Miparitaka ny Lahatsary “Fetaka” nataon'ny Mpitandro Filaminana tany Bahrain

Roa taona lasa izay, nanomboka ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” rehefa nisy Toniziana mpitandro filaminana iray namelaka tovolahy tany Sidi Bouzid. Nihevitra ny olona fa ho foana vetivety ny tsindry hazolena ataon'ny mpitandro filaminana, nefa nisy lahatsary iray indray niparitaka tany Bahrain mba hampahatsiahy antsika fa mbola velona sy tomady tsara ireo mpitandro filaminam-panjakàna. Ni-tweet i @alaashehabi, mafana fo iray:

@alaashehabi: Miparitaka ny lahatsarin'ny mpitandro filaminana mamelaka lehilahy any #Bahrain – 2 hetsy no nijery tanatin'ny 24ora monja. Firy ireo kaonty vaovao namoaka izany?

Ilay lahatsary dia mampiseho lehilahy mitrotro zaza, izay vazavazain'ny mpitandro filaminana iray izay mamelaka azy avy eo, indroa, raha mbola mitrotro ny zaza izy: http://www.youtube.com/watch?v=zI_L1rAn4Bw

Hatrany ivelan'ny Bahrain no nivoaka ny fanehoan-kevitra momba ity lahatsary ity. Sultan Al Qassemi, avy any Emirà Arabo Mitambatra, mpitsikera malaza ny raharaha-na Arabo, dia nizara ity lahatsary ity ary nilaza:

@SultanAlQassemi: Fanararaotam-pahefàna ataon'ny mpitandro filaminan'i  Bahrain, mamelaka olom-pirenena http://goo.gl/RMsCB  Video via@muradalhaiki

Mohamed Fahad Alqahtani [@mohdwaves], mpanao gazety Qatari dia ni-tweet :

 مؤلم لانه يثبت بالدليل القاطع ان كرامة الانسان في الدرك الاسفل من التقدير في سلم اولويات بعض القيادات الامنية الخليجية,ياللعار

@mohdwaves: Mampihorohoro ny lahatsarin'ny fetaka satria porofo izao fa ny maha-olombelona no zavatra farany indrindra amin'ny lisitry ny laharam-pahamehana any amin'ireo fitondràm-panjakàn'ny Helodrano sasany mampiasa mpitandro filaminana. Mahamenatra!

Waleed Alfarraj, olo-malaza eo amin'ny haino aman-jery Saodiana, dia ni-tweet hoe:

 .. فضيحة من الصعب ترقيعها !!

@waleedalfarraj: Ny lahatsarin'ny felaka .. Fanafitohinana izay sarotra ovaina

Ni-tweet koa i Rana Alabdulrazzak, Kuwaiti mpanoratra tononkalo :

http://youtu.be/zI_L1rAn4Bw أن ترى هذه الصفعة ولا تشعر بألمها وهي تهوي على انسانيتك .. اعذرني فانت لست إنسانا أصلا #البحرين

@ranati01: Mahita izany felaka izany nefa tsy mahatsapa ny harariny amin'ny maha-olombelona anao…azafady, hay moa ianao tsy olombelona akory.

Nanolotra hevitra nahaliana tokoa ilay Akademika Omani Dr. Haider Al-lawati :

رجل امن في #البحرين يصفع مواطنا اعزلا في وجهه. منظر مؤلم ومحزن. اقترح ان يعرض على القادة المشاركون في قمة التعاون !! http://m.youtube.com/#/watch?feature=youtu.be&v=zI_L1rAn4Bw&desktop_uri=%2Fwatch%3Fv%3DzI_L1rAn4Bw%26feature%3Dyoutu.be …

@DrAl_Lawati: Mpitandro filaminana any Bahrain mamelaka olom-pirenena tsy mitam-piadiana, tranga mampihorohoro sady mampalahelo, ndeha haseho ireo mpitondra mandray anjara amin'ny fihaonambenn'ny GCC izany

Ny GCC, na Gulf Cooperation Council (Fivorian'ny Filan-kevitry ny Helodrano) dia ahitàna an'i Bahrain, Arabia Saodita, Katara, Oman, Koety ary ny Emirà Arabo Mitambatra ary mivory any Bahrain amin'izao fotoana izao ireo mpitondra. Taorian'ireo tweets an'arivony momba izany lahatsary izay dia izao no navalin'ny manampahefàna:

@moi_bahrain: Mpanampy ny Mpitan-tsoratra lefitry ny Raharaham-pitsaràna: Fitànana ny mpitandro filaminana iray mifandraika amina lahatsary tamin'ny aterineto

ary taorian'izay:

تشكيل لجنة برئاسة رئيس الأمن العام لحصر هذه التجاوزات ودراستها وتحديد سبل معالجتها..يتبع

@moi_bahrain: Hisy filankevitra tarihan'ny talen'ny filaminam-bahoaka hatao mba hisorohana sy handinihana ireo fandikàn-dalàna ireo mba hanitsiana izany

Etsy an-daniny, ny talen'ny filaminam-bahoaka sy ny mpitarika ny filankevitra voalaza etsy ambony, Tariq Alhassan dia nitweet tamin'ny kaontiny Twitter manokana:

١- محاولات تشويه صورة وزارة الداخلية ومنسوبيها هي جزء من حرب شعواء من أشخاص وجهات معروفة ومفضوحة بعد ان فشلت في مخططاتها السابقة #البحرين

@Talhassan: Tsy nahomby ireo ezaka handotoana ny minisitry ny raharaha anatiny sy ny mpiasa iadidiany izay ampahany amin'ny ady mafàna ataon'ireo olona sy fikambanana fantatra sy tsy miafin-tarehy taorian'ireo tetika teo aloha.

٢- تقوم تلك الجهات واتباعها بإطلاق مسميات تزدري بها رجال الأمن بهدف النيل من شخصيتهم وزرع البغض لهم لدى الناس كبارا وصغارا #البحرين

@Talhassan: Ireo fikambana ireo sy ny mpanaraka azy dia mampiasa teny maniratsira an'ireo mpitandro filaminana mba hanambaniana azy sy hampirisihana ny fankahalàna azy eo amin'ny vahoaka na tanora sy antitra.

٣- تقوم بتجهيز الكمائن لرجال الامن حسب سيناريوهات معدة من إعلاميين محترفين في قنوات معروفة في دول أخرى ثم تصور وتعرض عند الحاجة #البحرين

@Talhassan: Manao fandrika ho an'ireo mpitandro filaminana izy araka ny torolalana efa voaoman'ireo manampahaizan'ny fampielezam-baovao miasa amina fampielezam-baovao fantatra any amin'ny firenen-kafa, ka mandrakitra sy mamoaka izany rehefa ilaina.

- يقوم الدجالون والعملاء ببث تلك اللقطات ويبالغون فيها وحسبما يردهم من تعليمات وبما يحقق لهم ولمن يدفعهم من الدول أهدافهم #البحرين

@Talhassan: Ireo mpisandoka mpamadika ireo dia mamoaka izany tranga izany ary manitatra azy araka ny torolalana azony sy ny fomba mampifanitsy izany amin'ny tanjon'ireo firenena ireo sy ny azy

Ora vitsy taty aoriana, ni-tweet lahatsary hafa ilay mafana fo mpiaro ny zon'olombelona, Naji Fateel :

خطير جداََ؛~ اعتداء وحشي على شاب في العكر اول مرة يعرض http://youtu.be/t-UuDXOT-cA #bahrain #feb14

@najialifateel: Fanaovana herisetra tamina tovolahy iray tany Aleker sambany vao hita

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.