- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasy Misokatra: Ho An'ireo Mpampiasa Aterineto Any Sina, Avy amin'ny Mpampiasa Aterineto Any Pakistana

Sokajy: Pakistana, Shina, Fanarahamaso, Fitsipika, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

Ho an'ireo mpampiasa aterineto any Shina,

致中国网民,

Manoratra izao taratasy izao aminareo aho amin'ny anaran'ireo Pakistane maro mpampiasa aterineto izay manohitra ny ezaky ny fitondràna hametra ny fahazoany vaovao amin'izao fotoana izao. Ireo 20 tapitrisa mpampiasa aterineto any Pakistana dia ho voafehy, voasivana ary mety ho tapenam-bava amin'ny fomba fijeriny mihitsy aza, ary manahy izahay fa ny governemanta Shinoa sy ireo orinasa Shinoa mpitsikilo dia manampy izany fandikàna ny zon'olombelona izany. Mampalahelo fa voalaza ho tafiditra amin'ny fanampiana ireo fitondràna manao didy jadona ireo orinasa Shinoa. Ny orinasa Shinoa tahaka ny ZTE Corp sy Huawei dia voaheloka ho nanampy ny sivana tany Libia sy Iràna. Na dia sarotra aza ny hitady ny firobohan'i Shina amin'izany, tsy hisalasalàna fa ny sivana Shinoa no idealy indrindra ho an'ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo fitondràna mpanao jadona.

我代表很多巴基斯坦网民写这封信,是因为希望你们了解我们正在与政府限制访问互联网信息的举措进行抗争。 巴基斯坦超过2000万网络用户正处于被监控、过滤和噤声的边缘。我们担心中国政府和中国的监控技术公司也帮助了这种侵犯人权的行为,所以希望你们知情和支持。 一些中国公司,例如中兴通讯和华为公司,都有辅助官方的审查计划,在利比亚和伊朗的网络审查中也被揭参与。虽然很难追查他们的具体参与细节,但是毫无疑问中国的审查模式已经被这些发展中国家和独裁政权所效仿。

Miantso anareo izahay ho an'ny firaisan-kina. Manatena izahay fa hiara-hijoro aminay ianareo ary hanamafy ny antsonay amin'ireo orinasam-panarahamaso Shinoa sy ny fitondràna Shinoa mba tsy hanampy ny Governemantan'i Pakistana amin'ny fanakelezana ny toeranay sy amin'ny mety ho fanampenam-bava atao aminay.

我们希望这封信能够得到你们的支援和共鸣。我们希望你们能够与我们站在一起,加强对中国企业和政府的诉求之声,不要协助巴基斯坦政府压缩我们的言论空间,甚至完全让我们消声。

Nandritra ny taona vitsy farany teo, nampiasa ny fivavahana sy ny moraly ny governemanta mba hamerana sy hanaraha-maso  ny vaovao. Tranga mampidi-doza izany ho an'ny firenena niaina tanatin'ny sivana napetrak'ireo miaramila mpanao jadona sy governemanta sivily. Jereo ny fomba nakan'ny vahoakan'i Balochistan, iray amin'ireo faritaninay lehibe indrindra, ny tontolon'ny blaogy mba hitaterana ireo fakàna an-keriny tsy ara-dalàna ary ireo famonoan'olona tsy nandalo fitsaràna ataon'ireo masoivohom-panjakàna. Novalian'ireo manampahefàna kosa izany tamin'ny alalan'ny fanakànana ny fidirana amin'ireo vohikala ireo. Raha tsy eo ny tatitra ataon'ireo fampielezam-baovao fototra, tsy manana fomba hafa hampielezana ny tolona ataony hanoherana ireo fandikàna zon'olombelona ny vahoaka Baloch. Raha mbola mikodiadia eny amoron-dàlana ireo faty voakapakapa, ny fianakavian'izy ireo kosa dia mbola tampenam-bava. Ankoatr'izay dia efa fahazarana sady tsy misy antony mitombina ireo sivana. Ohatra, ny vohikala iray mivarotra kiraro vita tànana dia voasakana sady tsy nisy dingana araka ny lalàna natao akory, ireo varotra madinika no mijaly indrindra amin'izany.

在过去一段时间,我们的政府已经运用各种理由,包括宗教和道德借口,限制和监控信息。 在军事独裁者下的平民政府实施网络审查是一个非常糟糕的先例。 例如在最大的俾路支省,在博客空间报道了非法的绑架和国家机构法外处决的暴行后,官方马上用封杀这些博客站点来响应。 在主流媒体缺位的情况下,俾路支省的民众失去了让外界了解他们抗议人权遭受侵犯的媒介。 被杀害的人们尸陈野路,家人却投告无门。 更甚之,审查者缺少常识,粗暴无礼,连卖手工制作的鞋子的网站都加以封杀。 (相信这与中国的某些情况类似)

Nefa inona no fifandraisan'izany aminareo? Araka ny fantatra, nampianatra anay ireo bokin-tantara fa namanay i Shina, rahavavinay, ary raisina ho modely idealy arahana amin'ny fandrosoana sy fivoarana ara-teknolojia. Na dia mbola variana amin'ny modelin'i Sina ara-toekarena tsy mitsaha-mivoatra aza ireo mpitondra, efa nandinika hatry ny ela ny rafi-panivanana sy fanaraha-mason'i Shina ihany koa izy ireo. Raha maniry ny hiresaka amin'ireo mpitondra ireo mpiaro zo, akademika, mpanao lalàna ary mpandraharaha momba ny akon'ny fanaraha-maso ankapobeny sy ny sivana, ireo mpitondra kosa dia manoro ny ohatr'i Shina, milaza fa ohatra tsara izany. Fantatray fa tsy tena marina izany, satria hitanay ireo Shinoa mpampiasa aterineto mitady ny hihodina ireo sivana aterineto sy mitolona manohitra ny fanaraha-maso ankapobeny – toerana feno miohatra amin'izay toerana efa voasivana omen'ny fanjakàna. Ny tokony hifanolorantsika tànana dia ny toetra tsy misy dikan'ny sivana miha-mitombo: manomboka any amin'ny fanafoanana ny teny hoe “kiraro” any Pakistana, hatramin'ny fanivanana ireo teny … “jasmina” “fozan-dranomamy” “kongresy faha-18” sns. any Shina

但是这些是否与你们有关呢? 在很长时间,我们的历史课本上教导我们中国是我们朋友、盟友,是值得效仿的发展与进步典范。虽然我们的政府醉心于中国这种发展模式,他们也同时对中国的审查和监控系统崇拜有加。 当这里的权利倡导者、学界、政策顾问以及企业家想政府陈述地毯式监控和审查的坏处,政府当局往往搬出中国的发展模式加以辩护。 我们知道这并非全部,因为千千万万的中国大陆网民也在寻找穿越网络过滤的努力中,也在抗议地毯式网络监控带来的压制,希望获得一个完整的言论空间,而不是被政府意愿所左右。 我们有足够理由团结一致,在这里“鞋子“这个词被封杀,正如在中国,”茉莉花“,“河蟹”,”十八大“, 等文字被“和谐”一样。

Nandritra ny taom-polo maro, nihena ny tontolo sosialintsika, foana ireo toerana ara-kolotsaina sy zavakanto ary mifanandrina amin'ireo fepetra hentitra ny zon'olombelona ankehitriny, saronana anatin'ny ady amin'ny fampihorohoroana. Amin'izao na ny toerana sisa azontsika tsy hanononana anarana na hiadian-kevitra momba ireo lohahevitra saro-pady koa aza dia mihena.

过往几十年,我们的社会空间在萎缩,文化艺术的通路被挤压到窒息,人权保护被所谓的反恐外衣所钳制。 就连那些网络所带来的匿名讨论空间也在不断消失中。。。。

Ny firaisanao hina aminay dia hanampy amin'ny famonjena ny feontsika.

我相信你们的支持会最大程度地帮助我们

Mirary soa,
Sana Saleem
Bolo Bhi “Mitenena mafy”
Mpampiasa aterineto avy any Pakistana

致敬
莎娜·萨利姆
巴基斯坦网友