- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

Sokajy: Amerika Latina, Bahrain, Ejipta, Pakistana, Palestina, Paortiogaly, Sodàna, Syria, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Manome fahafahana, ho an'ny maro amintsika, mba hanasongadina izay olana  manan-danja amintsika sy hiaro ny zon'olombelona ho an'ny rehetra, ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona isan-taona. Tamin'ity taona ity dia notsindriana manokana ny zon'ny Olona – ny mahantra, ireo anjorom-bàla sy ireo vazimba teratany, ny vehivavy sy ny tanora ary ireo sokajy isan-karazany. Manan-jo hohenoina sy handray anjara ny tsirairay.

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia iray amin'ireo izay tena akaiky amin'ny hevitry ny  Global Voices [1] amin'ny maha-vovonana sy fikambanana azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto [2] hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana  mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Global Voices community members make their #VoiceCount [3]

Ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices manao ny anjarany amin'ny  #VoiceCount. Sary natambatambatry ny mpanoratra.

Miaraka amin'i Syria sy Gaza [4] nitsoraka tao anaty filazam-baovao tamin'ny fisintonana an-keriny ny fifandraisana amin'ny aterineto, mbola mijanona ho olana tena mafonja ny zo ho afa-miditra. Ny tatitray manokana [5] misy an'i Syria, nitahirizana ireo fanehoan-kevitra tety anaty aterineto [6]tamin'ny fahatapahan'ny fifandraisana amin'ny aterineto tao Syria sy ny fipongarana indray [7] ho ampahan'i Syria tafaverina amin'ny fifandraisana, ireo hetsi-panoherana tany Bahrain [8]sy Yemen [9] tanaty fahatapahan'ny fifandraisana, ny feon'ny fifandirana [10]avy any Kaokazy sy ny fitroarana tany Sodàna [11], ny fandrakofana lalim-paka [12] ny hetsika fanoherana tany Rosia, ny fijoroana  vavolombelona [13] tamin'ny fifidianana filoham-pirenena manan-tantara tany Ejypta sy ny vokany ary ny fifidianana mavitrika [14]tany Venezoela, fitadiavana ny feon'ireo vazimba teratany [15] manome ny 370 lavitrisa amin'ireo olona izay miteny amin'ny fiteny 4000 mahery, ny fanasongadinana ireo tenin'ny Rohnigya notsinontsinoavina [16] tany Myanmar, ny fanaraha-maso ny hetsika #occupy movements [17] nanerana izao tontolo izao sy ny SlutWalks [18] hetsi-panoherana vaovao miady ho an'ny zon'ny vehivavy ary ny zava-dehibe indrindra manara-maso sy miaro ny fahalalahan'ny aterineto, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny fidirana aterineto miaraka amin'ny Global Voices Advocacy izay mivoatra ho vondrom-piarahamonina iray vonona mba hijoro [19].

Fa mbola misy tantara hafa izay ilàna ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao satria ijoroanay fa marina ny fiheverana izay ampahatsiahivina amin'izao fotoana izao ; misy dikany ny feo tsirairay. Ny fanagadràna mandra-pahafaty  [20] poeta iray any Qatar izay nankalaza ny lohataona Arabo, ny famoretana [21] ny Rosiana noho ny famadihana ho andalan-tononkalo amin'ny aterineto ireo tsy mety, fanakanana [22] sy fanasaziana ny vehivavy tsy hampiasa finday any amin'ny tanàna kely any India, ny fepetra hentitra fanoratana ny karatra finday SIM manelingelina ny serasera any Zambia [22], ny fanenjehana any Pakistana mba haka tàhaka [23] ilay rindrimbe goavana (firewall) tany Shina, ny  sakana  [24] atao amin'ny facebook any Tajikistan sy ny fiantsoana an'i  Mark Zuckerberg – fihetsika iray manaitra mitovy amin'ny nataon'ireo manampahefana Pakistane, ny fanaraha-maso [25] ny fiainana manokan'ny mpampiasa ny aterineto ataon'ireo orinasa misahana ny aterineto, ny ady hisian'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra  [26] rehefa mampiasa ny heriny amin'ny fanaraha-maso ny manampahefana, mbola  hampiaka-peo ihany isika  hanohitra ny tsy fahafatesa-manota  [27] sy hiady ho an'ny  fahamarinana ho an'ireo feo rahonana [28], ireo no foto-kevitra vitsivitsy izay ifantohan'ny global voices amin'ny maha-vondrom-piarahamonina azy. Efa manakaiky ny faran'ny taona isika,  dia hisy fijerena amin'ny ankapobeny ny zava-niseho nandritra ny taona amin'ny alalan'ny mason'ireo ato anaty tambazotra.

Fa amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona izao, dia miray hina amin'ny vahoaka eran'izao tontolo izao izahay ary mino ny zony ho henoina, handray anjara sy ho asiana dikany ananan'ny tsirairay. Ny fanoloran-tenanay dia mbola mijanonana hatrany hanamafy ny feo amin'ireo ao anaty tambazotra ary hanome alàlana sy hanohana  [29] ireo fikambanan'ny vondrom-piarahamonin'ny teratany ho tonga vondrom-piarahamonina midadasika kokoa.