- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Raràna Tsy Hikirakira Finday An-Tanàna Ambanivohitra Indiana

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fampandrosoana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Misy komitin'ny tanànakely Indiana iray any amin'ny fanjakana Bihar [1] no nandrara ny fikirakiran'ny vehivavy ny finday any [2] amin'ny tanàna ambanivohitr'i Sunderbari, tokotokony ho 385 kilometatra (239 maily) atsinanan'i Patna, renivohitr'i Bihar [1]. Mahatratra 104 arivoarivo [tapitrisa] ny mponin'i Bihar, betsaka noho ny isan'ny mponina amin'ny firenena eoropeana tsirairay avy ary mahatratra ny iray ampahatelon'ny mponin'i Etazonia.

Ity fandrarana farany ity no taorian'ny fandraràna finday ho an'ny ankizivavy ao amin'ny distrikan'i Baghpat ao Uttar Pradesh [3] tamin'ny volana jolay. Narahin'ny fandrarana tamin'ny vola aogositra ny fampiasan'ny ankizivavy latsaky ny 18 taona finday tany amin'ny distrikan'i Jhunjhunu tao Udaipurwati any Rajasthan izany, araka ny filazan'i The Times of India [4].

Tany Rajasthan, navoaka ny fandraràna mba tsy “hanimba” ny zazavavy amin'ny fikirakirana tafahoatra ny finday. Tafiditra ao anatin'ny fandraràna ny finday ihany koa ny vehivavy latsaky ny 40 taona mandeha miantsena irery tsy arahin-dehilahy. Amin'ny ankapobeny ny fandraràna dia manao ho lasibatra ny fahalalahan'ny vehivavy sy ny fahafahany mivezivezy. Niteny [5] ny mponina ao an-toerana iray:

Tsikaritra fa nanome fahafahana ‘tsy voatery ilaina’ ho an'ny zazavavy ny finday, izay mampivily lalana avy amin'ny kolontsaintsika. Harahina ara-bakinteny izany fanapahan-kevitry ny Panchayat izany satria neken'ny rehetra.

Photo courtesy of Gayatri Agnew

 

Nisy toe-javatra farany, tany Bihar, nilaza ny manampahefana [6] fa “manimba ny rivo-piarahamonina” fa mitarika ny mpifankatia handositra. To ho ao izay dia niroborobo ny “fandosirana” avy amin'ireo tanàna kely ireo. Napetraka ny fandoavana onitra 10.000 ropia ($180) ho an'izay zazavavy tratra mampiasa finday eny an-dalambe ary mandoa 2000 ropia ($36,60)  kosa ny vehivavy manambady.

Jagmati Sangwan, filoha lefitry ny fikambanam-behivavy Demokraty Manerana an'i India, niteny fa “te-hanapaka ny lala-panabeazana, maoderina ary ny asa” izao lehilahy mpitarika ny komitin'ny tanàna ambanivohitra tahaka izany. nolazainy fa mikendry ampahan'olona fotsiny ilay fitsipika; tsy ara-dalàna, araka ny voalazan'ny India Ink [7].

Araka ny tatitra nataon'i Techdirt [8] dia tsy resaka “fahasimban'ny fiainana ara-maoralin'ny fiaraha-monina io”,saingy resaka fahefana, indrindra fa ny fahasimban'ny fahefan'ny lehilahy nentim-paharazana ao an-tanàna kely.

Nanomboka ny famotorana [9] ny manampahefana ao an-toerana nilaza fa tsy azo ekena any amin'ny fiaraha-monina salama izany fandraràna izany.

Raha hita tamin'ny fihetseham-po sasany tao amin'ny Twitter taitra tamin'ny fandraràna, ka tahaka ny miampanga amin'ny fahamaroan'ny Miozolomana ao an-tanàna, tsy ny fombam-pivavahana no manazava ny fandraràna any amin'ny faritra hafa ao India.

@Against_Pseudos: [10] Sharia Islamika!! Ny Miozolomana no manjaka ao amin'ny tanàna kelin'i  Bihar, Sunderbari, mandrara ny zazavavy sy ny vehivavy tsy hikirakira finday!

@HeathaT (Heather Timmons) [11]: Tokony hiteraka fanangonan-tsonia any amin'ny biraon'ny fizahantany any Bihar ny fandraràna ny vehivavy sy ny zazavavy any ambanivohitr'i Bihar tsy hikirakira finday: RC http://nyti.ms/TECSFd [12]

‏@subtletea (Sameer Khandelwal) [13]: Tanàna ambanivohitra Indiana mandrara ny vehivavy sy ny zazavavy tsy hikirakira finday. Maninona raha mandrara azy ho an'ny rehetra, tsy ijerena ny mahalahy sy vavy na manambady na tsia?

Nanamarika i Kavitha Rao [14] fa mety ho ny finday no fitaovana teknolojika tokana manafaka ny vehivavy Indian. Any amin'ny faritra hafa any Bihar, ampiasain'ny [15] mpikatroka sy ny mpiasa mpanao fanampiana ho enti-miasa amin'ny sehatra tahaka ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny finday ary hita fa mandray anjara amin'ny fampihenana ny taha-pahafatesan'ny reny.

Roa taona lasa izay i Contador Harrison Wanarua [16] no nanoratr vaovao fandraràn'ny vehivavy tsy manambady finday any amin'ny faritra hafa any Uttar Pradesh [17]:

Ny olona manana toe-tsaim-panjanaka vaovao ihany no tsy manohana ny zon'ny vehivavy ao an-toerana mitsikera ny fepetra ho tratra aoriana sy tsy rariny.

Manana anjara toerana goavana amin'ny fanamorana ny fifandraisana eo amin'ny olona ary tsy misy afa-manavakavaka ny fampiasana itony milina itony mifototra amin'ny resaka fananahana. Raha mihatra dia ho henatry ny firenena manoloana ny mpandray anjara amin'ny indostrian'ny finday rehetra…

Manoratra ao amin'ny Facebook i Sethi Mushtaq [18]:

Izao no India tena izy fa tsy izay asehon'ny Bollywood amin'izao tontolo izao 😛

Andao antenaina fa hampitsahatra ny fameperana ny fahafahana sy ny fahazoan'ny vehivavy mivezivezy i India tena izy.