Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana nataon'ny filoha Mohammed Morsy – ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary ny nalaza indrindra dia ny sit-in natao manodidina ny Lapam-Panjakana.
Ny mpaka sary Jonathan Rashad, izay navitrika tamin'ny fampiasana ny fakan-tsariny hanangonam-baovao tamin'ny hetsika lehibe hatry ny fanombohan'ny revolisiona ejipsiana, no nizare ireo sarina graffiti manaraka ireto izany milaza ny tantara ao amin'ny kaonty Flickr.
Indreto nofantenana:
Nisy nanafika ny sit-in teo anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 5 desambra, izay niafara tamin'ny fahafatesana 6 sy ireo maro maratra. Nivoaka taty aoriana ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpanao fihetsiketsehana anti-Morsi nampijaliana teo am-pelatanan'ny mpanohana an'i Morsi. Maro ny tamboho natsangana manodidiina ny lapam-panjakana hisorohana ny fanatonan'ny mpanao fihetsiketsehana. Tratran'ny graffiti an'ny artista koa ireny mazava ho azy.