Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila

Hiatrika fitsarana miaramila ao Syria i Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana Bassel Safadi ihany koa, ary tsy navela haka mpisolovava izy. Tany am-ponja foana ity mpilatsaka an-tsitrapo manam-pahaizana manokana momba ny rindrambaiko misokatra sy Creative Commons ity nanomboka ny volana Martsa. Nanatontosa hetsika  #FastforBassel tao amin'ny Twitter ireo mpanohana azy manerantany mba hanentana mikasika ny tranga mahazo azy.

Mpikatroka Maoritaniana, Naser Weddady no nitarika ny hetsika, toa hita fa hahazo fanohanana betsaka tokoa ny hetsika satria marobe ireo olona nisoratra anarana fa hifady hanina mandritra ny iray andro mba hisarika ny saina manoloana ny toe-draharaha ratsy mahazo an'i Safadi ary hanery ho amin'ny fanafahana azy.

Tao amin'ny Twitter, Weddady nanambara voalohany tamin'ny sioka fa hifady hanina ho an'i Safadi izy:

@weddady: Hifady hanina aho amin'ny 19 Desambra ho firaisankina amin'i Bassel Safadi. Iza no hanaraka ahy? #FastForBassel #FreeBassel

Bassel Khartabil (Safadi)

Bassel Khartabil (Safadi). Sary avy amin'i Joi Ito (CC BY 2.0)

Avy eo, Bilaogera Libaney Mohamad Najem nilaza fa hifady hanina ihany koa. Weddady nanoro hevitra azy:

@weddady: .@MoNajem Mo, ahoana raha mifady hanina ianao ny andro manaraka mba hahafahantsika manao rojom-pifadian-kanina mitohy mandra-pamoahana an'i Bassel #FreeBassel

Avy eo, napetraka ny Doodle ho an'ireo izay hisoratra anaraka ka vonona hifady hanina ho fanohanana an'i Bassel.

Najem nanoratra hoe:

Hanao fifadian-kanina mitohy izahay mba hanohanana ny namanay Bassel Safadi & hanaitra ny saina mikasika ny toe-javatra mianjady aminy hatramin'ny nisamborana azy tao Syria, 9 volana mahery izay. Nafindran'ny mpitandro ny filaminan'ny fitondrana izy mba hiatrika “karazam-pitsarana” manala-baraka maharikoriko–Fitsarana fohy ara-miaramila izay tsy mahazo mizaka ny zony haka mpisolovava, na hampiakatra fitsarana ambony, ireo voampanga. Hifady hanina izahay manomboka rahampitso mandra-panafahana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo iray isan'andro no hifady hanina mba hanao fifadian-kanina mitohy miaraka amin'ny naman'i Bassel sy ireo mpanohana ny fahalalaha-pitenenana

Manaraha an'i Weddady, Najem ary ny  mpiara-mamorona ny Creative Commons, Larry Lessig amin'izany fifadian-kanina faobe izany.

Raha te-hahazo fanampim-baovao hafa, tsidiho ny freebassel.org

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.