Kôngô (RDC) : Ady efa Nanana Fototra Niaviany, Gidragidra 50 Taona
Dikandahatsoratra
Tsy azo manontolo ny fandehan'ny ady misy ankehitriny eo amin'ny mpiokon'ny M23 sy ny tafika kôngôley raha tsy misy ny fampahatsiahivana ny tantara niandohan'ny ady isan-karazany eo amin'ny renim-paritra manodidina ireo farihy lehibe. Indro ary ny fizotry ny tantaran'ny fifandonana amin'ny antsipirihany tao anatin'ny 50 taona farany ao amin'io renim-paritra io.
Ao amin'ny Congo Forum no manoratra i Jacques MBOKANI :
Levonin'ny fifandirana amin'ny endriny isan-karazany hatrany i R.D.C. hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany. … Ny lahavolana dia miompana amin'ny famantarana ankapobeny ny anton'ny fifandirana any R.D.C. izay azo avondrona ho ao anaty sokajy roa lehibe. … antony ivelany … sy antony anatiny ny ankilany.
Tamin'ny 30 jona 1963 no nanambarana ny fahaleovantenan'i Congo nantsoina indray hoe Congo-Léopoldville. Nifampizarana teo amin'ny filoham-panjakana Joseph Kasa-Vubu sy ny praiminisitra Patrice Lumumba ny fahefana. Tamin'ny 25 novambra 1965 no nanesoran'ny jeneraly Joseph-Désiré Mobutu izay notohanan'ny governemanta Belza sy i Etazonia ny filoha Kasa-Vubu, ka nakàny ny fahefana sy ny nanononany tena ho filohan'ny Repoblika demaokratikan'i Kôngô. Nijanona teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona izy ary nomeny anarana hoe Zaïre ny firenena teo anelanelan'ny taona 1971 ka hatramin'ny taona 1997.
Ity lahatsary ity no mamerina indray ny tantaran'ny famonoana an'i Patrice Lumumba :
http://www.youtube.com/watch?v=cOYQjegItnM
Ny lahatsary hafa indray mitantara ny fahatongavan'i Mobutu teo amin'ny fitondrana Mobutu: Mpanjakan'i Zaïre, Ny Fandromba-pahefana :
http://www.youtube.com/watch?v=Tiz7egpUzUg
Otrik'harena goavana
Manohy i Jacques MBOKANI :
Tao amin'ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe : « Blood Diamond » (Diamondran-drà) nisy lehilahy antitra iray nisento nanao hoe : « manantena aho fa tsy hahita solitany… fa raha tsy izany dia tena idiran-doza isika… ». Miresaka ny loharanon-karena voajanahary ho iray amin'ny antony mahatonga ny fifandirana ny tenin'ity zokiolona ity.
Ao amin'ny tranonkalan'ny Sarintany jeografikan'i RDC no ahitantsika :
Lazaina ho fahatafintohinana zeolojika, miaty tahirin'angovo sy harena an-kibon'ny tany sesehena ny RD Kôngô. Ny loharanon-karena fantatra indrindra dia ny Firapotsy, ny Nobium sy varahina, izay azo ampiana manganezy, volamena ary diamondra. Eo amin'ny tahirin'angovo kosa indray, azo tononina ny solitany off-shore any amin'ny ranomasimbe Atlantika sy ny fitrandrahana maro sy lehibe any avaratra atsinanana, izay efa mampilendalenda fatratra ny tontolo mafia kôngôley sy iraisampirenena, ka tsy iraharahiana ireo mponina any an-toerana. Tahaka izany ihany koa ny Oranioma any atsimo atsinanan'ny firenena, sy ny etona méthane ao amin'ny farihin'i Kivu, izay anisan'ny tahirin'angovo tahaka ny tsy voafehin'ny firenena na ankehitriny na amin'ny hoavy. Izany tsy fahampian'ny fifehezana sy ny fanaraha-maso ny loharanon-karenany izany no mahatonga ny trafika isan-karazany miroborobo any ATSINANAN'ny firenena, izay iriariavan'ny andian'olona mitam-piadiana, izay misy firaisana tsikombakomba amin'ny kôngôley ihany ka ny fireneny ihany no voa mafy amin'izany.
Ny antony anatin'ny ady any RDC kosa dia hatramin'ny fitondrana jadon'i Joseph-Désiré Mobutu izay nijanona teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1997 :
Ny matanjaka no nanana ny rariny, … vendrana ny mpanao politika, … firodanana sy ny tsy fananan'ny rafitra ara-pitsarana fahaleovantena … Tsy fisian'ny sampan-draharaha na ara-panjakana na ara-tsosialy. … Fandraisana ny miaramila na amin'ny fomba manara-dalàna na amin'ny alalan'ny fampifangaroana fa fampiharoharoana, fandraisana olona tsy ijerena ny zom-pireneny, ny taonany, ny toe-tsainy na ny lasany eo amin'ny raharaham-pitsarana
Ny lahatsary manaraka indray no mandravaka ny fifehezan'i Mobutu an'i RDC nandritra ny vanim-potoana: Mobutu, Mpanjakan'i Zaïre 2 Ilay tompon'ny lalao : http://www.youtube.com/watch?v=ZMElq6Pj580
Konexinfo manoritra indray ny mahatonga ny firenena maro ho tafiditra amin'ity ady ity :
Ny toe-draharaha ankehitriny any RDC, ao amin'ny faritra Kivu, dia nivoaka avy amin'ny fifandirana maro izay efa nisy tany amin'ny faritry ny farihy Afrikanina maro roapolo taona lasa izay. Mifandrohy avokoa ireo ady isan-karazany ireo. Mpitarika ady vaovao hafa no misolo toerana izay tafiditra eo amin'ny fitondrana.
Firenena fito miady ao anatin'ny sisintany kongoley

Fihaonana teo amin'i Kabila, Bush, Kagame ary Annan tany NYC tamin'ny 2002 avy amin'i Eric Draper – valam-bahoaka
Ilay Ogandey Yoweri Museveni, nanangona sy nanangana tafika mitam-piadiana ahitana olona 6.000 tany amin'ny sisintany manamorona an'i Tanzania, du Rwanda ary Ouganda ary nanongana ny filohan'ny fireneny voafidim-bahoaka, Milton Obote tamin'ny 1986.
Tany Rwanda tanelanelan'ny taona 1990 sy 1993 ny FPR izay manana ho mpitarika azy an'i Paul Kagamé no niady tamin'ny fitondran'antoko tokana an'ny filoha Juvénal Habyarimana.
Tamin'ny 1994, ny fandringanam-bahoaka tany Rwanda (izay manana sisintany iraisana amin'i RDC) no nanosika olona eo ho eo amin'ny 2 arivoarivo [tapitrisa] honina any atsinanan'ny firenena.
Hatramin'ny Zaïre ka hatramin'ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô ary mandrapahatongan'ny korontana tanteraka ankehitriny :
Tamin'ny 1996, tany atsimon'i Kivu, fanombohan'ny fiokoan'ny Banyamulenge, Tutsi kongoley manana fiaviana rwandey (izay nonina tany amin'ny faritra hatramin'ny 1959 raha nandositra ny herisetra tany Rwanda), notohanan'i Rwanda, Ouganda ary Burundi ara-miaramila. Tamin'ny fiarahana tamin'ireo mpanohitra ny filoha zaïroà ny marosaly Mobutu, no nivondronan'izy ireo tao amin'ny “Alliance des forces démocratiques pour la libération du Zaïre” (AFDL na Fiombonan'ny hery demokratika ho fanafahana an'i Zaira) notarihan'i Laurent-Désiré Kabila.
Rehefa nitondra nandritra ny 30 taona ny filoha Mobutu dia nanao sesintany ny tenany mialoha ny fandresen'ny mpioko. Nilaza tena ho filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô, iantsoana indray an'i Zaira i Laurent-Désiré Kabila. Tafiditra an-drenivohitra Kinshasa ny mpioko tamin'ny 17 mey 1997.
Fandravàna ny tobin'ny mpialokaloka rwandey izay tafiditry ny miaramilam-panjakana rwandey teo aloha sy ny milisy mahery setra Hutu – ry Interahamwe- tompon'antoka tamin'ny fandringanam-bahoaka tamin'ny 1994 tao Rwanda.
Nanapaka ny fiarahany tamin'i Rwanda, Ouganda ary Burundi i Laurent-Désiré Kabila.
Tamin'ny 1998, fiokoana vaovaon'ny Tutsi Banyamulenge indray nipoaka tao Kivu ho fanoherana ny tafi-panjakan'i Laurent-Désiré Kabila, fiokoana notohanan'ny mpiara-dia taminy taloha, sy Rwanda ary Ouganda. Nanangana fivondronana ara-politika sy miaramila antsoina hoe “Rassemblement congolais pour la démocratie” (RCD na Fivondronan'ny kongoley ho amin'ny demokrasia) izay tarihan'i Ernest Wamba dia Wamba ry zareo.
Firenena fito no miady ao amin'ny tany kongoley : ny mpioko kongoley izay tohanan'i Rwanda, Ouganda ary Burundi… nahazo an'i Kisangani (renivohitry ny faritany atsinanana), tanàndehibe fahatelon'ny firenena. Voasakana tamin'ny fandrosoany hizotra ho any Kinshasa ry zareo noho ny fidirana an-tsehatra nataon'ny tafika avy any Angola sy Namibia ary Zimbabwe.
Nitresaka ny firenena : ny avaratra sy atsimon'i Kivu eo ambany fahefan'ny RC ; ny andrefana mbola voafehin'i Laurent-Désiré Kabila sy ny mpiara-dia aminy (Angola, Namibia ary Zimbabwe).
Tamin'ny 1998 ihany, nisy fiokoana hafa notarihan'i Jean-Pierre Bemba tany amin'ny faritanin'i Ekoatera, dia ny “Mouvement pour la libération du Congo” (MLC na Hetsika ho Fanafahana an'i Kongo) ka nifehy ny faritra tany, notohanan'i Ouganda ary nandrombaka ny tanànan'i Kindu any amin'ny faritra be harena an-kibon'ny tany ao Kasaï sy Katanga.
17 mey 1999, nizara roa ny RCD an'i Ernest Wamba dia Wamba : RCD-Goma tarihan'i Émile Ilunga Kalambo sy tohanan'i Rwanda sy ny RCD-Kisangani izay mbola eo ambany fahefan'i Ernest Wamba dia Wamba ary tohanan'i Ouganda izay manohana ihany koa ny MLC an'i Jean-Pierre Bemba.
Tsy mahafehy afa-tsy ny tapany andrefan'ny firenena ny fitondran'i Laurent-Désiré Kabila.
Tsy nanova na inona na inona amin'ny fandripahana ny fifanarahan'i Lusaka (Zambia) izay nosoniavina tamin'ny jolay 1999 : Mifehy ny ampahany amin'ny Faritany atsinanana, ny avaratra sy atsimon'i Kivu ary Katanga avaratra ny tafika Rwandey. Ny tafika ogandey koa mifehy ny faritany avaratr'i Ekoatera sy ny Faritany atsinanana. Na teo aza ny fifanarahana, mitohy ny ady sy fandripahana teo amin'ny firenena roa tonta ary iadiana mafy ny fifehezana ny tanànan'i Kisangani, toerana ilaina amin'ny tsenan'ny diamondra, izay miteraka ny fahafatesana sivily roanjato.
Tamin'ny 2001 no nisy namono ny filoha Laurent-Désiré Kabila, ny zanany Joseph Kabila no voatendry ho filoham-panjakana tamin'ny 17 janoary.

Firenena tafiditra ankolaka na mivantana amin'ny ady any Congo avy amin'i Jaro7788 -valam-bahoaka
Mifandimby ny tolo-kevitry ny Firenena Mikambana, ny fifanarahana eo amin'ny mpifanandrina ary ny fikezahana hametrahana ny demokrasia no mibaiko ny fandripahana, ny fanolanana mandritra ny ady any RDC ahafahan'ireo hery vahiny sy ny orinasa [goavana] mitrandraka ireo harena an-kibon'ny tany sarobidy ilaina amin'ny findaintsika amin'izao fotoana.
Mamehy i Jacques MBOKANI :
Raha fehezina, ny antony voalohany dia avy amin'ny tsy fahombiazan'ny fanjakana kongoley izay tsy maintsy atsangana indray. Satria tsy misy intsony ny Fanjakana ka lasa mandroba, manao an-keriny ary manao izay tiany atao ny Fanjakana manodidina. Satria tsy misy intsony ny Fanjakana ka lasa betsaka ny mpitarika ady sy ny fitaovam-piadiana azo enti-tanana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...