- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitari-Pivavahana Mayana Noraràna tsy Hiditra ny Toera-Panompoany Tany Goatemalà

Sokajy: Goatemalà, Mediam-bahoaka, Teratany

Nanomboka ny lanonana hankalazana ny 13 Baktun – tsingerina farany ao amin'ny fanisan'andro Maya izay noheverina hifarana tamin'ny zoma 21 desambra 2012 i Goatemalà, misy ny fon'ny kolontsaina Maya. Saingy voabahan'ny fihetsiketsehan-danonana nataon'ny governemanta izay sady tsy notarihan'ny vazimba teratany izany no tsy niaraha-nankalazaina tamin'ireo mpitarika ara-panahy na tamin'ireo fokonolona teratany [tena tompon'ilay kolontsaina].

Eny ambony sehatra, tsy ireo vazimba teratany no nanao ny fiakanjoany [1] ao anatina fampisehoana fanalan'andro ary mpanatrika tsy vazimba teratany avy amin'ny vato nasondrotry ny tany goatemalteka no naka ny ivon-toerana manan-danja indrindra amin'ny fanaovanm-pombafomba Maya, antsoina hoe Tikal, [2] miandry ny fahatongavan'ny vanim-potoana vaovao. Navela tao ivelany ny vazimba teratany, nanao fihetsiketsehana izy ireo tamin'ny filalaovana ny zavamaneno nentim-paharazana antsoina hoe Marimba [3].

Tempoly Tikal Gran Jaguar avy amin'i Graeme alalana Creative Commons Attribution License hita ao amin'ny http://www.flickr.com/ [4]

Nitatitra vao maraimben'ny 20 desambra ny Federasiona Goatemaltekan'ny Radio Maya [5] fa tsy navela hiditra tao amin'ny Valan-javaboarin'i Tikal, toera-panaovam-pombafomban'ny 13 Baktun ireo manampahefan'ny Mam – komitin'ny Maya. Ny tompon'andraikitry ny fizahantany goatemalteka no nandrara azy ireo tsy hiditra, tamin'ny filazana fa mikatona noho ny fampisehoana izay hotontosaina tao ny toera-panaovana fombafomba.

Tonga aloha be avy amin'ny lafivalon'ny firenena ireo lehilahy sy vehivavy hikarakara ny fombafomba nentim-paharazana saingy najanona tao ivelany mandra-pahatongan'ny tamin'ny sasakalina latsaka fahefany alina, fotoana namelana ny mpitari-pivavahana hanatontosa ny lanonana nentim-paharazana. Vitsy an'isa moa ny mpanatrika avy amin'ny vazimba teratany noho ny sady tsy fanasana azy ireo no tsy famelana azy ireo hiditra ny foiben'ny toera-pombafomba. Azonao trohina eto ny fitantarana amin'ny alalan'ny feo [6] [es].

Tsy izao ny fanilikilihana voalohany nanjò ny vahoaka Maya. Efa nambaran'ny Komitim-bahoaka Maya Andrefana [7] mialoha ny adin-tsainy :

Oxlajuj B'ak'tun no fotoana fanamafisana ny fanao sy fahendren'ny razana ary ny fitadiavana tsy mana-pahataperana ny fifandanjana [~mifandrindra?]; io no fotoana tsy maintsy “iakarana”, mampakatra ny fahatsiarovan-tenan'ny olombelona ary manaiky ny [maha-olombelona antsika] mba hahatongavana amin'ny fifankahazoana iraisana. Ny dikan'izany dia tsy maintsy miantoka isika fa “mifandrindra amin'ny habakabaka iray manontolo [kosmos] sy ny Reny Tany ny tena olombelona”, amin'ny alalan'ny fanamafisam-pifandraisana sy fifanajana eo amin'ny kolontsaina sy ny lanjan'ny fiavahan'ny fiaraha-monina tsirairay. Raha tsy misy izany dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana ny fifandrohizana misy eo amin'ny tsirairay sy ny zava-misy manokana eo aminy.

Fanimbazimbana ho an'ny vahoaka Maya ny mahita ireo mpanankarena sy ny rafi-panjakana mampiroborobo izay HAHARAVINDRAVINY ny Oxlajuj B'ak'tun [ho fomba fandihy sy fiakanjo fotsiny], mampanao ity lanonana manandanja ity ho entam-barotra, manangana politikam-pampiroboroboana fizahantany sy fampisehoana an-tsehatra tsy mifanaraka amin'ny fomba fijerin'ny Maya izao hary rehetra izao [kosmos].

Mahamenatra ny ataon'ny fitondrana goatemalteka mampino ny fiaraha-monina iraisam-pirenena fa fampiroboroboana ny kolontsaina Maya izany, raha mbola hentitra amin'ny politikam-pangalàna ny loharanon-karena voajanaharinay izany. Hita izany amin'ny fisiana toera-pitrandrahana ara-pambolena an-jatony sy fanerena hitrandrahana harena an-kibon'ny tany, fananganana tohodrano, fitrandrahana solika, volo tokambolo midadasika ho ana orinasa iraisampirenena, ary izany dia amin'ny anaran'ny fampandrosoana sandoka ho fomba fanjakazakana sy fanavakavaham-bolonkoditra any Goatemalà.

Mandady ny fanavakavaham-bolonkoditra any amin'ny Firenen'i Goatemalà, ary mbola mafy ny rafi-panavakavahana eo amin'ny sehatra ara-panjakana sy fifandraisan'ny olona ao amin'io firenena io, izay maka endrika vaovao tahaka ny fanilihana taratra amin'ny fankalazana vanim-potoana vaovao eo amin'ny sivilizasiona Maya izao.  Antenaina fa avela hanatontosa ny fankalazana mifanaraka amin'ny fombany sy ny finoany ireo mpitari-pivavahana Maya amin'izao andro manaraka izao, sady mifarana amin'ny 30 desambra ny lanonana isan-karazany ary mba ho henon'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena anie ny feo sy ny fangatahan'izy ireo.