10 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 10 Desambra 2012

Graffiti ao Téhéran

Tsy mba malaza amin'ny fahalalahana maneho hevitra i Iran na amin'ny fihetsiketseham-bahoaka eny an-kalamanjàna. Saingy manjaka ao kosa ny zavakanto an-tanàn-dehibe; raha mandravaka ireo rindrin'ny tanàn-dehibe sasany ny sary natao...

Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana

  10 Desambra 2012

Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia miantso tsy misy hatak'andro ny fanaovana lalàna mandràra ny fanaovana ampihimamba amin'ny media ry zareo.

Bahrain: Mbola Fahirano Ny Tanànan'i Mahazza

Efa ho iray volana eo izao ao Bahrain, iharan'ny fahirano noho ny antony ara-piarovana, baikon'ny Minisitry ny Atitanin'ilay fireneny ihany, ny tanànan'i Mahazza ao Sitra. Noho ny tsy fisian'ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao an-toerana, ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, indray mandeha indray, no hany fitaovana ahazoana ireo tatitra momba ny zava-nitranga teny an-kianja. Tamin'ny alàlan'ny Facebook sy Twitter, nandefa ny famoriam-bahoaka tany aminy ho fanehoana fanohanana an'i Mahazza ry zareo Bahrainis sady nizara vaovao momba ireo fanafihana trano sy fisamborana maro