“Drone” Amerikana Nidaroka Baomba in-droa tany Yemen Nandritra ny Noely

Mirary Krismasy avy any Yemen! Ny andron'i krismasy no andro nitifiran'ny ‘drone’ tany Yemen, namonoany ‘ahiahiana’ ho mpitolona dimy. Ny daroka voalohany nahafaty olona roa nandeha tanaty fiara iray tany amin'ny tanàna atsimo, faritanin'i al-Bayda tamin'ny alatsinainy. Tamin'ny fanafihana faharoa, izay nitranga tamin'ny alatsinainy ihany koa, Nitifitra tamin'ny balafomanga olona telo nandeha moto mamakivaky ny faritanin'i Hadramout ilay voromby tsy fantatra anarana.

Nisioka i Omar Mash, bilaogera Yemenita:

@Omar_Mash: ‘Its beginning to look a lot like Christmas.. bombs engraved with ‘MADE IN USA’ rain over Arabia's oldest civilisation’ #Yemen

Izao no fanombohany itovizany betsaka amin'ny noely.. baomba voasokitra ‘MADE INY USA’ mirotsaka amin'ny sivilizasiona arabo tranainy indrindra

@Omar_Mash: As Americans take time out to feast and celebrate w their families, let it be known that their Gov is destroying Yemeni families #NoDrones

Raha mbola mifety sy mankalaza miaraka amin'ny fianakaviany ny Amerikana, aleo ho fantatry ry zareo fa am-pamotehana fianakaviana Yemenita ny governemantany. tsy mila drone

@Omar_Mash: They stole our revolution, they enforced their version of stability, they make it rain with their bombs from our sky. Merry Xmas from #Yemen

nangalarin-dry zareo ny revolisionanay, noletreran-dry zareo ny atao hoe mitombina, ataon-dry zareo milatsaka oram-baomba ny lanitray. Mirary krismasy avy any Yemen

Naneho hevitra ihany koa i Ibrahim Mothana, mpikatroka Yemenita:

@imothanaYemen: Two US drone strikes in Yemen today. Should we consider them a Christmas gift?!”

Drone amerikana roa nidaroka an'i Yemen androany. Tokony heverintsika ho fanomezana krismasy ve izany?

US Air Force General Atomics MQ-1 Predator Unmanned Aerial Vehicle (UAV). Image by Flickr user james_gordon_los_angeles (CC BY-NC 2.0)

Voromby tsy fantatra anarana US Air Force General Atomics MQ-1. Sarin'ny mpisera Flickr james_gordon_los_angeles (CC BY-NC 2.0)

Namaly i Glenn Greenwald, bilaogera sady mpanao matoan-dahatsoratra ho an'ny Guardian:

‏@ggreenwaldNot just any gift: from a Nobel laureate! RT @imothanaYemen 2 US drone strikes in Yemen today. Should we consider them a Christmas gift?!

Tsy fanomezana tsotsotra fotsiny: avy amin'ny nahazo ny loka nobel! RT @imothanaYemen

Drone amerikana roa nidaroka an'i Yemen androany. Tokony heverintsika ho fanomezana krismasy ve izany?

 

Nisioka ny Dr Qais Ghanem tweeted, miresaka momba ny lahatsoratra manan-danja iray nosoratan'ny Washington Post:

@dialogue_979_FM: Whether Saleh & his FM or Hadi & his FM When U.S. drones kill civilians, Yemen’s government tries to conceal it: http://www.washingtonpost.com/world/middle_east/when-us-drones-kill-civilians-yemens-government-tries-to-conceal-it/2012/12/24/bd4d7ac2-486d-11e2-8af9-9b50cb4605a7_story.html … #drone

Na Saleh sy ny mpiaradia aminy io na Hadi sy ny mpiara-dia aminy, rehefa mahafaty sivily ny drones amerikana, dia miezaka ny manamarina izany ny fitondrana Yemenita

‏Sam Waddah namoaka izao tamin'ny pejy Facebook :

While Santa Claus is distributing gifts in the West, Obama is sending drone strikes to Yemen! Another drone strike hits Yemeni soil today!
I strongly believe that the problem is not with the US administration striking drones, but rather with our government approving of them!
Drone strikes decreased in Pakistan by 41% in 2011 and another 40% in 2012 because the Pakistani government started to disapprove of them! On the other hand, US drone strikes in Yemen have increased by 240% in 2011, and another 250% in 2012, simply because our president approves of them!
Unless our government values Yemeni blood and opposes drone strikes, Obama Claus will keep increasingly bringing us drones in 2013 and so forth!
We are victims of our leaders, more than we are of the US!

Raha mizara fanomezana any Andrefana ny dadabe noely, mandefa drones hidaroka an'i Yemen i Obama! Nisy drone nidaroka ny tany Yemenita indray androany!

Mino tanteraka aho fa tsy ny fitondrana Amerikana sy ny drones mitifitra no olana, fa any amin'ny governemantantsika izay manaiky azy ireny!

Nihena 41% ny daroka baomban'ny drone tany Pakistan tamin'ny 2011 ary mbola nihena 40% tamin'ny 2012 satria nanomboka tsy nanaiky azy ireny ny governemanta Pakistaney! Etsy ankilany, niakatra 240% tamin'ny 2011 ary 250% indray koa tamin'ny 2012 ny daroka baomban'ny drone amerikana tany Yemen satria nankatò azy ireny ny filohantsika! Raha tsy manome lanja ny rà Yemenita ny governemanta ka mnohitra ny daroka ataon'ny drone, mbola handefa drones ho antsika ihany i dadabe Obama amin'ny 2013 sy amin'ny manaraka!

Ny mpitondra antsika ihany no mamely antsika kokoa noho ny Amerikana!   

Maro no efa vosoratra, nosiahana, ary nobilaogen'ny Yemenita hilazany ny haeerany amin'ny fitondran'i Obama sy ny fitondram-panjakana Amerikana noho ny daroka tsy mitsahatra ataon'i Etazonia, eny fa na efa manaiky ny fanafihan'ny drones [mg] aza ny filoha. Iza no tokony melohina kokoa amin'ity tsy rariny ity?

Iray amin'ny andian-dahatsoratra miresaka momba ny daroka ataon'ny “drone” Amerikana any Yemen ihany izy ity ary indrisy fa tsy ho ny farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.