- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group [1], dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [2] [zh], izay an'ny orinasa miorina ao Hong Kong antsoina hoe Next Media Ltd [3].

Miharihary fa mikendry ny hanitatra ny ambaindainy ao Taiwan ny filoha mpitantana ny fahilavitra manohana an'i Shina Want Want China Times Group, antsoina hoe Tsai Eng-Meng [4], ary mampiahiahy ny mponina Taiwaney izay sahiran-tsaina amin'ny fitsabahan'ny governemanta Shinoa amin'ny politika ao Taiwan ny fanaovany ampihimamba ny fampahalalam-baovao.

Na dia teo aza ny hetsika goavana nataon'ireo mpianatra marobe [5] amin'ny fanoherana ny fanaovana ampihimamba ny fampahalalam-baovao taorian'ny fividianana natao farany indrindra tany Taiwan, tsy noraharahian'ny governemanta ny ahiahy sy ny fitakian'izy ireo. Ankehitriny, nikarakara hetsika antserasera [6] ihany koa ireo Taiwaney ampitan-dranomasina manerana izao tontolo izao.

[7]

Yu-Hsi Liu, mpahay lalàna, nanazava ny antony mahatonga azy hanohana ny hetsika. Nahazoan-dalana.

Yu-Hsi Liu [7], mpahay toekarena, nanazava ny antony mahatonga azy manohana ity hetsika ity:

Fantatro fa tsy manohana ny lalàna manohitra ny ampihimamba ny tia fahafahana baranahina. Saingy ao Taiwan, miatrika zavamisy hafa ny lalàna fanoherana ny ampihimamba: miatrika hery avy any ivelany izay mandrahona ny fahalalahan'ny varotra sy ny fahalalahana eto amintsika isika. Tsy avy amin'ny fombam-barotra mahazatra ny herin'ny ampihimambany; fa avy amin'ny fitadiavam-bolan'i [antokon'ny fitondrana] KMT [8] sy ny CCP [9] [Antoko Kaomonista ao Shina]. Izany no antony mahatonga anay manohitra ny fanaovana ampihimamba eo amin'ny tsenan'ny fampitam-baovao.

Nanazava ihany koa ny Vondrona mpianatra Taiwaney ao Ejypta [10] [zh] fa mety hanimba ny fijerin'ny mpanara-baovao ny fanaovana ampihimamba ny fampahalalam-baovao:

兩周前加薩砲火再起,西方主流媒體大多單方面的報導以色列政府所發出的聲明,而輕描淡寫報導以色列軍隊造成慘烈的平民死傷……各大西方媒體的不平衡報導是背後有無數政治和資金操作導致。……再反觀台灣,當我們的媒體被中國資金控制,為財團利益屈服,我們該如何能看見真相?

[11]

Mpanao fihetsiketsehana milanja teny filamatra tao amin'ny kianjan'i Beijing Tiananmen. Sary avy amin'ny pejy Facehook “What's Next” (Inona ny manaraka), .

Roa herinandro lasa izay, raha nanomboka indray ny ady tao Gaza, ny fanambarana navoakan'ny governemanta Isiraelianina ihany no mba notaterin'ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao mahazatra tao amin'ny firenena Tandrefana ary zara raha nitantara momba ny voka-dratsy goavana vitan'ny mpitandro ny filaminana nalefa avy any Isiraely ry zareo[…] Noho ny herin'ny fikambanana politika maro sy ny vola no mahatonga ny tati-baovao ho mitongilana tahaka izany any amin'ny firenena Tandrefana[…] Raha mijery an'i Taiwan isika, raha fehezin'i Shina ny fampiasam-bolan'ny fampahalalam-baovaontsika ary vondrondra [iray] no mifehy ny fampahalalam-baovao, ahoana no ahitantsika ny marina?

Mba hanoherana ny ambaindain'ny governemanta Shinoa, nanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianjan'i [11]Tiananmen ny Taiwaney [12] iray, kianja maneho an-tsariohatra ny lolom-pon'ny vahoaka sy ny famoretana ara-politika tao Shina.

[13]

Mpanao fihetsiketsehana avy ao Alemana. Sary avy amin'ny pejy Facebook “What's next”,  tsy resa-barotra ny fampiasana ny sary.

Fanamarihana avy amina mpanao fihetsiketsehana antserasera [13] [zh] izay nalefa avy any Alemaina no afaka mamintina ny eritreritr'ireo mpanao fihetsiketsehana manerantany:

趁我現在還能夠說話,言論發表不會被莫名其妙撤掉,趁你現在抓不到我,趁你現在封不住我的嘴,我要大聲說:「不管你是錢賺得不夠多,還是手上握有更多更黑暗的政治利益,長遠來看,這麼做就是出賣了國家的安全,我不願意被你們控制,我不想當個愚民,我只是一個大學生,但我堅持抗議到底。」

Raha mbola manam-potoana hanehoana hevitra aho, raha mbola tsy nesorina tsy amin'ny antony ny lahatsoratro, raha mbola tsy afaka misambotra ahy ianao, raha mbola tsy afa-manakana ahy tsy hiloa-bava ianao, tiako hodradradradraina mafy izao, ‘satria [ataonao izany] satria tsy dia nahazo vola ampy ianao na manana politika maloto ambadika ianao, rehefa ela ny ela, amidinao ny fiarovam-pirenena. Tsy tiako ny hofehezinao, ary tsy te ho olona tsy misy saina aho. Mbola mpianatra aho, saingy hanohy hanao fihetsiketsehana aho mandra-piovanao.’