Krismasy ny ao Bethlehema, amoron'i Jordana, Palestina, toerana nahaterahan'i Jesoa Kristy. Inona moa ny fomba tsara kokoa hankalazana ity fotoana ity tahaka ny fizarana sary sy ny fihetseham-pon'ny mpiserasera amin'ity fotoana ity, izay ankalazain'ny olona amina miliara manerantany.
Tany Bethlehema ny mpanao gazety Israeliana Joseph Dana hijery ny fanapihana ny jiron'ny hazo krismasy hirehitra ny jiro eo aminy ary hizara ity sary ity:
Lauren Bohn manolotra ny sarin'ny hazo akaikikaiky kokoa, nandritra ilay fankalazana voalaza etsy ambony ihany:
Ary i Maath Musleh nizara ny sarin'ny arabe mirehitra jiron'i Bethlehema, fiomanana ho amin'ny Krismasy:
Ahmed Aggour namoaka ity sarin'ny hazo tamin'ny mbola nazava ny andro:
Ary i Daniel Aqleh namoaka ity lahatsary ahitana ny fotoam-pandrehetana ny jiron'ny hazo noely ao amin'ny YouTube ity, izay ahitana ny fandefasana afomanga ihany koa:
Mirary krismasy sambatra ho antsika rehetra!