Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina
Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy.
Nanambara ity Sekretera Jeneraly ity fa tsy noho ny krizy mamely ny firenena ihany no antony mahatonga ireo tanora Espaniola mifindra monina fa “raha lazaina, dia noho ny saina sahisahy amin'ny fahatanorana” ihany koa.
Niteraka resabe izany fanambarana izany, indrindra fa fanambarana avy amin'ny tompon'andraikitra ambony eo amin'ny governemanta izay te hiavaka amin'ny fehezanteniny mahasosotra. Ampatsiahivina ny “fanevatevana” ireo tsy an'asa nataon'i Andrea Fabra, sy ny fanambaran'i Pilar Sol izay miampanga ireo tsy an'asa sasany ho mandanilany fotsiny ny vola fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'ny “fahilavitra plasma” ary koa ireo teniteny foana tsy tambo isaina vao haingana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Cristina Cifuentes sy ny Minisitry ny Fampianarana, José Ignacio Wert [fr].
Tsy niandry fotoana ela araka ny efa nampoizina ny mpiserasera ka naharay fanehoan-kevitra an-jatony ny tenifototra toy ny hoe #espírituaventurero (saina sahisahy) sy ny #NoNosVamosNosEchan (Tsy isika no niala, fa ry zareo no nandroaka antsika) taorian'ny fahafantarana izany fanambarana izany. Tahaka ny sioka nataon'i @Hans, @08181 sy Alvaro Velasco (@alvaro_velasco) :
@Haannnssss: Nahare aho fa eo am-panoratana planina amin'ny “Indiana Jones” andiany manaraka i Marina del Corral: “Mitady Asa very” #NoNosVamosNosEchan
08181@: Misy olona afaka manazava amin'i Marina del Corral ve fa mijanona ao Espaina ny fahasahisahiana
@alvaro_velasco: Marina del Corral… Ny saina sahisahy dia ny fandehanana any Pyrénées mba hanao fanatanjahatena mahery vaika. Tsy mila miasa any amin'ny “fast-food” ao Berlin.
Nampatsiahy i Nolesvotes fa efa niteraka famonoan-tena marobe ny fandroahana vao haingana niseho:
@Nolesvotes: Nanambara i Marina del Corral fa mifindra monina ireo Espaniola ary ireo olona izay niharan'ny fandroahana sy nitsambikina teny ambonin'ny rihana dia nanao “balconing” [mitsoraka ao amin'ny dobo avy eny an-davarangana][en].
Nanamarika i César fa toa tsy miraharaha ny zava-misy iainan'ny mponina isan'andro isan'andro ny governemanta:
@CatoMad: Mividy fahitalavitra plasma ireo tsy an'asa ary miala ao Espaina ireo tanora noho ny saina sahisahy. Ianareo, mpikambana ao amin'ny Governemanta espaniola, jereo ny zava-misy!
Mpisera twitter (@whoanrubi), Яubén Sánchez (@rubensancheztw), Ciudadano Libre (@SuperTTuitero) sy SorriSorrilla (@SorriSorrilla) nandray izany tamim-pivazivaziana:

Sora-baventy: «Raha vita ny fianaranao ao Espaina, safidy telo no azo ataonao: an-tanety, an-dranomasina na an'habakabaka ». Sary tao amin'ny habaka kaosenlared.net
@whoanrubi: Araka ny filazan'ny Sekretera Jeneraly ny Fifindra-monina, “isika, Espaniola, mifindra monina noho ny saina tia kisendrasendra isika”. Eny! Ary atao fandidiana kambotsinay (appendicite) isika mba hahalana izay zava-misy ao anatin'ny kibontsika!
@rubensancheztw : Avy amin'ny mpamorona ny: “Tsy fanapahana ny fanampiana ara-bola, fa fanovana” no nahatongavan'ny : “Tsy noho ny krizy no nahatonga ny fifindra-monina fa noho ny saina sahisahy”
@SuperTTuitero: Ny nerônina tokana mba ananan'i Marina del Corral dia ny #espírituaventurero saina sahisahy ihany koa
@SorriSorrilla: “Nanivatsiva ny helodrano tamin'ny sambo [misokatra] “tsizarizary” ny Afrikanina Atsimon'i Sahara satria mankafy ny mandeha zara fa zahatra izy ireo “, Marina del Corral!

Saritanin'ny fifindra-monina espaniola tamin'ny taonjato faha-21. Sary tao amin'ny bilaogin'ny «Periodismo con Gafas»
Namoaka taratasy misokatra ho an'i Marina del Corral ny vondrona mpifindra-monina any Soisa izay nanazavany ny fepetra sarotra tsy maintsy hatrehin'ireo mpifindra monina matetika rehefa miala ao Espaina izy ireo :
[…] Amin'ny lafy tsaran'ny tantaran'ireo izay mahita asa no miampy ihany koa ny famelan'ireo ray sy reny ny zanany irery ao an-trano, ao koa ireo Olom-pirenena espaniola izay lasa matory ao anaty fiara na amin'ny trano fiantranoana satria tsy nahita asa izy ireo ary mivelona amin'ny tahiry sisa izay nentin'izy ireo, izay tsy mahay fiteny vahiny saingy, na eo aza izany rehetra izany, tsy manan-tsafidy hafa ankoatra ny mandao ny toerana izy ireo, tantaran-tsy fahombiazana sy fiverenana any an-tanindrazana hitanty ny toe-javatra ratsy kokoa noho ny tamin'ny fiaingana. […]
[…] Nahenan'ny Governemanta misy anareo ho 60% ny fanampiana ara-toekarena ho an'ireo fikambanana tsotra sy fikambanana mpanao asa soa izay manome fiahiana ara-tsosialy sy fitsaboana ho an'ireo mpifindra-monina espaniola any am-pitan-dranomasina izay tsy manam-pivelomana, ary nahenany ho 14,5% ny tetibolan'ny Fitantanana Ankapoben'ny fifindra-monina ary miatrika fanalam-baraka noho ny fanambaran'ny Filohan'ny Fitantanana Ankapoben'ny Olom-pirenena espaniola any ampitan-dranomasina izy ireo: “Tahaka ny Vehivavy ny lalàna. Natao hitsakitsahana“.
[…] Ny zavatra takianay aminao dia ny fanajana bitika anay Espaniola lahy sy vavy mendri-kaja an'arivony, izay tsy nandao ny firenenay hijery ny fitsokan'ny rivotra any ivelany, na hiaina toe-javatra mampandroso ary hody an-tanindrazana rehefa reraka avy eo. Hiala ny firenenay izahay noho ny faneriterena sy noho ny fo torotoro, eny fa na dia manam-pahaizana aza, satria tsy manana foto-pivelomana.
Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Hiresaka koa
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
1 hevitra