- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ndao Hifidy ny Zava-Mahatalanjona Natoraly Fito Tsara Indrindra Eto Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Botsoana, Kenyà, Madagasikara, Nizeria, Seychelles, Somalia, Tanzania, Zambia, Zimbaboe, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika

Misy fifaninanana nalefa ho an'ny daholobe hifidianana ny zava-mahatalanjona voajanahary fito tsara indrindra eto Afrika, ary efa mandeha [1] izany fisafidianana izany amin'izao fotoana izao [tsindrio ny rohy azafady]. Nomanin'ny Fikezahana fatratra misandrahaka manerantany antsoina hoe Seven Natural Wonders [2] ny fifaninanana ary mahatratra 12 ny toerana manerana ny kaontinanta Afrika nofantenana.

Jereo ary ny lisitry ny voafantina sy ny toerana tsy tafiditra an-daharana tamin'ity taona ity.

Ny Vinanin'i Okavango, Botswana

[3]

Lalomena mandro eo amin'ny Vinanin'i Okavango, Botswana, Vinany tsy amorondranomasina lehibe indrindra manerantany avy amin'i John natao Wikipedia CC-license-by

Ny Vinanin'i Okavango [4] no vinany lehibe indrindra anivontany manerana izao tontolo izao, niforona avy amin'ny orana izay mameno ny reniranon'i Okavango. Manam-pikasana ny hanangana tobin-kerinaratra izay hametra [handamina] ny rian-dranon'i Okavango ny governemanta Namibiana, saingy manahy ny mpiaro ny tontolo iainana fa mety hamotika ny biby sy ny zavamaniry ao amin'izany Vinany izany io tetikasa io.

Ny Harandriakan'ny Ranomasina Mena, Ejipta, Sodàna ary Eritrea

Ranomasin'ny Oseana Indiana tafatsorofaka anaty tany, mivelatra manelanelana an'i Azia sy Afrika ny Ranomasina Mena. Mahatratra 1240 maily mitomandavana manaraka ny moron-dranomasin'i Ejipta, Sodàna ary Eritrea ny harandriaka ao aminy ary ahitana karazan-trondro mihoatra ny 1100.

Anthia goldfish in the Red Sea from Wikimedia commons. Image in the public domain. [5]

Trondro mivolom-bolamena Anthia ao amin'ny Ranomasina Mena avy amin'ny Wikimedia commons. Sary anaty valambahoaka.

Tendrombohitra Kenya, Kenya 

Mount Kenya wall [6]

Rindrin'ny Tendrombohitra Kenya avy amin'i Radu vatcu CC license-BY-3.0

Ny Tendrombohitra Kenya no tendrombohitra avo indrindra ao Kenya ary ny faharoa avo indrindra eto Afrika, aorian'i  Kilimanjaro. Voarakotry ny ranomandry an-tampontendrombohitra izy io an'arivony taona lasa izay. Manome rano mivantana ho an'olona mihoatra ny roa tapitrisa [arivoarivo] ny rafi-boajanaharin'ny Tendrombohitra Kenya. Mahazo mpitsidika mihoatra ny 16000 isan-taona ny valan-javaboahary.

Ny Lalamben'i Baobabs, Madagasikara

Local people on the Avenue of the Baobabs, Morondava, Madagascar. Image on Wikimedia commons, in public domain. [7]

Mponina ao an-toerana eo amin'ny Lalamben'ny Baobab, Morondava, Madagasikara. Sary ao amin'ny Wikimedia commons, sary anaty valambahoaka.

Ny Lalamben'ny Baobab [8] dia miorina eo anelanelan'i Morondava sy Belon'i Tsiribihina ao amin'ny faritra Menabe andrefan'i Madagasikara. Hazo Baobab, mahatratra 800 taona, mijoro manana halava tokony ho 30 metatra ary tsy ahitana azy afa-tsy eto Madagasikara ity karazany iray ity. Vao re tamin'ny vaovao ity toerana ity noho izy tratran'ny fahamaizana ny hazo madinika vao novolena teo aminy [9] [mg] dia ireo manakaiky ny hazo goavana.

 Tsingin'i Bamaraha, Madagasikara

Tsingy de Bemaraha Strict Nature Reserve in Madagascar. Image on Wikipedia (CC-license-BY-3.0). [10]

Valan-javaboary arovana ao amin'ny Tsingin'i Bemaraha eto Madagasikara. Sary hita Wikipedia (CC-license-BY-3.0).

Tsingin'i Bemaraha [11] dia valan-javaboary arovana manakaiky ny morondranomasina andrefan'i Madagasikara ao amin'ny Faritra Melaky. Tafiditra ho Vakoka Iraisampirenena Arovana ao amin'ny UNESCO ity valan-javaboarim-pirenena ity, ary ny tena manintona ao aminy ity ilay alam-bato maranitra toy ny fanjaitra noho ny fikaohan-tany namolavolan'ny rano sy ny rivotra azy.

Vatolampy Zuma, Nizeria

Zuma Rock near Abuja by Jeff Attaway on FlickR license (CC-BY-2.0). [12]

Vatolampy Zuma akaikin'i Abuja avy amin'i Jeff Attaway ao amin'ny FlickR license (CC-BY-2.0).

Zuma Rock [13] [vatolampy Zuma] dia manana haavo 725 metatra ao Nizeria manaraka ny lalana mivoaka an'i Abuja. Avy amin'izany lalana izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe ‘Vavahadin'i Abuja’.

Tampom-bainafo [Fournaise], Nosy Réunion

Eruption at the Peak, April 2007 on FlickR by zatiqs (CC license-BY-NC-SA). [14]

Fipoahan'afo eo amin'ny Tampony, Avrily 2007 hita FlickR avy amin'i zatiqs (CC license-BY-NC-SA).

Le Piton de la Fournaise (Tampom-bainao) dia ampingam-bolokano mbola mifoha ao atsinanan'ny nosy Réunion ao amin'ny Oseana Indiana. Iray amin'ny volokano mora taitra indrindra manerantany.

The Aldabra Atoll, Seychelles

Aldabra Island, Seychelles on FlickR by Johny Shaw (CC-BY-2.0).

Nosy Aldabra, Seychelles on FlickR by Johny Shaw (CC-BY-2.0).

Aldabra [15] no harandriaka [mihodidina] faharoa lehibe indrindra manerantany ary anisan'ny mandrafitra an'i Seychelles. Saiky tsy voatsabatsabaky ny olombelona indrindra i Aldabra ary fonenan'ny sokatra goavana [16] lehibe indrindra manerana izao tontolo izao.

Tendrombohitra Kilimanjaro, Tanzania 

Kibo on Mt Kilimanjaro by Chris 73 (CC-NC-BY). [17]

Kibo eo amin'ny Tendrombohitra Kilimanjaro avy amin'i Chris 73 (CC-NC-BY).

Kilimanjaro no tendrombohitra avo indrindra [18] eto Afrika [19] sady tendrombohitra manam-pijoroana taza-maso avo indrindra eto an-tany [20] amin'ny haavo 5.895 metatra. Ny fitsoniky ny ranomandry sy ny fihenany eo amin'i Kilimanjaro dia sahala amin'ny fihemotry ny vongan-dranomandry [21] eny amin'ny haavom-paritra mangatsiatsiaka manerana ny glaoby. Raha mitohy izao toe-javatra izao dia heverina fa tsy hisy ranomandry intsony eny amin'ny Kilimanjaro eo anelanelan'ny 2022 sy 2033.

Hovan-tanin'i Ngorongoro, Tanzania

A young male lion at the hunt in Ngorongoro Crater by Brocken Inaglory on Wikimedia (CC-BY-3.0). [22]

Lion-dahy tanora mihaza ao amin'ny hovan-tanin'i [cratère] Ngorongoro avy amin'i Brocken Inaglory hita Wikimedia (CC-BY-3.0).

Volokano caldera midadasika, tsy mivaky, tsy ahitana riandrano ny Hovan-tanin'i Ngorongoro [23] eo andrefan'i Arusha any amin'ny faritry ny hovan-tany manerinerin'i Tanzania. Ahitana ny ankamaroan'ny karazam-biby mirenireny rehetra ao Afrika atsinanana ny hovan-tany, heverina ho 25000 eo ho eo ny biby ao amin'io hovan-tany io.

Ny Fifindra-monina Serengeti, Tanzania

Wildebeest crossing the river by Stefan Swanepoel in Wikipedia (CC-BY-3.0). [24]

Ombidia [Wildebeest] miampita renirano avy amin'i Stefan Swanepoel ao amin'ny Wikipedia (CC-BY-3.0).

Ny fifindra-monina Serengeti no fifindra-monina an-tanety midadasika sy lava indrindra manerantany. Manomboka eo amin'ny faritr'i Ngorongoro [25] atsimon'i Serengeti ao Tanzania, isan-taona manomboka ny janoary ka hatramin'ny marsa, ny fifindra-monin'ny ombidia, rehefa manomboka ny vanim-potoana fiterahan'[ny omby]; Ny fifindra-monin'ny zebra 750000 no mialoha ny fifindra-monin'ny ombidia 1,2 tapitrisa [arivoarivo].

Tany efitr'i Sahara

Camels in Guelta d'Archei, Ennedi, north-east Chad. Image on Wikipedia (CC-BY-2.0). [26]

Rameva eo amin'ny Guelta d'Archei, Ennedi, avaratra atsinanan'i TChad. Sary ao amin'ny Wikipedia (CC-BY-2.0).

Ny tany efitr'i Sahara no tany efitra mafana indrindra eto an-tany. Mahatratra, raha kely indrindra ny firenen'i Alzeria, Tchad, Ejipta, Libya, Mali, Maoritania, Maraoka, Nizera, Sahara Andrefana, Sodàna ary Tonizia izy. Ny sisiny atsimon'i Sahara dia voamariky ny hivoka [savane] somary maina antsoina hoe Sahel.

Tolo-kevitry ny Blaogera

Misy ireo faritra voajanahary mahavariana tsy voafantina, ka nisy blaoga vitsy nanoso-kevitra tamin'ny alalan'ny bilaoginy. Ny somary nampiady hevitra manko dia misy firenena vitsivitsy mivoaka matetika raha tsy voateny mihitsy ny firenen-kafa, na dia manana toerana mendrika ny hofantenana aza.

Ny Darabok'i Victoria, Zambia sy Zimbabwe

Ny Darabok'i Victoria [27] eo amin'ny sisintanin'i Zambia sy Zimbabwe dia efa voafantina ho iray amin'ny zava-mahatalanjona natoraly fito manerantany.

Swimming at the edge of Victoria Falls in a naturally formed safe pool, accessed via Livingstone Island. Image on wikimedia commons, released into public domain by Ian Restall. [28]

Filomanosana manamorona ny darabok'i Victoria dia mandrafitra dobom-pilomanosana voaaro, idirana avy any amin'ny nosin'i Livingstone. Sary ao amin'ny wikimedia commons, nataon'i Ian Restall ho ao amin'ny valam-bahoaka.

Blyde River Canyon, Afrika Atsimo 

Ny Blyde River Canyon dia miorina ao Mpumalanga [29] ary mandrafitra ny avaratry ny ehantsan-tendrombohitr [30]‘i   Drakensberg [31]. Mahatratra 16 maily (26 kilometatra) ny halavany ary eo ho eo amin'ny 762 metatra kosa ny halaliny. Vatodidy [32] no saika mandrafitra ny Canyon.

The Weeping Face of Nature located in Blyde River Canyon. Image by Ptosio on Wikipedia (CC-BY-3.0). [33]

Ny Tava Mitomanin'ny Natiora hita ao Blyde River Canyon. saripikan'i Ptosio ao amin'ny Wikipedia (CC-BY-3.0).

Aza misalasala manampy ny toerana hafa izay heverinao fa tsy voafantina etsy amin'ny fanehoan-kevitra etsy ambany.