- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ady Amin'ny Fanondranana Olona Ao Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra]

Noho izy anisan'ny hetsika nasionaly “Miaraka isika Rehetra [1]“, izay najoron'ny National Domestic Workers Alliance [2] (Firaisankinan'ny Mpiasa An-trano Manerana ny Firenena [2]), sy ny Dinika Nasionalin'ny Vehivavy Amerikana Aziatika Pasifika), ary ireo fikambanana [3] maro samihafa, fijoroana vavolombelona marobe natambatambatra no milaza fa mampanohy ny fitsarana an-tendrony ny mpifindra-monina ny fametrahana lalàna vaovao momba ny fadin-tseranana sy ny fifindra-monina ao amin'ny firenena. Ary ny zaza amam-behivavy no tena mizaka izany hatrany, nanoka-tena ny mpitarika ny fanentanana handrafitra delegasionina hohenoina, handrakitra an-tantara sy hanamafy ny feony.

Hatramin'izao, nitsidika an'i Georgia [4]Alabama [5] ary Arizona [6] ireo delegasiona mba hanadihady ny fiantraikan'ny lalàna H.B. 87 [7] manakana ny fifindra-monina (sy ny fandaharan'asa federaly “Fiarovana Fiarahamonina”, dia ny H.B. 56 [8], ary ny S.B. 1070 [9]. Niezaka ihany koa ry zareo ny hanatontosa “fitsidihana virtoaly” tany Tennessee izay niarahana niasa tamin'ny Tennessee Immigrant and Refugee Rights Coalition (Firaisan-kinan'ny Zon'ny Mpifindra monina sy ny mpialokaloka ao Tennessee) [10] sy ny Knoxville United Against Racism:Alto 287(g) (Knoxville Miray Manohitra Ny Fanavakavahana:Alto 287) [11].

Participantes de la campaña "We Belong Together" en Estados Unidos.

Mpandray anjara amin'ny hetsika “Miaraka Isika rehetra” ao Etazonia. Nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'ny hetsika.

Ity lahatsary nandritra ny hetsika fitsidihana tao Birmingham, Alabama izay niadian'izy ireo hevitra mikasika ny fiantraikan'ilay lalàna vao haingana mampihemo-dalana ny fifindra-monina sy ny tanjaky ny fiaraha-mientana amin'ny ady atao amin'ny fanovana hatreny ifotony mitranga ao amin'ny firenena ankehitriny:

Tamin'ny volana Septambra lasa teo, delegasionina iray nitsidika an'i Tijuana [12], ao Meksika, mba hihaona manokana amin'ireo vehivavy izay tafasaraka tamin'ny zanany sy ny fianakaviany an-katerena noho ny fanondranan'olona. Amin'ity lahatsary manaraka ity, horenesinao ao ireo tantara momba ireo vehivavy sasany izay miantrano ao amin'ny Ivotoerana Mère Asunta (Tijuana, Meksika), mitolona mameno ireo taratasy tsy misy farany ilaina hahafahany miverina indray eny anivon'ny zanany izy ireo:

Nitatitra [13] ny Firaisambe Nasionalin'ny Mpiasa An-trano fa ankizy 5,5 tapitrisa izay monina ao Etazonia ankehitriny no matahotra sao hiharan'ny fanondranana ny iray amin'ireo ray aman-dreniny na izy roa mihitsy. Noho izany antony izany, marobe tamin'ireo ankizy ireo no mandray anjara amin'ny fampahafantarana, fihetsiketsehana sy ireo zava-hitranga samihafa ao anatin'ny hetsika, ary amin'ny fanaovana izany, mahazo hery izy ireo amin'ny alalan'ny fizarana traikefa avy amin'ny fikambanana: ny fisamborana ny fianakaviany, ny fahoriana noho ny fisarahana, ny tahotra sy ny tebiteby.

Amin'ity fetin'ny Krismasy ity, manantena ny hetsika fa haharay taratasy 20.000 [14] avy amin'ireo mpanohana ny hetsika ataony ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy. Mazava ny hafatra: hatsahatra ny fanondranana mba ho mafy orina ny fianakaviana. Raha hanohana ny hetsika, tsidiho ny www.webelongtogether.org [15].

*Hajiatsary nalaina tao amin'ny Pejy Facebook-n'ny “Belong Together” [16]