- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ora Sisa No Isaina Alohan'ny Fifidianana Filoham-pirenena ao Ghanà

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Iray andro sisa alohan'ny androm-pifidianana ao Ghanà [1]ary mihamafy hatrany ny fampielezan-kevitra – androany vao maraimbe, narahina sioka sy feon'anjomara, hiakam-pifaliana sy tehaka ny fampielezan-kevitra sasany. Miakanjo t-shirt am-pireharehana an'ny antoko tohanany ny olona sasany manerana ny tanàn-dehibe, ny sasany manao izany amin'ny mangingina. Ny fahitalavitra kosa mandefa fandaharana misy hafatra momba ny filaminana avy amin'ny ankizy sy ny olo-dehibe manoloana ny herisetra amina tanàn-dehibe sasany.

[2]

Nana Addo Dankwa Akufo-Addo – kandidà ao amin'ny mpanohitra nirotsaka ho fidianana filoham-pirenena ao Ghanà. Sary: Creative Commons (CC BY-SA 3.0) by Nana Addo.

@Macharia_M [3] nisioka tamin'ny 5 Desambra 2012:

@Macharia_M [4]: Amim-pahamatorana no andraisan'izy ireo ny fampielezan-kevitra ho an'ny filaminana. Na tamin'ny fandaharana mozika momba ny hiran'ny filaminana mandritra ny 15 minitra alefan'izy ireo aza. Mahafinaritra

@accradotalt [5] nisioka tamin'ny 4 Desambra, ary nilaza hoe:

@accradotalt [6]: Somary tafahoatra ireo hiran'ny filaminana- tahaka ny korontana alohan'ny fifidianana #Ganà [7].

Nampitandrina ny vahoaka ny Komitim-pifidianana ao Ghanà [8] mba tsy hampiasa finday hakàna sary ny bileta halatsak'izy ireo rehefa ao anaty trano fisainana (isoloir). Na dia izany aza, toa tsy mety tamin'ireo mpifidy sasany ny fampitandremana.

Naneho hevitra [9] mikasika ny fampitandremana ny vahoaka tao amin'ny MyJoyOnline, Freedom Fighter (Mpitolona ho an'ny Fahalalahana) nilaza ity:

Manan-jo hanambara izay kandidà tohanany ny olona tsirairay, ary mbola mitohy ny fividianam-bato (fividianana ny safidim-bahoaka) raha mbola firenena kapitalista ity. Mamela haka sary i Etazonia. Tsy afaka manakana ny fahalalahana izy ireo.

Naneho hevitra [10] mikasika ny fampitandremana ihany, Kobbie nanoratra hoe:

Manontany ny fomba hampiharan'izy ireo izany aho. Fisavana alohan'ny hidirana ao amin'ny trano fisainana?

Mikasika ny resaka filaminana, @novisid, mpanohana miharihary ny antoko NDC Kongresy Demokratika Nasionaly (National Democratic Congress) [11] nisioka hoe:

@novisid [12]: Tsy vonona handeha hifidy ihany aho. Fa vonona hifidy an'i 4 Mahama [ny filoha am-perinasa John Mahama]. Manohitra ny korontana. FILAMINANA!

Toa hita fa nihamafy ny lahateny andro vitsy alohan'ny fifidianana, satria nampiasa fitaovana fampahalalam-baovao sosialy ireo mpikambana mavitrika amin'ny antoko mba hanohitra ny fanambaran'ireo mpifanandrina aminy .

@novisid [13] mbola nisioka indray:

@novisid [14]: Araka ny nambaran'i Bawumia, toa tahaka ny mpanao politika izay hitany rehetra, tokony antsoiny fotsiny hoe ‘fampielezan-kevitra’.

Ary hoy izy nanampy:

@novisid [15]: Tsy mba ny fampianarana no nibahana nandritra ny adihevitra alohan'ny fifidianana fa ny hosoky (hala-bato) Akuffo Addo antsoina hoe SHS [Sekoly Ambony Maimaim-poana].

Mpanohana ny antokon'ny mpanohitra, Antoko Vaovao Tia Tanindrazana, @ohenebagyimah [16] nisioka imbetsaka ho an'ny antoko andro maro mialoha ny fifidianana.

Tamin'ny 2 Desambra, hoy izy nanoratra:

@ohenebagyimah [17]: Raha nilaza ny NDC (tamin'ny fampielezan-keviny) fa ” hanjaka ao Ghanà ny filaminana, fidio JDM [John Dramani Mahama] ary ny NDC” inona ny ambaran'izy ireo aminay? “

Tamin'ny 3 Desambra, hoy izy nisioka:

@ohenebagyimah [18]: Mba hanan-danja tsaratsara kokoa ny safidinao (vato halatsakao), fidio i Nana Addo #3 amin'ny biletam-pifidianana.

Mahafinaritra tokoa ny hahita ny zava-miseho eo amin'ireo mpanohana ny antoko roa lehibe, NDC sy NPP, ao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy amin'ny Asabotsy 8 Desambra rehefa vita ny fifidianana. Mbola hisy ny fifidianana fihodinana faha-roa amin'ny 28 Desambra raha tsy mahazo vato maherin'ny 50% ny ny mpifaninana.