Miresaka Fahamarinana: Feo Manohitra Ny Tsimatimanota

Tamin'ny 23 Novambra 2009, olona 58, anisan'izany ireo mpanao gazety 30 no nalaina an-keriny sy novonoina tamin'ny fomba feno habibiana raha niara-dia niaraka tamin'ireo mpanohana mpanao politika ao an-toerana. Nitranga tao amin'ny faritra Atsimon'i Maguindanao izany, ao Filipina. Araka ny filazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety (CPJ), zava-nitranga nahafaty olona be indrindra teo amin'ny tantaran'ny mpanao gazety izany.

Ho fahatsiarovana ny vono olona tao Maguindanao, amin'ity taona ity, ny 23 Novambra, nanambatra ny heriny ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy mpiaro ny fahalalaham-pitenenana amin'izao Andro Iraisam-pirenena Ho Fanafoanana Ny Tsimatimanota andiany faharoa izao, fampahatsiahivina isan-taona mikasika ny loza hatrehin'ireo mpanao gazety ankehitriny.

Vono olona: endrika faratampon'ny sivana  

Anisan'ny mpandray anjara amin'izany ezaka izany ny Global Voices Advocacy ka nanatevin-daharana ny Miresaka Fahamarinana: Feo Manohitra Ny tsimatimanota karakarain'ny CPJ.

Ny hanaitra ny saina mikasika ny tsy fanasaziana ireo tompon'andraikitra (tsimatimanota) tamin'ny famonoana ireo mpanao gazety no tanjona amin'ny hetsika amin'ny aterineto izay manomboka androany .

Eo amin'ny sehatra manerantany, nampiseho ny tatitry ny CPJ fa nanomboka tamin'ny taona 1992, mpanao gazety maherin'ny 660 no nisy namono “izay niharan'ny valifaty mivantana noho ny asa ataon'izy ireo.” Maro tamin'izy ireo no novonoina noho ny fitantarana ataony mikasika ny olana lehibe mihatra aman'aina ao amin'ny fiarahamonin'izy ireo.

Nampiseho ihany koa ny fikarohana fa miha-mahazo vahana ny tsimatimanota na ny tsy fanasaziana ireo tompon'antoka tamin'ny vono olona, 1 amin'ny 10 fotsiny no mba niakatra fitsarana.

María Salazar-Ferro ao amin'ny CPJ, mpandrindra ny fanentanana, nanazava fa noho ny toe-javatra, lasa manam-pikasana hanao sivana ho an'ny tenany manokana (auto-censure) ny ankamaroan'ireo mpanao gazety monina ao amin'ny firenena isian'ny tsy fanasaziana ireo nahavita namono nahafaty ny namany: Hany ka “Misoroka resaka saropady izy ireo, ary tsy miraharaha izay tantara mety hampidi-doza.”

Midika ho tsy fanomezana ny zon'ny fiarahamonina hahazo vaovao ny tsy fitantarana izay zava-miseho ary mamela ireo eo amin'ny fahefana hahazo vahana (tsy toherina). Miantraika ratsy amin'ny olon-drehetra ny fisian'ny tsimatimanota.

Mba hitakiana ny marina momba ireo mpanao gazety novonoina noho ny fitantarany ny marina sy mba hampaherezana ireo izay mety hiharan'ny loza noho ny asa ataony, ny handrava ny fahanginana sy ny tahotra no tanjon'ny hetsika, “miainga hatramin'ny voalohany, feo iray isam-potoana.”

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fanentanana, tsidiho eto ny habaka ary manaova zavatra ho amin'izany androany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.