- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Mehzar – Shiita Kely Taona Indrindra Niharan'ny Herisetra

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Syeda Mehzar Zahra, anisan'ireo kely taona indrindra niharan'ny fanafihana nataon'ireo mpampihorohoro sy fikambanana mahery fihetsika ao Pakistan tamin'ireo Miozolomana Shiita. Voatifitra ity tovovavy 12 taona – izay nantsoina hoe Anna Frank Pakistana taloha [1] -raha naka azy tany an-tsekoly ny rainy, Syed Nazar Abbas.

Ny marainan'ny 30 Novambr [2]a 2012 no nisehon'izany raha voalaza fa notifirin'ireo fikambanana mahery fihetsika [3] Sipah-e-Sahaba Pakistana [4] tamin'ny bala ny fiara nandehanany. Namoy ny ainy tamin'izany ny rainy, Abbas noho ny tifitra nahazo azy, raha toa kosa velona ihany ity tovovavy izay naratra mafy noho ny tifitra nahazo azy ihany koa.

Extracted from ShiaKillng.com

Mehzar Zahra – pikantsary tao amin'ny lahatsary ShiaKillng.com [5]

Namonjy dokotera haingana i Mehzar Zahra, ary ankehitriny miady amin'ny fahafatesana izy ao amin'ny hopitaly iray ao Karachi.

Ali Mehdi nisioka hoe:

@dosra_janum [6]: #Mehzar: Tapaka ny taolan-damosiny, simba ny ambavafony, niala ny voany iray. Malemy tanteraka izy ary tsy afaka mihetsika ny ranjony. Mivavaha ho azy azafady!

Syeda Afrin Abbas nisioka hoe:

@Afrin_Abbas [7]: Niharatsy tanteraka ny toe-pahasalaman'i #Mehzar ny 24 ora taoriana. Very fanantenana ireo mpitsaho! #Mivavahahoan'iMehzar [8] @>Darveshh [9] < @AbdulNishapuri [10] @TahirImran [11]

Indrisy fa tsy mba notantarain'ny fampahalalam-baovao (haino aman-jery) Pakistaney ho vaovao malaza izany toe-javatra izany. Fanampin'izany, tsy mba niadian-kevitra akory izany olana lehibe izany ny ampitso nisehoan'ny fanafihana mahatsiravina. Sady sahirantsaina no tezitra ireo mpisera Twitter marobe noho ny fahanginan'ny fampahalalam-baobao (toy izany koa ny gazety) manoloana ny zava-niseho:

Yusra Askari nisioka hoe:

@YusraSAskari [12]: Aiza ny fampahalalam-baovao sy ireo lazaina fa firaisamonim-pirenena ary mpiaro ny zon'olombelona? http://bit.ly/VsIDCE  [13] #Mehzar [14]  #ShiaGenocide [15]

Etsy andaniny, toa nangina ihany koa ny mpikatroka ara-tsosialy tamin'ny raharaha Mehzar raha oharina tamin'ny loza nahazo an'i Malala (jereo ny tatitry ny Global Voices [16] [mg]) roa volana lasa izay.

Shia Hazara Girl nisioka hoe:

@ShiaHazara1 [17]: Raha tsy misy ny fijerena mitovy, tokony mba hisy ny fo onena amin'i #Mehzar [14]. Tsy i #Malala [18] izy noho ny finoany!

Mahwish Raza nitaraina hoe:

@jkitsmawish [19]: “Tahaka an'i #Malala [18] […] niharan'ny herisetra ihany koa i #Mehzar [14] […] aiza ny #fampahalalam-baovao [20] & ny antsoina hoe fiarahamonim-pirenena & #mpikatroka ny zon'olombelona [21]?”

Vavaka sy sento indrindra no tena hita sy nameno ny twitter. Izany ihany no zavatra azo atao raha afaka miliba manao izay tiany atao ireo mpampihorohoro ary tsy voasazy. Masoivohon'i Pakistana ao Etazonia, Sherry Rehman nisioka :

@sherryrehman [22]: Mivavaka ho an'ity tovovavy kely @MehrTarar: Manetri-tena,F @faisalsubzwari [23]: mipoa-tsatroka noho ny finiavanao miresaka ny olana mahazo ny mahantra #Mehzar [14] (Rohy) [24]

Mehr Tarar nisioka hoe:

@MehrTarar [25]#Mehzar [14] ao amin'ny sampan-draharaha fameloman'aina. Mivavaha ho an'i #Mehzar [14] azafady. Mila vavaka avy amin'ny #Pakistan [26]a rehetra izy. 12 taona izy; miady amin'ny fahafatesana. #PrayforMehzar [27]

Vao haingana ny filohan'i Pakistana, Asif Ali Zardari no nandeha nitsidika an'i Malala, izay manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly Britanika ankehitriny. Nangatahana ihany koa ny fitsidihan'ny filoha tahaka izany ho an'i Mehzar Zahra ao Karachi.

Abdul Nishapuri nisioka hoe:

@AbdulNishapuri [28]: “Nitsidika an'i Malala tany Alemaina ny filoha Zardari tamin'ny Asabotsy.” Vaovao tsara izany. Vangio ihany koa i #Mehzar [14] ao Karachi azafady rehefa tafaverina ao Pakistana ianao.

Ali Natiq sy Ali Abbas Taj nanomboka nampiasa tenifototra vaovao [29][ur] antsoina hoe #iammehzer [30]. Kanefa indrisy, tsy lasa “teny malaza” teo amin'ireo mpiserasera izany. Olona 113 [31]fotsiny no mba nizara izany tamin'ireo mpisera Twitter tamin'ity volana ity.

Miozolomana 20.000 [32]mahery no nisy namono noho ny finoan'izy ireo. Toa tsy mba mitsahatra mihitsy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tahaka izany.

Manodidina ny  10% ka hatramin'ny 15% [33] [pdf] ny isan'ireo Miozolomana Shiita raha oharina amin'ny isan'ny mponina manontolo ao Pakistan. Raha efa olana maharitra tao Pakistan ny herisetra noho ny fivavahana, vao taona vitsy via vitsy kosa no nihabetsaka ny fanafihana ireo miozolomana shiita. Araka ny nambaran'ny Human Rights Watch [Mpanara-maso ny Zon'olombelona], nandritra ity taona 2012 ity, faharafakeliny mpikambana 320 [34] avy amin'ny mponina Shiita tao Pakistan no lasibatra sy maty nandritra ireny fanafihana ireny.

Vao haingana no nitenenan'i Brad Adams [35], talen'ny Human Rights Watch faritra Azia hoe:

Deadly attacks on Shia communities across Pakistan are escalating. The government’s persistent failure to apprehend attackers or prosecute the extremist groups organizing the attacks suggests that it is indifferent to this carnage.

Mihabetsaka ny fanafihana miteraka fahafatesan'ireo avy amin'ny vondro-piarahamonina Shiita manerana an'i Pakistan. Ny tsy fahombiazan'ny governemanta tsy mahasambotra ireo mpanafika na tsy mitsara ireo vondrona mahery setra manomana ireny fanafihana ireny no mampanombana fa tsy miraharaha loatra izao fandripahana izao izy.