Fanafihan'ireo Vondrona Mpikomy Tao Ndélé sy Bria Ao Amin'ny Repoblikan'i AFrika Afovoany

Tao anatin'izay herinandro lasa izay, notafihan'ireo mpikomy ny tanànan'i Ndélé sy i Bria ary nandrahona ny fitondran'ny filohan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany François Bozizé izy ireo. Tsy manankery intsony ankehitriny ireo fifanekena momba ny filaminana nosoniavina tamin'ny taona 2007 noho ireo fanafihana vaovao izay niteraka hetsi-bahoaka goavana.

Notafihan'ireo mpikomy i Ndélé 

Tamin'ny 10 desambra lasa teo, notafihan'ireo mpikomy avy ao amin'ny Fitambaramben'ny hery demokratika ho an'ny Firaisambe (UFDR) ny tanàna tao  Ndelé:

 

Antoko mpikomy avy ao amin'ny UFDR, tarihin'i Michel Djotodia, no niditra an-keriny tao an-tanànan'i Ndélé, izay ahitana mponina 15. 000 hatramin'ny 20. 000, ary koa ny tanànan'i Sam Ouandja sy Ouadda, ao avaratra-atsinanan'ny tanàna (200 km miala ao Ndélé), faritra tsy misy tafika na vitsy tafika.

Ndélé, fihaonan-dalana ao Avaratra akaikin'ny sisintany tchadiana izay handalovan'ireo fiarandalamby marobe eo amin'i Sodana sy Kamerona, no nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpikomy samihafa sy ny tafika tanelanelan'ny taona 2007 sy 2010

Nitatitra ny Tambajotram-pikarohana momba ny Hetsi-pilaminana (ROP) fa voafehin'ny tafika tsara ny tanàna:

 Nandray fepetra haingana tao anatin'ny fe-potoana mety ny tafiky ny governemanta « sy ny mpitandro ny filaminana mba handravonana ny toe-draharaha sy hametrahana filaminana sy filaminan-tsaina eo amin'ireo olom-pirenena», araka ny fanambaran'ny mpitondra tenin'ny minisitera, lietnà-kolonely Jean Ladawa.

Lahatsary fanadihadiana momba ny olana ara-pilaminana ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, notontosain'ny Vokovoko Mena:

Nanipika ny loza mety hihatra amin'ireo olo-tsotra ny vokovoko mena [amin'ny teny anglisy] araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra ao amin'ny vokovoko mena sy volantsinana mena, Georgios Georgantas :

“Some people have left their homes entirely, others have stayed but spend only a few hours there each day, as they are afraid of further violence.

Nandao tanteraka ny trano fonenany ny olona sasany, ny hafa kosa nijanona ihany saingy zara raha mivoaka ny trano noho ny tahotra mety hisian'ny herisetra.

 

Tanànan'i Bria fehezin'ny antokon'i Séléka 

François Bozize, President  Central African Republic

François Bozize, Filohan'i Repoblika Afrika-Afovoany hita wikipédia- valam-bahoaka

Miha-tandindonin-doza ny filoha Boizizé. Tamin'ny 18 desambra, niditra an-keriny tao an-tanànan'i Bria ny mpikomy avy ao amin'ny antokon'i “Séléka”, avy amin'ny RFI ny loharanom-baovao:

Araka ny loharanom-baovao samihafa, nanafika an'i Bria tamin'ny fitaovam-piadiana goavana ireo mpikomy. Nanomboka nitifitra ireo mpikomy izay niezaka niditra tao an-tanàna ny Tafika Afrikana Afovoany (FACA), ary avy eo niala ny tobin'i Bria izy ireo [..] Nilaza ny loharanom-baovao avy amin'ny tafika fa nandromba magazay tao Bria ireo mpikomy, nanararaotra tamin'izany fandrombana izany ihany koa ireo mponina sasany. Farafahakeliny, olona 14 no namoy ny ainy ary olona sasany avy ao amin'ny governemanta no tsy hita poipoika nandritra ireo gidragidra samihafa niseho.

Afriquinfos nanampy hoe :

Mpanohitra ny Fifaneken'ny Tia Tanindrazana momba ny Fahamarinana sy ny Filaminana (CPJP) no nanangana ny antokon'i Séléka tamin'ny volana Aogositra, izay fantatra fa tompon'andraikitra tamin'ireo fanafihana marobe tao avaratr'i Bangui nanomboka tamin'ny volana Septambra, ary koa ny Fifaneken'ny Tia Tanindrazana ho fanavotana ny wa kodro (CPSK) an'ny “jeneraly” Dhaffane Mohamed Moussa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.