Mitatra Any Amin'ny Fanorenana Tranobe Raitra Ho An'ny Governemanta Ny ‘Aretin'ny Figalabonana’ Ao Shina

Tsy zava-baovao ao Shina ny tranobe mirentirentin'ny governemanta, kanefa kosa, tsy misy azo ampitahaina amin'ny tranobe vaovaon'ny governemanta ao Jinan, renivohitry ny fairtany atsinanan'i Shina, Shandong.

Araka ireo tatitry ny mpilaza vaovao [zh], ny “Long Ao building” dia mitentina  4 lavitrisa RMB (640 tapitrisa dola amerikana), ary ny lehibe indrindra sy lafovidy indrindra amin'ireo tranon'ny governemant any Shina.

Ilay tranobe mitentina 4 lavitrisa RMB an'ny Long Ao no lehibe sy lafovidy indrindra amin'ireo tranoben'ny governemanta any Shina. Dikasarin'ny fàfana avy amin'ny tatitry mpampahalalal vaovao tao amin'ny youku.

Marobe ireo mpisera ety anaty aterineto no nampitaha ny tetibolan'ilay tranobe 4 lavitrisa amin'ny 180 tapitrisa, fandaniana ataon'ny tanàna ho an'ireo mahantra ao an-toerana hatramin'ny 2003.

Manampahefana iray avy amin'ny governemantan'i Jinan no nanazava tamin'ny 11 Desambra 2012 fa ilay fampiasam-bola 4 lavitrisa dia nahitàna ny sandan'ny fandravàna ilay trano tranainy teo aloha ary ny fanamafisana ny tany hanorenana. Nanamafy izy fa “tsy nisy fa ‘penny’ iray avy amin'ny volan'ny governemanta nampiasaina” satria ny vola dia avy amin'ny fanoloana ireo tranobe tranain'ny governemanta.

Ilay fanehoan-keviny feno tsy firaharahiana dia vao mainka nitondra hatezerana bebe kokoa tety anaty aterineto, nahitàna mpisera marobe nitaky ny mangarahara. Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra sasany avy amin'ireo manampahaizana sy bilaogera fanta-bahoaka ary ireo mpanangom-baovao.

Resaka maneso :

于建嵘: 要好好查一下,是哪一个缺心眼的设计师,为何不是全球第一呢?!不第一,如何对得起咱们伟大的国家和伟大的时代啊!

于建嵘: Fa inona no tsy milamina amin'ilay mpanao trano e? Tokony hokarohantsika ilery. Nahoana io no tsy nataony ho ny fotodrafitrasa tokana goavana indrindra eran-tany?! Fomba haha-mendrika azy eto amin'ity firenena goavana ity sy ny fotoam-pahombiazany izany!

 抚顺李明律师:因为他们的家人都在美国,只好谦让一下了。

抚顺李明律师: Satria ny fianakavian-dry zareo any Amerika, dia tsy maintsy mba somary man,etry tena ry zareo e.

 Antso hisian'ny Mangarahara Bebe Kokoa: 

恩吉尔斯奈特:说实话,第一次看到龙奥大厦这么大的行政办公大厦的时候我也震撼了,其经费来源的确有必要向公众公示。

恩吉尔斯奈特: Am-panetren-tena, sambany aho izao mba nahita birao goavambe iray an'ny governemanta, tena taitra be aho. Ilaina ny mba hahafantaran'ny daholobe ny loharanom-bola.

 

菁菁远山:如果说政府大楼”没有花政府一分钱”,这只能证明济南政府具备了超强的掠夺实力,政府成了一个超级“权力公司”,其权力资本的运作能力和水平可谓达到了一个令人生畏的程度,因而龙奥大厦无疑成为观察中国社会的一个窗口。

菁菁远山: Raha miteny ny governemanta fa “tsy nisy volan'ny governemanta nampiasaina”, midika izany fa manana fahafahana matanjaka be ny governemantan'i Jinan hanao zavatra, lasa “toby matanjaka mpamokatra angovo” ny governemanta, izay ny goavana dia goavana tokoa ny fahafahany mihetsika sy ny haavony. Tsy isalasalàna fa fitaratra iray itarafana ny fiarahamonina Shinoa ilay tranobe ao Long Ao.

 

吴龙贵:“没花政府一分钱”的辩解,比之豪华办公楼更让人无法容忍。因为这不仅是民意的公然无视和挑衅,更表明地方政府对公共财政和公共资源的使用缺乏理性的认识。公众有理由质疑,在豪华办公楼的背后,有多少纳税人的钱是以“没花政府一分钱”的名义理直气壮地挥霍掉的?

吴龙贵:  “Ity “ hoe tsy nisy volan'ny governemanta nampiasaina io”  dia vao mainka tsy azo leferina noho ilay tranobe mirentirenty tenany mihitsy, satria dia fihantsiana tsotra izao, tsy firaharahiana mivandravandra loatra momba izay mety ho hevitry ny vahoaka. Mampiseho io fa ny governemanta ao an-toerana dia tsy manana fahalalàna matotra momba ny fampiasana ny vola sy ny fananam-bahoaka. Ananan'ny olona tsirairay tsara mihitsy ny antony hametrahany fanontaniana hoe, ao ambadik'ity tranobe raitra ity, ohatrinona amin'ny volan'ny vahoaka mpandoa hetra no nobankoavina tamin'ny anaran'ny hoe “sy nisy volan'ny governemanta nampiasaina”?

 

和讯网评论:从程序看,根治政府办公楼建设中的“豪华病”,有必要通过制度建设加强对相关人的责任追究,形成制度性压力。从财政开支看,政府大楼建设花的是纳税人的钱,需要人大依法进行预算监督,推动预算的公开透明化。

和讯网评论:Ahoana no fomba hitsaboana “ny aretin'ny figalabonana” amin'ny resa-panorenana tranobe ho an'ny governemanta? Ilaina ny fanamafisana ny fandraisana andraikitr'ireo manampahefan'ny governemanta amin'ny alàlan'ny fifehezan'ny lalàna. Nampiasa volam-bahoaka ny fanorenana tranobe ho an'ny governemanta, ilain'ny Kaongresy Nasionalim-bahoaka ny mampihatra fanarahamaso ny tetibola, mifanaraka amin'ny lalàna sy ny fampiroboroboana ny mamngarahara amin'ny resaka tetibola.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.