Hetsika “Fampanajana Ny Lalampanorenana” Any Ethiopia

Nifamory niaraka tamin'ny mpiserasera Ethiopiana ny vondrondra bilaogera tanora Ethiopiana sy ireo mpikatroka mipetraka any Addis Ababa mba hanajàn'ny governemanta ny Lalampanorenana Ethiopiana. Nisongadina na tany amin'ny Facebook na tany amin'ny Twitter ny fanentanana #RespectTheConstitution ary mampahafantatra ny izay [andalana] itsakitsahan'ny fitondrana Ethiopian ao amin'ny lalampanorenana.

Afisy ao amin'ny Facebook milaza hoe “Hajao ny Lalampanorenana” [amh]. Loharanon'ny sary: Pejy Facebook Hajao ny Lalampanorenana.

Sady nanangana pejy ho an'ny mpankafy no nanangana pejin-dalonana ao amin'ny Facebook izay niroborobo haingana dia haingana ny vondrona. Ny hetsika moa dia natao hanairana ny antoko mitondra tsy hanao izay hampitahotra ny Ethiopiana ary natao hanainga fanahy ny olom-pirenena ‘hitsipaka ny fampitahorana mifanohitra amin'ny lalampanorenana’. Nizaraizao hafatra izao, izay niely vetivety tao amin'ny Facebook i Befeqadu, Tonian'ny Global Voice Amharic:

ፍርሐት ሕገ-መንግሥታዊ አይደለም፤ የአንድን አገር የሰብኣዊ መብት ጥሰት ባሕል እና ታሪክ መንሰራፋት የሚያረጋግጥ እውነታ እንጂ! ፍርሐት አርቆ አሳቢነትን ይገላል፣ ብሎም የተሻለ ነገን የመፈለግ እና የማለም አቅም ያሳጣል። ፍርሐት እንቅፋት ነው፣ ፍርሐት መንፈስን ሰብሮ ሐሳብና ምናብ ያሳጣል፤ ነጻነት ግን ፈቃድ ላይ የተመሰረተ ነው፣ ነጻነት ያበረታታል፣ ነጻነት ሰላማዊ ነው፣ ነጻነት ይታገሳል፣ ነጻነት ፍቅር ያቃል፣ ነጻነት ከሁሉም ይልቃል፣ ነጻነት ማለቂያ የለውም/ዘላቂ ነው፡፡ ራዕይ የሌለው ሕዝብ ይባክናል ይባላል፡፡ ኢሕአዴግ ሕዝቡን በፍርሐት ግድግዳ በማጠርና ሐሳብን በነጻ የመግለጽ ተፈጥሯዊ መብታችንን በመገደብ ሕዝባችንን እያባከነው ነው፡፡ ሕገ-መንግሥቱን በማክበር እና ኢሕአዴግም እንዲያከብረው በመጠየቅ ኢትዮጵያን እናድን፡፡ ሕገ-መንግሥቱ ይከበር

Mifanohitra amin'ny lalampanorenana ny TAHOTRA ary porofon'ny fisaringodringotry ny kolontsaina sy tantaran'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny eto amin'ny tanindrazantsika. Mamono ny saina afa-mamorona sy manakana ny otri-paniriana sy fahaizana mitsinjo ny hoavy tsaratsara kokoa ny tahotra. Mamefy sy manakivy ny tahotra. Mahatonga ny fanahy tsy ho afa-mihetsika ny tahotra sy mamotika hevitra sy tarigetra. Mamela ny fahafahana, manome aingam-panahy ny fahafahana, milamina ny fahafahana, mahazaka ny fahafahana, mitia ny fahafahana, mahahoatra ny sakana ny fahafahana, maharitra ny fahafahana. Lazain-dry zareo fa ringana ny vahoaka tsy manana vina. Mitondra ny firenena ho ringana ny EPRDF amin'ny alalan'ny fananganana ny rindrin'ny tahotra sy ny fandavana ny zontsika ho amin'ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoana hevitra. Avoty i Ethiopia amin'ny fanajàna sy mitaky ny EPRDF #RespectTheConstitution [hanaja ny lalampanorenana]! ሕገ-መንግሥቱ ይከበር!

Mandritra izany fotoana izany, nanomana fihetsiketseha-panoherana milamina taorian'ny Vavaka isan-joma ny Miozolomana Ethiopiana nanonona ny andininy faha-27n'ny Lalampanorenana Ethiopiana izay miresaka momba ny fahalalaham-pivavahana, finoana ary hevitra. Nizara ny hetsika milamina nataony an-tsary ry zareo.

Miozolomana Ethiopiana nanao fihetsiketsehana tamin'ny 7 Desambra 2012 teo amin'ny Moskea Grand Anwar manohitra ny fitsabahan'ny governemanta amin'ny raharahan-tokantranony. Milaza ny andininy miresaka ny fahalalaham-pivavahana amin'ny Lalampanorenana Ethiopiana ny tarehimarika 27 . Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'i Dimtsachin Yisema ao amin'ny Facebook.

Nalaza vetivety tao amin'ny Twitter ny #RespectTheConstitution [Hajao ny Lalampanorenana]. Mijery ny fandaharan'asam-pampitam-baovao Afrikana an'ny CPJ:

@africamedia_CPJ: #Ethiopia's twittosphere buzzes with #RespectTheConstitution echoing #protests for religious & other freedoms #socialmedia #FF@BillGates

Mirohondrohon'ny akon'ny hetsika ho fahalalahan'ny fivavahana sy zavatra hafa ny tontolon-tsiokan'i Ethiopia

Saiky tafavadika sioka avokoa ny andalana/andininy ao amin'ny Lalampanorenana. Misioka i Kirubel Teshome:

Freedom of thought, speech and expression are the most inflated and expensive commodities in #Ethiopia today.#RespectTheConstitution!

Ny fahalalaham-pisainana, mikabary ary maneho hevitra no entam-barotra mibontsina sy lafovidy indrindra ao Ethiopia ankehitriny. Hajao ny Lalampanorenana 

Misioka i Daniel Beyene:

@DanielBeyene: The media have the right to report freely and to criticize any action of the government #FreeMedia #RespectTheConstitution #Ethiopia

Manan-jò hitatitra malalaka sy hitsikera ny fihetsika ataon'ny governemanta ny fampahalalam-baovao. Fampahalalam-baovao malalaka, hajao ny lalampanorenana

Misioka ihany koa i KweschnMedia:

@KweschnMedia: Art. 29:5 “media controlled by gov shall b organized in a manner suitable 4 accommodation of differences of opinion”#RespectTheConstitution

And. 29.5 ” ny fanaraha-mason'ny fitondrana ny media dia atao ho fandaminana ny fandraisana ny hevitra samihafa” Hajao ny Lalampanorenana

Misioka i Mahlet Solomon:

@MahletSolomon: Dec8th ,FDRE will mark the 18thyr of the adoption of the constitution while having 1000s in prison for exercising their right #RespectTheConstitution

8 desambra, hanamarika ny faha-18 taona nandaniana ny lalampanorenana ny FDRE nefa ahitana gadra an'arivony noho ny fampiasany ny zony. Hajao ny lalampanorenana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.