- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fitsapa-kevi-bahoaka Ny Mpanohitra Ao Ejypta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nilaza ny Firaisankinan'ny mpanohitra, Mandan'ny Famonjena ny firenena ao Ejypta tamin'ny alina (9 Desambra 2012) fa tsy handray anjara amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenana vaovao, izay hotontosaina amin'ny Asabotsy (15 Desambra 2012). Noho ny fanoherana ny filoha vaovao voafidy Mohamed Morsi izay voampanga fa mangoro-pahefana mihoampampana sy mamehy ireo fahalalahana no antony handavan'izy ireo ny lalàmpanorenana vaovao.

Nandray izany fanapaha-kevitra izany ny vondron'ny mpanohitra taorian'ny roa herinandro nisian'ny gidragidra andalambe teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny  milisin'ny mpirahalahy Miozolomana mpanohana ny filoha Morsi.

Tokony hofoanan'i Morsi ny didim-panjakana novolavolainy izay manome fahefana feno ho azy, antony nahatonga ny fitroarana vao haingana, mety hiafara amin'ny antso vaovao ho amin'ny fihetsiketsehana ny fisisihany hanatontosa fitsapa-kevi-bahoaka handaniana ilay lalàmpanorenana vaovao mampifanditra.

Zeinobia nibilaogy [1] tao amin'ny “Egyptian Chronicles”:

Vonona handeha hifidy Tsia aho amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenana, laviko ity volavolan-dalàmpanorenena niova be ity saingy taorian'ny zava-nitranga tamin'ny Zoma izay nisian'ny herisetra, fampijaliana sy ny lainga maharitra, lasa manana olana ara-pitokisana aho ankehitriny.

Na inona na inona lazain'ny Mpirahalahy Miozolomana ankehitriny, ahoana no atokisako azy ireo amin'ny maha antokon'ny fitondrana azy ao amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka !? Ahoana no fomba atokisako ny olona tahaka azy ireo raha ny valin'ny fitsapa-kevi-bahoaka no resahina!?

Zavatra hafa indray, tsara raha hambara ao amin'ny Lalampanorenana vaovao fa raha mitsipaka ny volavolan-dalàmpanorenana ny vahoaka, tokony hifidy antenimieram-panorenana vaovao isika. Saingy indrisy, tsy voalaza ao ny fomba tokony hifidianantsika izany antenimieram-panorenana izany, na mifototra amin'inona ary rafitra inona. Miresaka momba ny fitsapa-kevi-bahoaka izay hatao afaka 6 andro aho, tokony hisy dingana maro mazava tsara amin'izany.

Tokony hahemotra ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenana ary tokony hisy ny dinidinika nasionaly tena izy. Nifamono ny samy Ejypsiana tamin'ny Alarobia lasa teo, fitahian'Andriamanitra!!

Tao amin'ny Twitter, maro, na dia izany aza, ireo nahita fa tsy ny tsy fandraisana anjara amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka no hamahana ny olana ara-politika ao Ejipta.

Amira Howeidy nisioka hoe:


@amirahoweidy
: Ejypta 2011: Manentana ny Mpirahalahy ary mandresy. Ny ambiny kosa: tsy mandray anjara ary resy. Ejypta 2012: mitovy izany. #yawn

Dalia Ezzat nanamarika hoe:

@DaliaEzzat_ [2]: Tsy mba manatsoaka lesona mihitsy ny mpanohitra: tsy mankaiza ny tsy fandraisana anjara amin'ny zavatra rehetra. Faharesena foana no hiafarany. #Fact #Egypt

Ahmed Ezzat nanoro hevitra hoe [ar]:

الناس اللي هتقاطع الاستفتاء والناس اللي هتصوت بلا …لو توحدتم حول موقف واحد سيكون أفضل بكثير، وامكانيات الانتصار ستكون أعلى.


@ahmed3zat
: Ho an'ireo olona tsy handray anjara amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka na ho an'ireo olona hifidy ny Tsia: raha manambatra ny hery ianareo ary miray hina amin'ny zavatra iray, tsaratsara kokoa izany ary mety ho ambony dia ambony ny fahombiazana

Noha Abd El Raouf nanolotra sosokevitra:

@NouRaouf [3]: Mandehana mifidy amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka raha izany no safidy farany ho antsika, andeha hanao fanentanana fotsiny mba hanazava ny antony tokony hifidianantsika ny TSIA  #Egypt