- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

7D: Miomana Ho Amin'ny Lalàna Vaovoa Mifehy Ny Media i Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Sahala amin'ny nahazo fomba fanao amin'ny fametahana datin'andro sy ny litera voalohany amin'ny anaram-bolana ho an'ireo filazàna hetsika goavana i Arzantina ; nitranga izany tamin'ny 8N [1] nentina nanondro ny 8 November 2012, ary ankehitriny miala any ny 7D hilazàna ny 7 Desambra, ilay andro hidiran'ny Lalàna Vaovao momba ny Tolotra Fifandraisana amin'ny alàlan'ny Haino Aman-jery, na LSCA hanan-kery tanteraka amin'izay.

Araka ny hazavain'ny bilaogy Venas Abiertas Americanas [2] [es] (Ireo Lalàn-drà misokatr'i Amerika),

El 7 de diciembre los medios de comunicación audiovisuales deben comenzar a cumplir con la nueva Ley de Medios Audiovisuales, aprobada este año por el Congreso y que suplanta a la vieja ley promulgada durante la última dictadura militar en el país (1976 a 1983).

Ny 7 Desambra dia tsy maintsy manomboka mampihatra ilay Lalàna Vaovao ny Media sy Haino Aman-jery rehetra, izay neken'ny Kaongresy tany ampiandohan'ity taona ity ary manolo ilay lalàna tranainy nolaniana sy nampiharina nandritra ny vanim-potoanan'ny jadona miaramila farany teo amin'ny firenena (1976-1983).

Saingy inona moa izany no arindran'ity lalàna ity? Mamaly izany ny tranonkalam-baovao Telam [3] [es] aminà andiam-panontaniana tena mipetraka matetika :

¿Qué regula la Ley? El objeto de la LSCA es la regulación de los servicios de comunicación audiovisual en todo el ámbito territorial de la República Argentina así como el desarrollo de mecanismos destinados a la promoción, desconcentración y fomento de la competencia con fines de abaratamiento, democratización y universalización del aprovechamiento de las nuevas tecnologías de la información y la comunicación.

Inona no arindran'ilay lalàna? Ny tanjon'ny LSCA dia ny handrindra ny tolotra fifandraisana amin'ny alalan'ny haino aman-jery manerna ny tanin'ny Repoblikan'i Arzantina, hatramin'ny fametrahana rafitra atokana hampiroboroboana, hanapariahana, ary handrisihana ny fifaninanana ombàn-tanjona ho fampihenàna ny masonkarena, fanapariahana, sy fanelezana ny fampiasàna ireo teknolojia vaovaon'ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao

Io pejy io ihany no manazava [3] [es] ny isan'ireo fahazoan-dàlana azon'ny vondrona media tsirairay tànana :

¿Cuantas medios audiovisuales puede tener un grupo? Para garantizar la pluralidad de voces, la diversidad de contenidos y el respeto por lo local, la LSCA establece en su artículo 45º limitaciones a la concentración de licencias. Así, a nivel nacional, una persona puede ser titular de 24 sistemas televisión por cable, 10 licencias de radiodifusión -sean de radio FM, AM o de televisión abierta- y una señal de contenidos (canal de cable). Mientras que a nivel local, una persona puede ser titular de una licencia de radio AM, una FM y una de radiodifusión televisiva.

Miisa firy ny haino aman-jery [media] azon'ny vondrona [media] iray anànana? Mba hiantohana ny hamaroan'isan'ny feo, ny fahasamihafàna votoaty ary ho fanajàna ny olona eo an-toerana, dia napetraky ny LSCA ao amin'ny toko faha-45 ireo fameperana momba ny fihazonana fahazoan-dàlana. Amin'izay, eo amin'ny sehatry ny firenena, ny olona iray dia afaka mitazona fantsom-pahitalavitra miisa 24 mandeha amin'ny ‘câble’, fahazoan-dàlana 10 ho an'ny fandefasampeo – na io radio FM na AM na manokatra fahitalavitra – sy iray mampiasa ny câble. Raha toa kosa ho an'ny eo an-toerana, ny olona iray dia afaka mitàna fahazoan-dàlana ho anà fampielezampeo AM iray, FM iray, ary fahazoan-dàlana hanokatra fahitalavitra iray.

Ny Vondrona Media tena idonan [4]‘ity fampanarahan-drafitra amin'ny lalàna ity dia ny Clarín Group [5] [es], izay vao avy naharay didy izay nampiato vonjimaika ny Andininy faha-161 amin'ilay Lalàn'ny Fampahalalam-baovao. La Nación [6] [es] no manazava :

El artículo 161 dispuso que quienes tengan mayor cantidad de licencias que las permitidas por la nueva ley debían regularizarse un año después que el Afsca [Autoridad Federal de Servicios de Comunicación Audiovisual] estableciera los mecanismos de transición. Vencido dicho plazo se les aplicarían las sanciones correspondientes, que incluyen la caducidad de la licencia así como el desapoderamiento de la infraestructura necesaria para la emisión y su adjudicación a otro licenciatario.

Ny andininy faha-161 dia milaza fa ireo izay mitàna fahazoan-dàlana mihoatra ny noferan'ilay lalàna vaovao dia mila mandamina iray ao anatin'ny herintaona, aorian'ny fametrahan'ny Afsca [Manampahefana Federaly amin'ny Tolotra Fifandraisana Haino Aman-jery] ny rafitra tetezamita. Aorian'io fetra farany io, ho ampiharina ny sazy mifandraika amin'izany, izay tonga hatramin'ny fisintonana ny fahazoan-dàlana sy ny fakàna ny foto-drafitrasa fanapariahana sary sy feo ary fanolorana izany ho an'olona hafa nahazo alàlana.

Tapitra [7] amin'ny 7 Desambra 2012 ny fampiantonana ilay lalàna, mametraka ny 7D ho fetra farany amin'ny fampanarahan-dalàna ireo fahazoan-dàlan'ny media araka ilay lalàna vaovao.

Clarín milaza ny fitarainany [8] [es]:

Planteó la inconstitucionalidad de varios artículos de la ley de medios, como el impedimento que un licenciatario de TV abierta pueda tener una licencia de TV por cable en una misma ciudad, la restricción a la producción de señales de cable, que los canales abiertos solo puedan producir una señal audiovisual y que los cables solo puedan tener una señal de generación propia. También cuestionó la restricción a 24 licencias de TV por cable y las 10 de radio y TV abierta, así como la reducción al 35% de participación y cobertura en los diferentes segmentos del mercado nacional.

[Clarín] nanipika ny tsy maha araka ny lalam-panorenana ny andininy samihafa ao anatin'ilay Lalàn'ny Media, tahaka ny sakana tsy ahafahan'ny tomponà fahazoan-dàlana fahitalavitra iray hanana fahazoan-dàlana amnà fahitalavitra mandeha ‘câble’ ao amin'ny tanàna iray ihany, ny teritery amin'ny famokarana ‘onja’ fampiasa amin'ny câble sy hoe ireo fantsona misokatra dia ny ‘onja’ fampiasa amin'ny haino amanjery (audiovisuels) ihany no azony atao ary ny an'ireo fantsona mampiasa câble dia ny onja natao ho amin'izany ihany no azony vokarina, izay ry zareo tenany ihany no manao azy. [Clarín] manotany koa ny amin'ny teritery mikasika ny fahazoan-dàlan'ireo fantsom-pahitalavitra ‘câble’ 24, fampielezam-peo 10 ary fahitalavitra misokatra 10, hatramin'ny fampihenna hatramin'ny 35% ny fandraisana anjara sy fandrakofana amin'ny ampahany samihafa eo amin'ny tsenam-pirenena.

Lahatsary iray mitondra ny lohateny hoe “Tsy mifanohitra amin'ny Lalam-panorenana ny Lalàn'ny Media” avy amin'ny fantsona Youtube an'i Casa Rosada [9] [es] no mamaly ny Clarín Group, manindry fa mifanaraka amin'ny lalam-panorenana ilay lalàna:

Etsy andaniny, ny Clarín Group, tamin'ny alàlan'ny fantsony YouTube [10] [es], dia nandefa ny valinteniny, nilaza tamin'ny mpamaky sy mpijery, ireo mpampiasa TV câble, mpihaino fampielezampeo na mpampiasa aterineto fa manan-tsafidy ry zareo hisafidy fantsom-pampahalalam-baovao hafa :

Marobe ireo bilaogera niasa saina tamin'ny 7D. Daniel Satur sy Martín Espinoza, avy amin'ny bilaogy El diablo se llama Trotsky [11] [es] (Trotsky no fiantso ilay devoly), dia manoratra hoe :

Plantear hoy la cuestión en términos de “o se está con Clarín o se está con el Gobierno” es caer en una trampa. Si colocarse del lado de Clarín es defender un esquema mediático monopólico y reaccionario, entusiasmarse con una hipotética intervención estatal o con una redistribución k sobre los medios es depositar expectativas en el garante último de la más absoluta falta de libertad de expresión: el Estado capitalista.

Ny fijerena ilay olana amin'ny lafiny hoe “na ianao miombon-kevitra amin'ny Clarín na ianao miaraka amin'ny governemanta”  dia fitsoropahana anaty fandrika. Raha toa ianao mametraka ny tenanao ho amin'ny lafy misy ny Clarín, dia miaro ny rafitra media mpanao ampihimamba sy mpanohitra ianao izay; raha toa ianao mametraka ny fientanentananao amin'ny firotsahana antsehatra kidaladalan'ny fanjakana mikasika ny famerenana mitsinjara ny media, dia mametraka ny fanantenanao amin'ny fara-fiantohana ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra tanteraka ianao: ny fanjakàna kapitalista.

Ho an'i Facundo Landivar avy amin'ny bilaogy También soy argentino [12] [es] (Teratany Arzantina koa aho), izy dia mihevitra ny 7D ho hadalàna tsy misy dikany avy amin'ny andaniny sy ny ankilany; na ho an'ireo mpitondra an'i Arzantina, na ho an'ny Clarín

Pero se sigue con este tema de ambos lados lo cual resulta una total mentira, yo no me creo que lo mas importante que esta pasando hace ya un tiempo en Argentina es la aplicación de la ley de medios.

Ity olana tahaka ny sabatra roalela ity dia mitohy hatrany hatrany ary miafàra fotsiny aminà lainga misavovona. Tsy mino aho hoe ny fametrahana an'ity lalàn'ny Media ity no zava-dehibe indrindra tokony hatrehana anatin'ny fotoana vitsy eto Arzantina

Mandritra izany, ireo teratany Arzantina dia miandry ny 7 Desambra, ary ao amin'ny Twitter dia manoratra i Cecilia Greaves (@CeciGreaves [13]) [es] hoe :

@CeciGreaves [14]: Ya empezó el mes del 7D, de los mayas, del fin del mundo, de la tormenta solar, del calor, de las compras navideñas.. ‘Or dió, que mes!

@CeciGreaves [14]: Ary dia tahaka izany no nanombohan'ny volan'ny 7D, ny Mayas, ny faran'izao tontolo izao, tafiotran-kafanàna sy masoandro migaina, tsena Krismasy… Andriamanitra tsara indrindra ô! volana inona re ity!

Sary avy amin'i Shutterstock [15], fizakà-manana: IvicaNS