Bahrain: Mbola Fahirano Ny Tanànan'i Mahazza

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011/2012.

Efa ho iray volana eo izao ao Bahrain, iharan'ny fahirano noho ny antony ara-piarovana, baikon'ny Minisitry ny Atitanin'ilay fireneny ihany, ny tanànan'i Mahazza ao Sitra. Noho ny tsy fisian'ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao an-toerana, ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, indray mandeha indray, no hany fitaovana ahazoana ireo tatitra momba ny zava-nitranga teny an-kianja.  Tamin'ny alàlan'ny Facebook sy Twitter, nandefa ny famoriam-bahoaka tany aminy ho fanehoana fanohanana an'i Mahazza ry zareo Bahrainis sady nizara vaovao momba ireo fanafihana trano sy fisamborana maro. Tanaty hetsika iray ho fanehoana firaisankina amin'i Mahazza, ny vondron'ny mpanohitra Al-Wefaq dia nilaza tamin'ny 2 Desambra 2012, fa nisy maherin'ny 90 ny fisamborana ary manodidina ny 330 ny fidirana an-kerina tranon'olona hatramin'io andro io. Nitombo be ny isa nanomboka teo.

Fanoherana ny fahirano
Taorian'ny andiam-panafihana trano sy fisamborana tsy ara-dalàna, nanapa-kevitra ireo mponina ao Mahazza hanao hetsi-panoherana an-kalamanjana satria miady amin'ny fahirano noho ny resa-piarovana ny tanànan-dry zareo. Ny 29 Novambra, mampiseho ny fanafihana iray nataon'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny alàlan'ny entona mandatsa-dranomaso an'ireo mponina tao an-tanàna ity lahatsary ity (nakarin'i RevolutionBahrain):
http://www.youtube.com/watch?v=l5mfuzmsrUk

Ho setriny, nanao ny hetsi-panoherany ho fanohanany an'i Mahazza ireo tanàna manodidina an'i Bahrain. Ity lahatsary ity dia nakarin'i nabihsalehmedia  tao amin'ny YouTube mampiseho ireo mponin'i Nabih Saleh manao fihetsiketsehana sady mihiaka ny “Aongano i Hamad” – Hamad dia anaran'ny mpanjakan'i Bahrain. Ilay lahatsary koa dia maneho ny polisy mpandrava korontana mandefa entona mandatsa-dranomaso mankany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana:

Ity saripika ity dia maneho vehivavy manohitra ny fahirano ao Mahazza :

Nakarin'ny “Mahazza village Network (Tambajotran'ny Tanànan'i Mahazza )” tao amin'ny Facebook

Hetsi-panoherana iray hafa nitranga tao Bilad Al-Qadeem

nakarin'i @BiladAlQadeem

Tao Sanad, nandoro kodiarana ireo mpanao hetsi-panoherana sady nibahana ny araben'i Istiqlal ho fanoherana ny fahirano atao amin'i Mahazza sy ho fandàvana ny fitsaràna ireo olon'ny mpanohitra:

nakarin'i @taha9988

Firaisankina tao amin'ny Twitter
Tamin'ny alàlan'ny Twitter, nisy “fanentanana tamin'ny media” natomboka mba hitondràna ny fifantohan-tsaina ho amin'ny zavatra mitranga ao Mahazza. Nivezivezy tety anaty aterineto ity saribe ity tamin'ny 2 Desambra, nilaza ny fisian'ny herinandro ho firaisankina amin'ilay tanàna Bahraini.

(nakarin'i @ModmorSupport)

Ireo sary manaraka kosa dia nakàrina ho fampitàna vaovao mikasika ny zava-misy ao Mahazza :

nakarin'i @AlModmor

nakarin'i @AlModmor

Ilay sary dia milaza fa ireo saribe dia napetaka nanerana ny rindrina tao Bahrain, mifandraika amin'ilay herinandro fanentanana tamin'ny media ho firaisankina amin'i Mahzza:

nakarin'i @Tailos0

Ali AlBazaz, mpanao sariitatra, dia nampakatra ity asany ity tao amin'ny Twitter hanesoana ny fitondràna Bahraini sy ny fomba fampiharany ny fepetra iraisam-pirenena ho fanajàna ny zon'olombelona :

Nakarin'i @bazzaz32

Fisamborana tsy mitsahatra
Hatramin'ny fiandohan'ny Novambra, nizara ny sarin'ireo voatàna voalohany tao Mahazza ry zareo Bahrainis, dia ireo voasambotra herinandro vitsy lasa izao ary tsy mbola misy mihitsy fanomezana vaovao ofisialy mikasika azy ireo. Mba hanindriana ny maha-tsy ara-dalàna ireo fisamborana, dia lazaina ho “nalaina an-keriny” ireo voatàna satria tsy nisy didy ara-dalàna nakàna azy ireo, ary ireo fianakaviany mbola manantena vaovao hatrany. Ity ny sary nifampizaràna be indrindra, ahitàna ireo dimy voasambotra voalohany :

nakarin'i @Feb14Media

Sary iray nifampizaràna be ny an'ity zazavavy kely iray ity, izay zanak'i Talib Ali, iray amin'ireo dimy voasambotra. Ny marika ataony dia midika hoe “Aiza ny raiko?” ary ilay misoratra eo amin'ny mofomamy mivaky hoe “Hankalaza ny fitsingerenan'ny nahaterahako tsy eo anilanao ve aho ry dada”

nakarin'i @a7rar_sitra

Taorian'ilay fitsidihana vao haingana nataon'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona tao Bahrain,  Said Yousef, mpikatroka mafàna fo avy ao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao Bahrain dia nanoratra tao amin'ny Twitter hoe :

و نطالب وفد المفوضية بالضغط على النظام من اجل الكشف عن المختطفين من قرية مهزة و السماح للمعتقلين المرضى المحرومين من العلاج بحقهم في العلاج

@SAIDYOUSIF: Angatahanay ny UNHRC mba hanao tsindry amin'ny fitondràna mba hamoaka vaovao mikasika ireo olona nalaina an-keriny tao an-tanànan'i Mahazza sy hamela ireo maratra nefa voatàna mba hisitraka ny zony hahazo fitsaboana.

Raha tsy misy ala olana ara-politika hita ambony latabatra, dia hitohy hatrany ny hetsi-panoherana sy ny famoretana ho fitandroana filaminana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011/2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.