- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona

Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, [1] fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana mampiseho an'i Makdissi nifandray taminy nandritra ny volana maromaro. Izany angamba, araka ny anarana nomen'ireo mpisera Twitter no atao hoe, “fifampiraharahana fandosirana voalohany teo amin'ny tantara”.

Tamin'ny 25 Desambra THE_47th [2]nisioka hoe [3]:

Mino aho fa voalohany teo amin'ny tantara i @AlexanderPageSY [4] no nahazo fifampiraharahana fandosirana amin'ny twitter. Jereo ny pikan-tsariny miaraka amin'i @makdissi [5]

 

Mpikambana taloha tao amin'ny fitondrana Syriana i Makdissi izay niala an-daharana hatramin'ny nandaozan'ny praiminisitra Riyad Hijab ny firenena tamin'ny volana Aogositra. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona tamin'ny volana Martsa 2011 sy taorian'ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana, niara-niasa akaiky tamin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny  sy ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao i Makdissi. Karazana tsindrona mahery vaika ho an'ny fitondrana izany fialàna izany izay mbola manohy miady amin'ireo vahoakany, toy ilay daroka an'habakabaka farany teo ka nahafatesana Syriana [6] milahatra miandry mofo.

Mampiseho resadresaka niarahany tamin'i Makdissi tamin'ny volana Jolay ny hafatra navoakan'i Jarrah. Ny andiany voalohany amin'ny resadresaka dia mampiseho an'i Jarrah mampahafantatra ny tenany fa Syriana izy ary noesirina taminy ny pasipaorony satria voarohirohy ho mpitsikilo vahiny izy. Hoy i Makdissi namaly:

 

Amin'ity resaka manaraka ity, nizara ny tantarany nahatonga azy nandositra an'i Syria i Jarrah ary nanontany an'i Makdissi:

 

Amin'ity resaka (hafatra mivantana ao amin'ny Twitter) ity, nizara ny hetahetany tsy hitolona amin'ny didy jadona ihany i Jarrah fa hitolona amin'ny fikasan-dratsy hitady tombotsoa amin'ny korontana ao amin'ny firenena:

 

Ity resadresaka manaraka ity indray kosa dia mampiseho tantara mitovy amin'ny fomba fitantanan'ny fitondran'i Assad nandritra ny taom-polo mba hoentina hanamarinana fa ilaina ny fitantanana mahery vaika ary mametraka ny filaminana ho ambonin'ny zava-drehetra. Mifanohitra amin'izany, nanipika ihany koa i Makdissi fa “ilaina ny miala lavitry ny herisetra ary tokony tohanana ny fifampiresahana”:

 

 

Tamina resadresaka hafa tamin'ny 21 Jolay, Makdissi nizara ny tsy fahatokisany ny mpanohitra Syriana:

 

 

Tamin'ny resadresaka farany nozarain'i Jarrah, nilaza i Makdissi fa hojereny akaiky ireo fangatahan'i Jarrah:

Nilaza tamin'ny Global Voices Online i Jarrah fa mbola manana raki-dresaka hafa niarahany tamin'i Makdissi izy. Inona no mety ho andraikitr'ity mpitondra teny teo aloha ity manomboka androany? Naneho ny ahiahiny ny mpisera Twitter fa mety niala tsy niasa tamin'i Assad izy mba hiasa amin'ny CIA. Kindakanbar [7]nisioka hoe [8]:

Avy niasa tamin'i Assad [9] dia hiasa amin'ny CIA [10], ao Washington [11] i Makdissi [5] araka ny filazan'ny guardiannews [12] Syria http://www.guardian.co.uk/world/2012/dec/24/syrian-official-us-intelligence-agencies [13]

Rami Jarrah no mendrika nahazo ny Loka Iraisamirenena momba ny Fahalalaham-pitenenana CJFE [14] tamin'ity taona ity. Azonao arahina eto [15] ny ambin'ny resadresaka niarahany tamin'i Jihad Makdissi.