ny valin'ity fifidianana Filoham-pirenena ity. Amina toe-javatra izay anjakazakan'ny Network TVs sy ny Cho-Joong-Dong [naoty: anarana fanta-bahoaka hiantsoana gazety telo malaza any Korea Atsimo – fitambaran'ny teny hoe Chosun, Joongang ary Donga] eo amin'ny ady hevitra an-karihary ary manohana an'i Park daholo, sarotra ny hahita vokatra hafa. Raha tsy afaka mamaha ity vonan-kery ana fampahalalam-baovaon’ ny antoko havanana ity isika, dia mbola hiatrika toe-javatra mafy kokoa amin'ny ho avy.

@stpstp919 [14] nanoratra [15] [ko] tweet iray nizara fa amin'ny fomba ahoana no hahafahan'ireo fianankaviana maro amin'ireo firenena telo aziatika hitazona ny fahefany eo amin'ny fitondrana ho an'ny taranaka fara-mandimby.

유미리 트위터 “한국대선에서 박근혜가 승리하면,박정희 대통령의 딸과 김일성주석의 손자와 기시 노부스케 총리의 손자가 맞서게 된다.”

Ny tweetn'i Yumiri dia niteny “Raha maharesy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Korea Atsimo i Park, dia ho hahita ilay zanakavavin'ny Park Chung-hee sy ilay zafikelin'i Kim Il-sung (ao Korea Avaratra) ary ny zafikelin'i Nobusuke Kishi (mampahatsiahy an'i Shinzo Abe) hiaraka eny amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Moon Jae-In during campaign [16]

Moon Jae-in, kandida ho filoham-pirenena avy amin'ny antoko mpanohitra demokratika mitambatra, nandritra ny fampielezan-kevitra, nofahanan'i Flickr moonjaein (CC 2.0 BY-NC-ND)

Ity fifidianana ity dia nahavita nanamontsana ny  [17]taha-pavitrihan'ny mpifidy, 75.8% [18]  [17][ko], izay ambony indrindra tao anatin'ny folo taona. @realolol [19] nanadihady [17] mikasika [ko] izany:

한 사이트에서 봤던 인상 깊은 글. “이번 투표율이 높았던건 그만큼 국민들이 깨어 있다는 걸 의미하지만 단기간에 그렇게 올랐다는건 지난 대선과 이번 대선간의 빈 공백의 기간동안 국민들이 불만이 많았거나 살기 어려웠단걸 뜻하지”

Namaky ity lahatsoratra ity tamina habaka mahagaga iray aho “Izany fiakaran'ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy izany dia nanambara fa mahara-baovao ara-politika ny vahoaka. Na izany aza, amin'io fotoana io ihany, fa matoa nahita fisondrotana avo dia avo toy izany ny taha-pahavitrihana, dia mampiseho ihany koa fa efa betsaka ireo fitarainana nitambatambatra sy fotoan-tsarotra tao anelanelan'ilay fifidianana Filoham-pirenena teo aloha sy ny amin'izao fotoana izao.